Tantara mikasika ny Anglisy
Manomboka mamaha ny olan'ny fahalotoan'ny rivotra ao aminy amin'izay i Ozbekistan
Tamin'ny Desambra 2023, tao Tashkent no nahitana ny tondron’ny fahalotoan'ny rivotra faharoa avo indrindra, aorian'ny Delhi any India.
Manakombom-bava ny manampahefana ao Azerbaijan manoloatra ny famonoana vehivavy trans
Amin'ny ankapobeny, ho an'ny olona LGBTQI+ maro izay miatrika fanavakavahana sy herisetra, dia kely ny fanavotana azon'izy ireo [mg] avy amin'ny polisy na avy amin'ny fantsona ara-pitsarana ofisialy
Sarimihetsika malaza ao Kyrgyzstan mampihetsi-po sy mampiseho fifamatorana misy eo amin'ny reny iray sy ny zanany
Araka ny voalazan'ny talen'ny sarimihetsika Ruslan Akun, ny fandrisihana ny olona hifampiantra sy hifanao asa soa no tena tanjony.
Nolazaina tanaty hetsi-panoherana sy filazana ho fisian'hosoka ireo mpandresy tamin'ny fifidianana tao Indonezia
"Heverinay fa mitombina ho an'ny vahoaka ny manontany (misalasala) ny vahoaka amin’ny voka-pifidianana, miainga amin’ny dingana ahiana ho misy hosoka sy miterak'olana."
Deepfake sy ny loza ateraky ny fitomboan'ny fampiasana hosoka amin'ny horonan-tsary
" ... Eo ambavahoanan'ny "fahafatesana" ny fahamarinana noho ny fiparitahan'ny deepfakes, dia ho sarotra kokoa ny hahatakatra ny atao hoe marina."
Hiala ao Hong Kong ny seha-baovao Radio Free Asia vatsian'i Etazonia
Efa vonona ny hiala an'i Hong Kong ny Radio Free Asia (RFA) novatsian'i Etazonia vola, izay nampangain'ny gazety tohanan'i Beijing ho “anti-Shina”
Tsy hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana any Tiorkia tokoa ve ny filoha Erdoğan?
Volana maromaro taorian'ny fifidianana ankapobeny, sy herinandro vitsy mialoha ny fifidianana eo an-toerana, toa manjavozavo ny fanamarihan'ny filoha Erdoğan tsy hirotsaka hofidiana intsony.
Paragoay: nitombo 243% ny fitarainana momba ny herisetra an-tokantrano teo anelanelan'ny taona 2015 sy 2023.
Mbola lavitra ny lalan'ny governemantan'i Paragoay momba ny politikam-panjakana mifantoka amin'ny fisorohana sy ny fifehezana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao amin'ny firenena.
‘Tek sleep and mark death': Tantara fampitandremana ny fianahan'ny menaka mainty ao Tobago
Mahatonga ny Jamaikana sasany hanontany tena amin'ny fahafahan'ny fireneny manalefaka ny fiantraikan'ny fianahan'ny menaka-solika ny voina ara-tontolo iainana vao nitranga tao Tobago — sy ny fisandratan'i Guyana ho mpamokatra solika —.
Miharatsy sy mandrahona ny hoavin'ny fomba fiaina mifindrafindra monina ny loza voajanahary ao Mongolia
Na dia biby aza no maty mandritra ny dzud, dia misy fiantraikany amin'ny firenena manontolo ireo loza ireo.