· Desambra, 2009

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Desambra, 2009

Rwanda: Video-an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo

  31 Desambra 2009

Misy video mitohitohy napetrak'i kdarpa ao amin'ny YouTube, izay manasongadina ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy ireo olona nihaona tamin'izy ireo nandritra ny fandalovan'izy ireo tany Rwanda sy niarahan'izy ireo niasa tamin'ny mponina tao an-toerana.

Miara-miasa amin'ny Google ny Global Voices ho an'ny fifaninanana fahalalàhana maneho hevitra

  31 Desambra 2009

Misokatra androany (29 Desambra 2009) ny fisoratanana anarana ho an'ny fifaninanana Breaking Borders, fifaninanana vaovao noforonin'ny Google sy Global Voices mba hanomezam-boninahitra ireo tetik'asa malaza amin'ny tanterahin'ireo olon-tsotra na vondrona mampiseho herim-po, tanjaka ary fiketrehana amin'ny fampiasàna aterineto mba hampielezana ny fahalalàhana miteny.

Kazakhstan: mpanao gazety novonoina, tsy miankina amin'ny asa

  31 Desambra 2009

Sayat Shulembayev, 28 taona , mpanao gazety ao amin'ilay vohikalam-baovao sy horonantsary “Stan” dia novonoina tamin'ny fomba mahatsiravina tany Almaty. Araka ny lazain'ny mpamorona ny “Stan” , nanofa efitra iray tao amina trano akaikin'ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra i Sayat. Novonoin'ireo mpamono olona i Sayat sy ny tompon-trano, araka ny hita,...

Madagasikara tamberina 2009 – fizarana voalohany -

  31 Desambra 2009

Mby amin'ny fahataperany ity ny taona 2009. Taona nanjakana ary mbola anjakan'ny hotakotaka ho an'i Madagasikara. Ity lahatsoratra manaraka ity ny tapany voalohany (mitantara ny volana Janoary ka hatramin'ny Aprily) amin'ny fizarana roa manamarika ny taona 2009, raha tarafina avy amin'ireo olom-pirenena niaina tao anatin'ity savorovoro ity. Janoary: Raha nanomboka...

Maneran-tany: “Mi-tweet” ho an'i #Gaza

  31 Desambra 2009

Ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny fanafihan'ny Israely an'i Gaza tamin'ny Desambra 2008, mafana fo maro no nanomana ny fanentanana “tweet for Gaza” ao amin'ny Twitter. Manana betsaka amin'izany Jillian C. York

Rosia: Tantara telo momba fahantrana lalimpàka

Akon  26 Desambra 2009

Ny mpanao gazety an-tsary Rosiana Oleg Klimov dia mizara tantara telo momba ny fahantrana lalimpàka sendra reny raha iny niandry fiaran-dalamby tao amin'ny fiantsonan'ny firan-dalamby tao Syzran, tanàna Rosiana iray ao amin'ny faritr'i Samara .

Ejipta: Synagoga potika…Synanjavona

  26 Desambra 2009

Tamin'ny taona 2008 dia tojo trano fivavahana jiosy iray i Moftasa, synagoga zary lasa foiben-toeran'ny Antoko Demokraty (National Democratic Party) mitondra any Ejipta amin'izao fotoana. Ny tena mahavariana dia hoe ireto Ejiptiana namotika ny synagoga Magen Abraham ireto ihany no Ejiptiana tezitra tamin'ny fanapahan-kevitry Suisse tsy namela azy ireo hanangana...

Sahara Andrefana: Voaroaka i Aminatou Haidar

  21 Desambra 2009

Aminatou Haidar dia mafana fo lohalaharana amin'ny fitakiana ny fahaleovantenan'i Sahara Andrefana (avy any Maraoka). Ny Zoma 13 Novambra, raha niverina ho any Laayoune (tanàna iray any amin'ny faritr'i Sahara Andrefana), nosamborina izy ary noroahana noho izany. Manangona ny fanehoan-kevitra avy amin'ny mpitoraka blaogy rehetra i Jillian C..

Ejipta: Ho an'i Djamila Bouhired indray ity

  21 Desambra 2009

Marary ilay mpitari-tolona Alzeriana Djamila Bouhired, 75 taona, ary nangataka tamin'ny fireneny sy ireo mpiray tanindrazana aminy hanampy azy amin'ny fitsaboana. Nahatezitra ireo mpitoraka bilaogy Ejiptiana izany izay mihevitra azy ho olona manana ny mahaizy azy sy olo-malaza eo amin'ny tontolo Arabo. Nanoratra tao amin'ny Egyptian Chronicles, Zeinobia no milaza...

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en