· Novambra, 2008

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Novambra, 2008

Andro iadiana amin'ny SIDA manerantany: Ireo mitondra ny tsimok'aretina

  30 Novambra 2008

Ity taona ity no manamarika ny faha-20 taona ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA izay tanterahina isaky ny voalohany volana Desambra. Na dia tsapan'ny olona anarivoarivony amin'ny ankapobeny isan'andro aza ny fiantraikan'ny VIH sy ny SIDA dia ity kosa ny andro manokana hamphafantarana bebe kokoa ny amin'ity aretina ity. Ny...

Karajia (Tchat) mivantana momba ny VIH/SIDA amin'ny 3 desambra

  30 Novambra 2008

Manomana karajia (Tchat) mivantana ho an'ny mpamaham-bolongana sy ny mpikatroka ny Rising Voices sy ny Global Voices amin'ny 3 Desambra 2008 ho avy izao (3 ota tolakandro ora ao Nairobi sy eto Madagasikara koa) ka ny lohahevitra amin'izany dia mikasika ny fomba ampiasana ny “media citoyen” na ny azon'ny olo-tsotra...

India: Ny fanafihan'ny mpampihorohoro ao Mumbai

  28 Novambra 2008

Hita taratra mazava any amin'ny tontolon'ny bolongana ny hatezerana mihatra amin'ny fantsom-baovao amin'ny fomba fitantarany ny fanafihan'ny mpampihorohoro an'i Mumbai. Ho an'ny sasany, dia naka ny paikan'ny “shock and shake” na “mandona sy manontsana” ny mpitati-baovao be mpanaraka izay mifanohitra amin'ny manamarina ny fisian'ny vaovao vao manambara ny fisiany. Saingy...

Mumbai: May ny Taj Hotel

  28 Novambra 2008

Misy ny maneho ny sary nopihany amin'ny flickr sy any amin'ny toeran-kafa ankoatra izay asehon'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Sary maro dia maro ohatra no asehon'i Arun Shanbhag amintsika ka hatramin'ny ra mandriaka, ny diantsaoka [fanaon'ny polisy amaritana ny paozin'ny olona niharandoza na tavela] ka hatramin'ny fahamaizan'ny Taj Hotel. Azonao jerena ato...

Madagasikara: Nanakorotantsaina ny fifanarahan-tany tamin'ny Koerana tatsimo.

  24 Novambra 2008

Raha inoana ny nolazain'ny Financial Times dia hanofa ny atsasaky ny tany azo volena eto Madagasikara ny Koreana Tatsimo. Niteraka adihevitra teo amin'ny tontolom-bolongana malagasy mikasika ny fiandrianam-pirenena sy ny fampandrosoana ara-toe-karena izany. Mbola tsy mazava moa hatramin'izao hoe efa nosoniavin'ny roa tonta ve ny fifanarahana? Na izany aza dia efa ifandresen-dahatra eo amin'ny mpamaham-bolongana raha azo heverina ho karazana "fanjanahantany vaovao" izao fifanarahana izao.

Shina: Raharaha maizina vaovao mikasika ny Baidu

  22 Novambra 2008

Notaterin'ny CCTV ary fa nanaiky nandray vola avy tamina orinasa mpanao fanafody tsy ara-dalàna mba hametrahana ny rohy mikasika azy ho voalohan-daharana rehefa manao fikarohana amin'ny aterineto ny Baidu, izay heverina ho Google Shinoa. Nolazaina tao anatin'izany fitateram-baovao izany fa mahalala izany toe-javatra izany ny mpiasa misahana ny dokambarotra ao...

Madagasikara : Obama mamelonaina indray ny nofinofy Amerikana

  06 Novambra 2008

Na dia ngeza sy midadasika aza ny elanelan-tany manasaraka amin'i Amerika, dia mandakana hatrany Madagasikara ny tazon'ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana. Mizara izay fahitany izay antony mahatonga azy ireo hanaraka fatratra ity fifidianana ity ny mpiblaogy sasantsasany, ary milaza koa izay ho toeran'ny fitondran'ny filoham-pirenena Obama eo imason'ny tsirairay. Ny namana...

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en