Tantara mikasika ny Shinoa tamin'ny Desambra, 2012
Tongava Ao Shina Mandritra ny Krismasy Mba Hankafy Ny Fahalalaham-pivavahana!
Sampana iray ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa, ny Global Times, izay namoaka lahatsoratra momba ny Krismasy ka manasa ireo Shinoa mpanara-baovao mpila-ravinahitra mba hoavy hankalaza ny fety ao Shina [zh] mba hahita maso ny fomba fankalazan'ny mponina Shinoa ny Krismasy manerana ny firenena. Ho setrin'ireo tsikera maro sosona momba ny filazana fa...
Nahatratra An'i Shina Tampoka Ny Hetsi-panoherana Tsy Mahazatra Any Pékin Entina Hanoherana Fiaran-dàlam-by Express
Nahatratra mpampiasa aterineto Sinoa maro ny hetsi-panoherana iray nentina hanoherana ny Làlam-by Express any afovoan-tànanan'i Pékin ny 9 Desambra. Mino ny sasany fa fambaranà fanovana politika lalina izany, raha mitana ny fofon'ainy kosa ny hafa ary mampifandray ny tànany.
Ny Fahasamihafan'ny Lahatra Ho An'Ireo Shinoa Roa Nahazo Ny Loka Nobel
Nankany Stockholm ilay nahazo ny loka Nobel-n'ny Haisoratra tamin'ity taona ity, Mo Yan , mba handray ny lokany. Mifanohitra amin'izany, mbola any am-ponja any Shina ilay nahazo ny Loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana tamin'ny 2010, Liu Xiaobo, ary any aminà trano voaara-maso i Liu Xia vadiny .
Mangina Amin'ny Voina ao an-Toerana ny Media ao Shina
Ankizy 20 no maty nandritra ny tifitra variraraka tany Connecticut, Etazonia tamin'ny 14 desambra 2012. Tonga dia nahahenika an'i CCTV manerana an'i Shina iray manontolo ny vaovao mampalahelo ary lohateny lehibe tamin'ny gazety tany Shina. Nandritra io andro io ihany dia nisy voina hafa nitranga tao afovoan'i Shina tao: nisy lehilahy iray nanatsatoka...
Fa Maninona no Tian'ny Olona ny Asam-Panjakana ao Shina?
Nahatratra hatramin'ny 1,12 Tapitrisa ny Sinoa niatrika fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana, ny 25 Novambra 2012 teo, izany hoe nahitana fitomboana 150.000 noho ny tamin'ny taon-dasa, araka ny tatitry ny mpiasan'ny sampandraharaham-panjakana misahana ny asam-panjakana. Mpianatra amin'ny anjerimanontolo ny ankamaroan'ireo mpiadina, mifaninana amin'ny toerana voafetra ho 20.000 amin'ny asam-panjakana izy ireo. Mihoatra ny...
Hatrany Ivelany Ny Fanoherana Ny Ampihimamban'ny Media ao Taiwan
Rehefa nahazo ny 60%n'ny petrabolan'ny fantsom-pahitalavitra andoavam-bola faharoa lehibe indrindra ao amin'ny firenena tamin'ny volana jolay teo ilay orinasa fanaovan-gazety ao Taiwan Want Want China Times Group, dia mbola niitatra izany izy tamin'ny volana Novambra teo, raha nahazo ny 32%n'ny petrabolan'ny gazety be mpividy indrindra Apple Daily [zh], izay an'ny orinasa miorina...
Jackie Chan: “Lasa Tanànan'ny Fanoherana i Hong Kong”
Niteraka hatezerana tao Hong Kong ilay mpilalao sarimihetsika sy kintan'ny haiady Kung Fu , Jackie Chan, taorian'ny nitenenany tanaty tafatafa iray hoe : “Lasa tanànan'ny fanoherana i Hong Kong, mibedibedy an'i Shina sy ireo mpitarika azy isika, mibedibedy mikasika izao zavatra rehetra izao isika ary te-hanohitra amin'izao zavatra rehetra izao."
Manampahefana Shinoa Tratra An-Tsary Nanao Firaisana Ara-Nofo Sy Ny Ady Amin'ny Kolikoly
Ny ady amin'ny kolikoly no lasa fandaharan'asa fototra ho an'ny Antoko Komonista Shinoa hatramin'ny nanatanterahana ny Kongresy Nasionaly faha-18. Nampitandrina [zh] ny mpikambana kongresin'ny antoko komonista [CCP] shinoa rehetra nandritra ny fivoriana voalohan'ny Komity Foibe ny Sekretera Voalohan'ny CCP voafidy Xi Jinping fa raha mbola mitohy ny olana momba ny kolikoly...
Marary i Taiwan : Hoy Ireo Mpianatra Manao Hetsi-Panoherana Mantsy Ny Minisitry Ny Fanabeazana
Satria ilay vondrona media ao Hong Kong , Next Media Ltd., nanambàra ny fanapahan-keviny hisintaka ny tsena ao Taiwan, dia lasa tena faran'izay mampatahotra ny ampihimamba atao amin'ny media ao Taiwan. Mino ireo mpianatra sady mafàna fo fa marary i Taiwan ary efa miha-lò ny fototry ny fahalalahany ka dia miantso tsy misy hatak'andro ny fanaovana lalàna mandràra ny fanaovana ampihimamba amin'ny media ry zareo.
Nahoana no Mandao an'i Shina Ny Mpandraharaha Mpanankarena Shinoa?
Mandao an'i Shina ny mpandraharaha Shinoa. Araka ny fitsapan-kevitra, notarihan'ny China Merchants Bank and Bain & Co., 27% isan-jaton'ny mpandraharaha manamboloa mihoatra ny 100 arivoarivo [tapitrisa] RMB no efa nifindra monina ary ny 47% heverina fa nivoaka nankany ivelany. Miteraka lonilony eo amin'n fiaraha-monina shinoa izany