The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Chinese Sokajy ara-teny

RSS ho an ny Chinese

2008-06-25

Shina : Tondra-drano any amin'ny tananan'i GuangzhouPhotos post

Tianya forum no manapariaka sary vitsivitsy ahitana ny tondra-drano niseho vao tsy ela tany amin'ny tananan'i Guangzhou.

2008-06-06

China

Asehon'ny CCTV (izay marihina fa mandeha amin'ny TVM rehefa vita ny fandaharana tontosain'ny tvm amin'ny alina ka mandra-panombohan'ny fandaharana amin'ny maraina indray)amin'izao tontolo izao ny lahatsary ahitana ny fisaoran'ny traboina izay nataon'ny governemanta. Guo yu hua, mpahay momba ny olombelona kosa milaza fa ny governemanta no tokony hisaotra ny vahoaka shinoa noho ny haavom-pahaizan'izy ireo nanao asam-pankaherezana [zh].

2008-05-29

Shina : Fisaonana tao Tiananmen ireo maty sy niharam-boina nohon'ny horohorontanyPhotos post

hk1183 no manapariaka andiantsary maro nalaina tany amin'ny kianja malalaky Tiananmen, nandritra ny hetsika "3 minitram-pahanginana" ho fisaonana ireo maty sy fiaraha-miory amin'ireo niharam-boina nohon'ny horohorontany nitranga tany amin'ny faritry Sichuan, izay natao ny 19 May 2008 tany Beijing, any Shina, ary nahitana olona mpandray anjara maro.

2008-05-15

Hong Kong : Tanànan'ny mpanjono an-tsaryPhotos post

Tinyau no manapariaka andian-tsarin'ny tanànan'i Tai O, isan'izay “akanga sisa nanamborana” amin'ireo tanànan'ny mpanjono any Hong Kong.

2008-05-14

Shina: Horohorontany nahatratra ny hery 7.8 izay tsapa saiky manerana an'i ShinaPhotos postVideo post

Tokony ho ora roa lasa izay, dia nisy horohorontany izay nahatratra ny hery 7.8 eo amin'ny metatry Richter [7,0-7,9 heverina ho toy ny horohorontany henjana izay mety mahatratra 18 isan-taona maneran-tany, sy ranomasina] izay nandona ny faritra Atsimo Atsinan'i Shina, dia ny faritanin'i Sichuan, izay tao amin'ny fivondronan'ny Wenchuan ny ...

2008-04-30

Hong Kong sy Shina : Peta-drindrina 5 ho fanoherana ny lalao Olaimpika any BeijingPhotos post

Peta-drindrina 5 mivoy fanoherana ny lalao Olaimpika no nikoriana ara-imailaka sy Twitter tanivon'ny namana : 1. Olympic workers; 2. Olympic silencing; 3. Olympics and June 4; 4. Olympic GFW; 5. Olympic erection. 1. Mpiasa nanorina ireo kianja Olaimpika; 2. Famehezam-bava Olaimpika; 3. Lalao Olaimpika sy ny 4 Jona (kianja Tian'anmen); 4. Famefena Olaimpika; 5. Fihanjahanjana Olaimpika.

2008-04-26

Taiwan: Nofinofy toy inona no andrasantsika amin'ny Lalao Ôlaimpika?

Raha mikarakara ny Lalao âlaimpika 2008 i Sina dia nilaza hoe "tontolo iray, nofinofy iray, inona no andrasantsika amin'io nofonofy io? Nazavain'i Schumann ny niavian'ny afo Ôlaimpika: 古代希臘人在奧運舉辦前,會按宗教儀式,在奧林匹亞宙斯神廟前的祭壇上點燃火種, […]火炬手高舉火炬,一邊奔跑,一邊呼喊:停止一切戰爭,參加運動會。 火炬傳到哪,哪的戰火就熄滅了。[…]人們忘記了仇恨,忘記了戰爭,都奔向奧林匹亞參加奧林匹克運動會。 久而久之,火炬這個本來用來傳遞信號的工具,便成了和平、光明與友誼的象征. Mialoha ny Lalao Ôlaimpika taloha dia nandrehitra afo teo anoloan'ny Tempolin'i Zeus l'Olympien ny mponina Grika fahiny. [...] Ilay mitondra ny afo ...

2008-04-24

Shina : Tohanan'ireo mponin'ny Aterineto Shinoa ny varotra fitaovam-piadiana hoan'i Zimbaboe

Satria tsy mety tapitra ny krizy nateraky ny fifidianana tany Zimbaboe, sady izay koa i Robert Mugabe mifikitra amin'ny fitondrana, dia tsy mety mazava izay hiafaran'ilay sambo mirongo ireo fiadiana farany nafarana avy any Shina. Nahavelom-panontaniana ohatra ny fahatazanana ireo miaramila Shinoa any Mutare : hafiriana no hijanonany eto ary ...

Shina : Kendrena atao ankivy ny Carrefour

Carrefour, ilay mpaninjara goavana frantsay indray no vao tafiditra ho ao anatin’ny lisitra maintin’ny mpiserasera tia tanindrazana any Shina. Niakatra avo dia avo ny fandefasan-kafatra am-pinday ho amin’ny fanaovana ankivy, mihoatra ny 5000 ny toeram-piseranana an’aterineto any Shina, araka ny fanisan’ny Daqi.com azy, no feno lahatsoratra mamely ny Carrefour, ary ...

2008-04-22

China

Nosoratan'i Tia an'i Hunan ao amin'ny Zhuzhouwang ny mikasika ilay mpampianatra Amerikana nodarohan'ny mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa[zh] teo an-tokotanin'ny Carrefour tany amin'ny distrikan'i Hunan Zhuzhou tamin'ny 20 avrily. Manana ny avaovao farany i Shanghaiist.