· Jona, 2012

Below are posts about citizen media in Chinese (Traditional. Don't miss Global Voices 繁體中文, where Global Voices posts are translated into Chinese (Traditional! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Shinoa tamin'ny Jona, 2012

Shina: Noteren'ireo Mpiasam-panjakana Mpanao Kolikoly Hanala Zaza Nefa Efa Tara Loatra

  29 Jona 2012

Nieli-patrana manerana ny fampahalalam-baovao sosialy sy ny sehatra fitorahana bilaogy kiritika ka niteraka fenehoan-kevitra an-katezerana ny sarinà vehivavy iray tao amin’ny faritanin’i Ankang Shaanxi, ao Shina noterena hanala zaza tamin’ny fotoana efa tara. Mpitranga matetika ny karazan-javatra toy izao saingy tsy vitan’ny lalàna sinoa ny manafay ireny fihetsika ireny. Izany no antony mahatonga ireo mpanankarena mandao an’i Shina.

Shina: Li Wangyang Gadra Politika Noho Ny Raharaha Tiananmen, Hita Maty Nihantona

  13 Jona 2012

Li Wangyang, Shinoa iray gadra politika izay nandany betsaka tamin'ny androm-piainany tany am-pigadrana, dia hita maty ny marainan'ny Alarobia 6 Jona 2012, taorian'ny resadreska nataony ho an'ireo mpampahalala vaovao avy any ivelany mikasika ny vonomokan'ny 4 Jona (Kianja Tiananmen) tamin'ny 1989 sy ny fiainan'ireo gadra politika ao Shina. Ny fahafatesany dia niteraka ahiahy mikasika fitaka.

Shina: Avela Heloka Ny Mpandripaka Olona Tao Tiananmen?

  07 Jona 2012

Nandritra ny fotoana fiareta-tory fanao isan-taona tamin'ny 4 Jona 2012 tao Hong Kong no nanoratan'ilay mpitarika mpianatra teo aloha Chai Ling tao amin'ny Huffington Post fa efa navelany ny heloky ny mpamono olona nandritra ny fandripahana. Tsy manaiky izany ijoroan'i Chai Ling izany ny mpitarika mpianatra iray hafa Wang Dan ka namoaka fanambarana ampahibemaso izay niteraka adi-hevitra.

Shina: Maniry An'i Confucius Hody Ny Mpiserasera

  03 Jona 2012

Ny nanambarana ny fisian'ny politika vaovao amin'ny famoahana “visa” (fahazoan-dalana hiditra malalaka ao amin'ny firenena vahiny iray) ny Departemantam-panjakana Amerikana no nampitodika ny tontolom-bilaogy Shinoa tany amin'ny Ivotoerana Confucius. Mitaky ny fankatoavana Amerikana ny Ivotoerana manana endrika Anjerimanontolo araka ny toromarika vaovao, nivoaka tamin'ny 17 Mey 2012 mba ahafahan'ny manampahaizana sy...

Ireo pejinay momba an i Shinoa

zht