Tantara mikasika ny Shinoa tamin'ny Septambra, 2013
Mety Hampigadra Anao Telo Taona Ny Fahazoana Retweets 500 Any Shina
Mety higadra hatramin'ny telo taona ny mpiserasera iray milaza vaovao diso ka manala baraka na manimba ny tombontsoam-pirenena raha mihoatra ny 5000 ny nahita izany na nisy nampita in-500.
Aza atao hoe An-tapitrisa Matin'ny hanohanana Nandritra Ny Mosary Goavana Tany Shina. Andramo kokoa ny hoe “Fahafatesana Noho Ny Sakafo”
Vao haingana dia nilaza ny profesora iray fa honohono fotsiny ireo vinavina teo aloha milaza fa olona 30 tapitrisa no maty nandritra ilay Mosary Goavana tao Sina. Araka ny ambarany dia 2.5 tapitrisa no "fahafatesana noho ny sakafo" naterak'iny vanim-potoana sarotra iny
Profesora Shinoa Naato Tamin'ny Fampianarana Lalampanorenana
Tsy vao sambany tsy akory ity profesora tsy maty am-bavany avy ao amin'ny Oniversiten'ny Politika sy Lalàna Shina Atsinanana ao Shangai antsoina hoe Zhang Xuezhong ity no voasazy noho ny fanehoany ny heviny.