· Oktobra, 2009

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Oktobra, 2009

Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana

  31 Oktobra 2009

Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”

Kazakhstan: Fifanoheran-kevitra ara-ekonomika, fanavakavahana araka ny maha-lahy na vavy ary ny fitotonganan'ny siansa

  31 Oktobra 2009

Manohy ny resaka momba ny fifandraisana ara-sosialy ireo mpitoraka blaogy any Kazakhstan. Tamin'ny herinandro lasa teo, ny adihevitra teto amin'ny aterineto dia nampiseho lohahevitra samihafa. Ny mpitoraka blaogy Lord-Fame dia novangian'ireo tomponandraikitry ny hetra izay nanambara fa tsy ampy araka ny tokony ho izy ireo mpiasa ao amin'ny orinasany, ambanin'ny...

India: Mpanao gazety mpitoraka bilaogy nanelanelana hanavotana polisy takalon'aina

  28 Oktobra 2009

Tao amin'ny fanjakan'i Bengal andrefana dia nisy ady nifanandrinan'ny mpioko maoista(Naxalites) sy ny miaramilam-pirenena. Noraran'ny fitondrana tamin'ny volana jona lasa teo ny Antoko Komonista Indiana (Maoista), antoko miafina sady tsy manana solontena ao amin'ny antenimiera, noho ny lalàna mandrara ny hetsika tsy manara-dalàna ka nanondroany io antoko io ho fikambanana...

Tao amin'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana

  27 Oktobra 2009

Nitsidika ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana na PestaBlogger 2009 izahay. Ity no fanintelony nanaovana ity fihaonana isan-taona ity. Avy any amin'ny vazantany efatra ao amin'ity firenena lehibe iray ity ny mpamaham-bolongana ka namonjy an'i Jakarta renivohitra, hankalaza, hiady hevitra ary hanala azy [hivory].

Japana: ravan'ny antontan'isa farany ny anganon'ny fandrosoana

  25 Oktobra 2009

Japoney iray amin'ny enina no miaina ao anatin'ny fahantrana araka ny tatitra [teny anglisy] navoakan'ny minisiteran'ny raharaha sosialy. Araka ny antontan'isa navoakan'ny OCDE [en], dia manana ny iray amin'ny tahan'ny fahantrana ambony indrindra amin'ny tany mandroso i Japana ka fahaefatra aorian'i Meksika, Torkia ary i Etazonia. Tao amin'ny Flickr id:...

Porto Rico: Fanadiovan-tsolika nipoaka

  25 Oktobra 2009

Nirefotra tanteraka tamin'ny zoma 23 oktobra teo tamin'ny 12 sy sasany atoandro ny fanadiovan-tsolika an'i Gulf Oil (Caribbean Petroleum Company-CAPECO) ao Bayamón, Porto Rico. Saika ny fitoeran-tsolika 20 no nipoaka avokoa, mbola misy afo mirehitra hatrany na dia efa voafehy aza, ary tsy nitsahatra nandrakotra ny lanitra ny andriafo. Mihoatra...

Goadelopa: Andron'ny rano

  23 Oktobra 2009

Any amin'ny nosy miteny frantsay any Karaiba, nosin'i Goadelopa, manana anaram-bositra manao hoe “Nosin'ny rano tsara” koa, dia iankinan'ny ain-dehibe ny rano. Tena zava-dehibe satria izy no mamaritra ny toetr'andro any an-toerana, na izany amin'ny alalan'ny tsy fahitana azy na izany amin'ny alalan'ny fahatondrahany: ny “Karemy” fotoanan'ny maintany izay maharitra...

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en