Mpandika Jentilisa
· 7:54 pm
· Lesotho · Mozambique · South Africa · Tanzania

Ny Zoma 18 jolay teo no feno 90 taona i Nelson Mandela ary dia nihoatra sisitanin'i Afrika Atsimo izany fankalazana izany ka niarahan'izao tontolo izao niaramihira sy nitehaka ny nahatratra ny fety. Andeha ary hiaramankalaza izany koa isika amin'ny alalan'ity fitetezam-paritra ity hamakiana ny fifaliana misongadina manerana ny kaontinanta afrikana ity.
1 hevitra · Tohiny »
Stuff Armos Like, mijery tsy misorona ny fahazaran(-dratsy) Arimeniana, no miteny fa raha mahazo vahana fatratra any amin'ny faritra maro hafa ny vondrom-panerena hanoherana ny fifohana sigara, dia azo heverina ho mamaka lalina amin'ny zavamisy Arimeniana kosa ny sigara. Vazivazian'ny bolongana moa fa na ho voarara any amin'ny firenenkafa rehetra aza ny fifohana sigara, dia mbola manana ny ho aviny kosa ny mpanao sigara any Arimenia.
#
Ampangaina noho ny fanendrikendrehana famonoana olona ilay mpamaham-bolongana Malaysiana malaza Raja Petra Kamarudin. I Benstakes no mampahafantatra antsika ny fifandraisan'io fiampangana io amin'ny “fanendrikendrehan'ny ” mpamaham-bolongana ny vadin'ny Praiminisitra ho tafiditra tamin'ny famonoana ilay mpilatro Môngôla.
#
Tom Terry no mampahafantatra ny mpamaky fa nosivanin'ny vaomiera maharitry ny mpanao lalàna ao amin'ny Antenimiera ny TV-mpirenena Mongoliana (MNTV) noho ny tsy fahasahiany nanao ny asa maha-manao gazety azy tamim-pahaleovantena nandritra ny rotaka (ilay fandorana ny foiben'ny antoko komonista teo aloha) teo sy ny nanarahany ny fametrahan'ny filoha ny firenena ho latsaka an-katerena (Etat d'urgence).
#
Adrienne Wong avy ao amin'ny Shanghaiist no nanamarika fa ny doka fanoheran'ny Amnesty International ny lalao Olaimpika any Shina sy ny dokambarotry Adidas mandritra ny Lalao Olaimpika dia nolokoiin'ny orinasa iray ihany izay tsy iza fa ny (TBWA).
#
Unzipped no milaza ny heviny avy amin'ny tenin'ny filoha vaovaon”i Arimenia navoakan'ny Wall Street Journal ahitana ny fanantenan'i Serge Sargsyan fa mety hiteraka fifandraisana eo amin'ny tany roa tonta ny fihaonan'i Arimenia sy Torikia amin'ny baolina fandaka hifanintsanana ho amin'nyfiadiana ny amboara erantany amin'ny volana septambra ho avy izao. Mikatona tanteraka manko ankehitriny ny sisitany iraisan'i Arimenia syTorikia.
#
Mpandika Tomavana
· 8:26 am
· Italy

Maro amin'ireo mpanohana maminay no efa nandre sahady ny vaovao lehibe farany izay vao nivoaka ny andro faharoan'ny Vovonàna Global Voices Fijoroana Vavolombelon'ny tsirairay [Citizen Media, media citoyen] notanterahina tany Bodàpestà, any Hôngria. Naverina navoaka tamin'ny fomba ofisialy koa ireo fiteny telo vaovao ao amin'ny fotodrafitrasa Lingua anivon'ny Global Voices dia ny fiteny Hindi, ...
0 hevitra · Tohiny »
Mpandika Tomavana
· 1:20 pm
· Russia

Ny Andron'ny Fitiavam-bady sy ny fahasambaran'ny mpianakavy - nankalazaina tamin'ny faha-8 Jolay, Môskoa, Rosìa (sary nalain'i Veronica Khokhlova, mpanoratra ny lahatsoratra nadika)
Nahazo andro tsy fiasana vaovao iray indray i Rosìa : ny Andron'ny Mpianakavy, ny fifankatiavana ary ny fanajana ny fanambadiana, izay ankalazaina isaky ny 8 Jolay. Amin'ny alalan'ny lahatsoratra nampitondraina ny lohateny ...
0 hevitra · Tohiny »
Mpandika Tomavana
· 12:48 pm
· Jordan
Tamin'iny faran'ny herinandro lasa teo iny, dia nametraka hafatra roa tamin'ny vohikala i Abdallah faha-II mpanjakan'ny Jordana : tao amin'ny gazety Ad-Dustour (teny Arabo) any Jordana, sy ho valin'ny lahatsoratra napariaky Naseem Tarawnah tao amin'ny The Black Iris [Voamaso mainty]. Ireo hafatra ireo dia tohin'ny tafatafa malalaka vao nifanaovan'ny mpanjaka tamin'ny gazety tany an-toerana izay nanolorany ...
0 hevitra · Tohiny »
Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny aditany...
-
Misotra ny Jentilisa aloha nandika ity post ity mailaka dia maila...
-
Manaraka izany, tena manomboka mampiahiahy tokoa ankehitriny ity ...
-
Tsy maintsy manambara ny hevitro aho etoana ! Araka ny fijeriko n...
Tohiny »