· Febroary, 2009

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Febroary, 2009

Ejipta : Ny fihetsiketsehan'ny mpianatra

  28 Febroary 2009

Nanamarika ny tantaran'i Ejipta amin'izao vanin'andro izao ny zava-nitranga nahamenatra niseho ny 21 febroary 1946. Tamin'izay andro izay dia mpianatra an-jatony nanao fihetsiketsehana teo amin'ny tetezana mitsingevana Abbas Bridge no notifirina sy maty an-drano tao amin'ny reniranon'i Nely, taorian'ny baiko nomen'ny manam-boninahitra Anglisy hitifitra ary talohan'ny nanokafana ny tetezana indray...

Eritreritra mamono: Endriky ny ditra ara-nofon’ny Ejipsiana

  28 Febroary 2009

Mba afaka mampitsahatra ny herisetra ara-nofo ao Ejipta ve ny Facebook groups, ny T-shirts mpanohitra fanadalana, ny bolongana, ny lahatsoratra, ny mpitoraka bolongana, na ireo tia fihetsiketsehana? Tsy azoko eritreretina aloha raha izay hoy i Wandering Scarab (ilay kadradraka mirenireny).

Maraoka: matsiro fotsiny amin'izao!

  26 Febroary 2009

Tahaka ny resaka hanina avokoa no resaka tao amin'ny blogoma (bolongana maraokana) tamin'ity herinandro ity. Iray amin'ny heverina fa sarotra sy matsiro indrindra manerantany ny Moroccan cuisine (nahandro maraokana) izay avy amin'ny nahandro Arabo, Espaniola, Tiorka, Jiosy, ary fomban-drazana Amazigh sady fantatra amin'ny fampiasana anana sy episy (mpampatsiro hanina). Mahalala...

Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano

  26 Febroary 2009

Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy tao Brunei ny hetsika malala-tanana entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano. Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany

Iran: Voafonja ny mpianatra manohitra ny fandevenana ireo maty maritiora

  26 Febroary 2009

Mihoatra ny 70 ireo mpianatra avy ao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir tao Teheran no voasambotra androany, Talata 24 Febroary, rehefa nanao ny fihetsiketsehana manohitra ny famindrana razana maty maritiora tsy fantatra anarana tamin’ny adin’ny Iraka sy Iran izay alevina ao amin’ny toeran’ny anjerimanontolo. Jereo ny horonantsarin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny fihetsika voalohany ao amin'ny tontolon'ny bolongana (blogosphere)

Ejipta : ny efatra andro nanagadrana an'i Philip Rizk

  26 Febroary 2009

Andro iray taorian'ny nivoahan'ny lahatsoratra hoe “Ejipta : mitohy ny fisamborana ireo mpanao pôlitika mahery fihetsika sy ny mpitoraka bilaogy” tao amin'ny Global Voices Online, dia nahoraka eran'izao tontolo izao ny vaovao mikasika ny nisamborana an'i Philip Rizk – ka niafara tamin'ny famotsorana azy izany rehetra izany. Mitantara ny nanafahana azy i Arabawy ...

Hong Kong: Miaro ny fahalalaham-pitenenana

  25 Febroary 2009

Mihoatra ny zato ny mpoina ao Hong Kong no nidina an-dalambe hanambara amin'ny hafa fa mihemotra ny fahalalaham-pitenenana any aminy tamin'ny 22 Febroary 09 lasa teo. Ny Citizens’ Radio no namolavola ny fihetsiketsehana ary notohanan'ny fikambanana mpiaro ny demaokrasia sahala amin'ny Save RTHK Campaign (fanentanana hiarovana ny Radio Televiziona Hong...

Armenia: Fihazana tsy manara-dalàna navandravandra

  24 Febroary 2009

Fanaingoana ny fahasamihfana vitan'ny fikatrohana an-tserasera tany Armenia indray ity, nisy lahatsary YouTube iray izay mampiseho lehibe-na mpiambina ala any amin'ny valan-javaboarin'i Khosrov nihaza lambo ka nahatonga ny fandroahana an-drangahy io. Tamin'ny 6 Febroary 2009 ny mpampiasa YouTube iray antsoina hoe TugUrartu no namoaka lahatsary iray miaraka amin'izao fanazavana manaraka...

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en