Below are posts about citizen media in Catalan. Don't miss Global Voices en Català, where Global Voices posts are translated into Catalan! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Katalana

‘Afaka Manampy Manazava Amin'Izao Tontolo Izao Mikasika an'i Katalonia ny Global Voices’

  26 Marsa 2013

Dinidinika niarahana tamin'i Violeta Camarasa, mpamoaka lahatsoratra amin'ny fiteny Katalana ao amin'ny Global Voices Online. Nasehon'ny Global Voices Català nandritra izay volana maro lasa izay fa manana ny traikefa hanazava amin'izao tontolo izao mikasika an'i Katalonia izy, manampy ny vaovaon'ny haino aman-jery fototra izay tsy mandraharaha ny tantara eo amin'ny faritra.

Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra

  26 Novambra 2012

Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny fampielezan-kevitra manantantara ity.

Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”

  25 Novambra 2012

Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.

Espaina: Nandefa Lahatsary Mampiady Hevitra ny Antokon'ny Fampiraisam-Pirenena Katalana

  13 Novambra 2012

Handeha handatsa-bato ny Katalana amin'ny 25 Novambra 2012 hoavy izao, izay fifidianana naroso alohan'ny fotoana. Taorian'ny 11 Septambra nisian'ny famoriam-bahoaka mpitaky ny fahaleovantena tao Barcelona, izay olona maherin'ny iray tapitrisa no tonga nidina an-dalambe hitaky ny fisarahan'i Katalonia amin'i Espaina, toa lasa karazana fankalazam-bahoaka hametrahana an'i Katalonia ho firenena (antenaina ho) mahaleotena...

Espaina: Tsy Fifanarahana Taorian'ny Fanafoanan'ny Fitsarana Tampony Ny Fampidirana Ny Catalan

  21 Jolay 2012

Nibahan-toerana tanteraka tao amin'ny blogosphère ny adihevitra momba ny fiteny Catalogne, hatramin'ny fotoana nanafoanan'ny Fitsarana Faratampony Espaniola ny fampidirana ny fiteny ho an'ireo ankizy eo anelanelan'ny telo ka hatramin'ny enin-taona. Ampiasaina ny filonana amin'ny fiteny mba hanomezana antoka ny fahaiza-mifehy ny Catalan ho an'ireo manana tenin-dreny amin'ny fiteny hafa.

Ireo pejinay momba an i Katalana

ca