· Marsa, 2013

Below are posts about citizen media in Chinese (Traditional. Don't miss Global Voices 繁體中文, where Global Voices posts are translated into Chinese (Traditional! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Shinoa tamin'ny Marsa, 2013

Androany Tibet, Rahampitso Hong Kong?

  29 Marsa 2013

Mafana fo amin'ny tambajotra any Hong Kong no nikarakara fihaonambe hanehoany ny firaisankinany amin'ny Tibetana teo amin'ny fitsingeran'ny faha 54 taonan'ny Andro Firohotana Tibetana tamin'ny Alahady 10 Martsa 2013. Maro amin'ireo mpandray anjara nanatrika ny fihaonana no mihevitra fa tokony handray ny lesona avy amin'i Tibet ny vahoakan'i Hong Kong mba tsy hiverenan'ny tantara any Hong Kong.

Bilaogera Shinoa Notànana Rehefa Avy Nataon'ny Polisy Famotorana

  22 Marsa 2013

Notànana ilay poety Shanghai rehefa avy nataon'ny polisy Shinoa famotorana taorian'ny fandefasany lahatsoratra tao amin'ny bilaogy madinika malaza Sina Weibo, izay miantso ireo mpanaraka azy hiara-hirona hitsangatsangana manamorona ny renirano Huangpu ho fanairana ny saina ao amin'ny lalan-drenirano izay nahitana vao haingana ireo fatinà kisoa 15.000 nitsingevana. Tamin'ny voalohany nahitana ireo fatinà kisoa tamin'ny...

Voasivana Ny Media Sosialy Taorian'ny Vato Tokana Manohitra Ilay Filoha Vaovao

  20 Marsa 2013

Niharan'ny sivana ny media sosialy Shinoa noho ny adihevitra mikasika ilay olona tsy fantatra nandatsa-bato tokana manohitra ny fanendrena ofisialy ny lehiben'ny kaominista Xi Jinping ho filoha. Nandritra ny fandahatsa-bato miezinezina, araka ny efa nampoizina, voafidy ho filohan'i Shina tamin'ny vato 2.955 mankasitra azy sy telo tsy nifidy i Xi tamin'ny 14...

Noho Ny Hetsi-panoherana, Lavin'i Taiwan Ny Fidiran'ilay Mpivahiny Mpanohitra Ny Nokleary

  10 Marsa 2013

Lehilahy Alemana iray izay nilahatra taminà hetsi-panoherana ny nokleary natao roa taona lasa izay [zh], tao Taiwan, no voatàna tao amin'ny seranampiaramanidina iraisampirenen'i Taiwan sady nolavina ny fahafahany miditra [zh] ao amin'ny firenena, tamin'ny 8 Martsa 2013, andro iray nialoha ny nikarakaran'ireo mpanao hetsi-panoherana hetsika iray goavana hanoherana ny resaka nokleary tao an-toerana.

Nambabo Ny Fon'ireo Media Vaventy Fa Tsy Naharesy Lahatra Ny Mpisera Anaty Aterineto i Fu Ying, Mpitondra Teny Vaovaon'ny Parlemanta Shinoa

  08 Marsa 2013

Nambabo ny fon'ireo media vaventy i Fu Ying, mpitondra teny vaovaon'ny parlemanta, tao anatin'ilay kabariny fandraisana voalohany ny asany nataon'ny ho an'ny mpanao gazety, saingy ireo mpisera ety anaty aterineto manao jery maika eny antsefantsefan'ny fanamarihany eny kosa dia niahiahy hoe mbola mpanao kobaka am-bava tsy misy toy izany i Fu, fa ny politika teo ihany no tohizany.

Nanolotra Tatitra Farany Ho An'ny Parlemanta Ny Praiminisitra Shinoa Wen Jiabao

  07 Marsa 2013

Tamin'ny 5 Martsa 2013, noho ny fandehanan'ny Praiminisitra Wen Jiabao hisotro ronono, namaky ny tatitra momba ny zava-bitan'ny governemanta teo imason'ireo mpitati-baovao sy mpanao lalàna tao amin'ny Efi-trano malalaka ao Beijing nandritra ny fivoriana isan-taoana fanaon'ny parlemanta izy, fotoana farany ahitana azy  mikabary ho an'ny firenena ao amin'ny fahitalavitra. Ny tatitra lavabe momba ny...

Ireo pejinay momba an i Shinoa

zht