· Febroary, 2010

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Febroary, 2010

Sri Lanka: lalao Cricket sy ny teny anglisy

  27 Febroary 2010

Lanka Rising no miresaka momba ny firokim-pitenenana eo amin'ny manana ny teny anglisy ho fiteny faharoa: “An'ny Anglisy ny Cricket (taloha), saingy isika no mahay milalao azy kokoa noho ry zareo ankehitriny mahatonga azy ireo hanaraka ny vaovaon'ny cricket aty amintsika. Afa-manao izany ve isika amin'ny fitenenana teny anglisy? Yes...

Frantsa: Mpianatra manerantanymitoraka blaogy an'i Parisy ao amin'ny Cité Babel

  26 Febroary 2010

Ny Tanàna iraisam-pirenenan'i Parisy dia mampiatrano vondrom-piaraha-monina mpianatra avy amin'izao tontolo izao monina sy mianatra any amin'ireo Anjerimanontolo Frantsay. Ny blaogy sy gazetin'izy ireo, "Cité Babel" dia mandinika ireo olana mifandraika amin'ny maha-izy azy ny tena, ny kolo-tsaina, ny tenim-pirenena ary ny fomba fijery an'i Frantsa sy izao tontolo izao.

Rosia: Tetikady miaramila vaovao sy ny fiarovam-baovao

Akon  24 Febroary 2010

Namoaka ny tetikady (doctrine) miaramila vaovao[RUS] (hitanao ato ny dika amin'ny teny anglisy) hampiharina mandritra ny folo taona indray i Rosia tamin'ity volana febroary ity. Na dia tsy misy filazana mivantana ny resaka fiarovana an-tserasera na resaka aterineto mivantana aza io dosie io, dia miresaka momba ny endrika fifampitam-baovao ao anaty...

Shina : Manetsika ny reny hitaky ny sivana

  23 Febroary 2010

Nametraka fikambanana antsoina hoe Neny Mpitsara (Mama Jury) ny Fikambanan'ny media an-tserasera any Beijing tamin'ny 19 Janoary 2010 hanivana ny vaovao mamoha fady sy vetaveta an-tserasera. Ny tatitra nataon'ny Southern Weekend moa no nametraka fa avy tany amin'ny firenena tandrefana no niaingan'ny hevitra hikambanan'ny reny “hiaro” ny ankizy tsy hahita...

Shina : horonantsary fohy maneso ny sivana amin'ny aterineto

  23 Febroary 2010

Nahatontosa horonantsary fohy vaovao iray enti-mitsikera ny sivana amin'ny aterineto any Shina ilay mpamokatra horonantsarimihetsika tsy matihanina, Hu Ge . Tahaka ireny horonan-tsary fanadihadiana izay maharitra 7 minitra mahery eo, mitondra ny lohateny hoe ‘Tontolon’ny biby: Ny biby miaina an-trano‘ ka nahasarika olona an-hetsiny sahady izany tao anatin’ny andro vitsy...

Sri Lanka: Sivana sy ny tena fanontaniana

  22 Febroary 2010

Sanjana Hattotuwa ao amin'ny bolongana ICT for Peacebuilding (ICT4Peace) no mamelabelatra momba ny baikon'ny filoha “hampiato ny vinavina napetraky ny mpandrindra Sri Lankey momba ny fifandraisandavitra hanivana ny vohikala manohitra ny fitondrana” sy nanontaniany zava-maro. Rezwan

Haiti: Fisaonana sy fitiavana

  19 Febroary 2010

Na dia eo aza ny fahasarotana iainan'ny vahoaka Haitiana hiverina amin'ny fiainana andavanandro taorian'ny horohorontany tamin'ny 12 janoary lasa teo dia nahazo vahana tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny andron'ny mpifankatia. Alterpresse manazava ny fizotry ny fankalazana tamin'ity taona ity [Fr]: Des milliers de personnes ont encore pris part à...

Hoy ny mpamahambolongana Amerikana momba ny fangalaran-jaza kamboty Haisiana

  18 Febroary 2010

Raha eo andalam-panarenana sy fanorenana i Haiti, dia misy indray ny fanahiana ny mikasika ny kilonga indrindra moa fa ny kamboty. Efa maro ny tatitra momba fitadiavan'ireo mpanondran-jaza mitady kilonga marefo fiarovana, ary anisan'izany ity vaovao navoakan'ny CNN ity. Misy fifandraisana betsaka amin'i Etazonia ny momba ny kamboty satria Amerikana...

Mampiseho ireo hitsara amin'ny fifaninana Breaking Borders momba ny fahalalahana miteny ny Global Voices sy ny Google

  18 Febroary 2010

Ny Breaking Borders dia loka vaovao noforonin'ny Google sy ny Global Voices ary tohanan'ny vondrona Thomson Reuters mba hanomezam-boninahitra ireo tetikasa tsara indrindra ataon'olo-tsotra na fikambanan'olona nampiseho fahasahiana, fahavitrihana ary fahatsilovan-tsaina amin'ny fampiasana aterineto ho fampiroboroboana ny fahalalahana amin'ny alalan'ny tranonkala. Faly izahay mampahafantatra ireo mpitsara amin'ity fifaninanana ity. Misy...

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en