2009-07-15
Shina: Noana ny mpiserasera, tsy misy resa-bary intsony!
Nahantona hatramin'ny faha-8 jolay lasa teo ny Fanfou izay shinoa mpifaninana amin'ny Twitter. Hatramin'izao fotoana ny hany nolazain'i Wang Xing mpanangana ny Fanfou dia hoe noho ny antony “fikojakojana” io fa tsy misy resaka fahazoan-dalana hanao tolotra aterineto (ICP). Saingy noho ny fotoana fampiatoana azy nifanjohy tamin'ny rotaka ...
2009-05-22
Shina: Nasavorovoron'ny T-shirt iray
Toa nahasarika ny mason'ny polisy sy nanohintohina ny filaminanam- bahoaka ny soratra tamin'ny T-shirt nanaovan'ny mpahay lalàna Liu Shihui. Omena anareo eto ambany ny ampahan'ny voasoratry Liu ao amin'ny bolongany momba izay niainany tany Guangzhou.
2009年5月12日下午5点多,我在广州市岗顶地铁站靠近C出口的地铁闸口外面等我女朋友….电话联系知道她已经快到了。
Niandry ny sipako tao amin'ny garan'ny metro tao Guangzhou tamin'ny 12 Mey 2009 tamin'ny 5 ora ...
2009-05-18
Hong Kong: Donald Tsang, aza fady matesa!
Tezitra tamin'ny fanamarihan'i Donald Tsang Lehiben'ny mpanatanteraka niresaka momba ilay indray 4 jona nandritra ny kabary nataony teo anoloan'ny Mpanao lalàna tamin'ny herinandro (13 mey) ny olona. Hoy ny navaliny raha nanontaniana ny heviny manokana mikasika ny hetsika fitakiana nataon'ny mpianatra tamin'ny 4 jona izy:
I understand Hong Kong people’s feelings ...
2009-05-14
Shina: Mampatahotra ny miseho amin'ny tena anarana amin'ny aterineto
Lasa sehatra manan-danja fanaovan'ny olona politika sy fitsikerana mpitondra ny aterineto any Shina. Voaantoky ny fanafenana anaran'ny mpampiasa azy amin'ny ankapobeny ny fahalalahan'ny aterineto. Na izany aza dia tsy nitsahatra mihitsy ny fitadiavana hanohintohinana io fahalalahana io. Vao tsy ela akory izay dia nosamborina noho ny fiampangany ny tompon'andraiki-panjakana tao ...
2009-05-03
Shina: Ny fanokana-monina ny Meksikana rehetra
Be loatra angamba ny lahatsoratr'i Michelle Malkin novakian'ny tompon'andraiki-panjakana Shinoa misahana ny fahasalamana tao ho ao; raha nofoanany avokoa ny zotram-piaramanidina avy any Meksika rehetra, ary nahavory Meksikana 41 raha vitsy indrindra tany Beijing, Shanghai ary Guangzhou ny fanjakana, handroaka azy ireo hiala an'i Meksika, nefa fantatra fa tsy ...
2009-02-25
Hong Kong: Miaro ny fahalalaham-pitenenana
Mihoatra ny zato ny mpoina ao Hong Kong no nidina an-dalambe hanambara amin'ny hafa fa mihemotra ny fahalalaham-pitenenana any aminy tamin'ny 22 Febroary 09 lasa teo. Ny Citizens’ Radio no namolavola ny fihetsiketsehana ary notohanan'ny fikambanana mpiaro ny demaokrasia sahala amin'ny Save RTHK Campaign (fanentanana hiarovana ny Radio Televiziona Hong ...
2009-02-22
Shina: Manao atsangory eo ambozon'ny filoha Mao
Tamin’ny 19 Febroary, dia mivezivezy aty anatin’ny aterineto ny sary izay mampiseho ankizivavy iray atao atsangory eo ambozon'ny Filoha Mao. Ekena fa sarivongana mijoro ao Plaza ao Hunan ilay nosoavaliny , tanàna fiavian’ny Mao io. Kanefa, nvetivety monja dia nameno ny voalohan'ny takelaka maro ny sary, ary nahazo tsikera miisa ...
2009-02-20
Sinoa: May ny CCTV
Ny alin’ny 9 Febroary, tratran’ny afo ny ampahan’ny tilikambon’ny Ivo-toerana Televiziona Sinoa (China Central Television (CCTV)) rehefa nandrehatra afomanga entina hankalazana ny fankalazana ny fetin’ny arendrina ny vaomiera mpikarakara. Nahafatesana mpamono afo iray ny hain-trano araka ny tatitra, nandratrana olona fito, nandravana fitaovam-pampielezam-peo mitentina lavitr’isa Yuan maromaro (milliards).
Nahatsikaritra ny ...
2009-02-19
Shina: Haintany ratsy indrindra tao anatin’ny 50 taona
Namely ny 43% n’ny varimbazaha vokarin’ny firenena ny hay tany ratsy indrindra tao anatin’ny 50 taona, izay nipaka hatrany amin’ny faritany 12 sy ny velaran-tany mihoatra ny 9 300 hektara, ao amin’ny faritra avaratry Chine. Nampitandrina ny birao miahy ny faritany sy ny birao avo miady amin’ny haintany fa ...
2009-02-15
Hong Kong: Nihemotra ny volavolandalàna momba ny fifidianana…………. Resak'alika izany!
Raha toa ka ny fifanarahana tahaka ny filan-kevitry ny fifidianana no nanjary “adin’alika” eo imason’ireo ikoizan’ny lalana , Inona kosa ary izany no anjara asan’ny filan-kevitra momba ny fifidianana? Eny fa na dia ny tanjaky ny adin’alikan’ireo mpanao lalana LSD aza dia rava, mety hisy fanarenana mendrika ao amin’ny lamina tsy ara-demokratika ve ny ady hevitra eo amin’ny filan-kevitry ny fifidianana?




