Global Voices teny Malagasy » Bangla
Bangladesa: Ny fahitan'ireo nody an-tanindrazana azy
Betsaka vondrona teratany niasa tany ivelany ary nody an-tanindrazana ao Bangladesh ka maro amin’izy ireny no miasa an-tsitrapo na mikarama amin’ireny fikambanana maro tsy miankina amin’ny fanjakana ireny. Tsy vitsy amin’izy ireny koa no mitoraka blaogy sy mizara ny zavatra niainany izay sady zava-marina loatra no voaporofo, fa tsy mba toy izay ambaran’ireo mpampahalala vaovao iraisam-pirenena momba an’i Bangladesh. Ireny fomba fijery ireny dia tena ilaina tokoa ho an’ireo tonga hitsidika an’i Bangladesh ary koa ho an’ireo Bangladeshis (ilazàna ny olona avy any Bangladesh). Anatin’ny hafatra voalohany amin’ity andiany ity dia asiako fanamarihana manokana ny amin’ireo teratany nody an-tanindrazana ka mitoraka blaogy, sy izay resaka ambaran’izy ireny
Nikkibomb ao amin’ny  Amar Bangla Na dia nandeha tany amin’ny  Tangoron-tendrombohitr’i Chittagong ary  manoratra fa:
Ireo Tangoron-tendrombohitr’i Chittagong  dia maitso màvana mandrakariva. Na aiza na aiza jerenao, marevaka ery ny lokony toy izay tian-dry zareo Bangladeshis entina rahateo.
Estelle Visagie koa dia tany amin’ny Havoana tao Rangamati izay nifanenany  tamina vehivavy bodista telo (nonnes) ka nanomezan’izy ireo azy ny Anarana Chakma.
Sara, izay mianatra sy manao fikarohana, tohanan’ny Fulbright, dia namoaka sary maro sy ny zava-niainany tamin’ny fifangaroana tamin’ireo Bangladeshis.
Natiora any Bangladesa; Durgapur, Netrokona, avy amin’i Ariful Haque Bhuiyan (http://www.flickr.com/photos/arifbd111/3401682813/),mampiasa ny Creative Commons license
Amy Moyer izay nandositra ny fiainana feno tebitebin’ny renivohitra no manoratra:
Nofarananay tamin'ny fitsidihana tanàna iray mpanamboatra fitafiana Jamdani norariana tamin'ny tànana ny dianay. Tena manify ny Jamdani, lamba tena maivana izay fahaizana manokana mampiavaka an'i Bangladesh. Raha ny tantara momba ny akanjo  Jamdani sari, izay mirefy tokony ho 13 metatra eo ho eo, dia tokony ho afaka aforitra hitovy habe amin'ny tranon’afokasoka izy. Tsara fanahy sy falifaly ery ireo mponina namela anay nandray anjara tamin’ny rary. Tena tsy azo veroka mihitsy,  ary ny tsininy dia ry zareo tsy nandray karatra Visa.
Meandering Memos izay nitsidika toeram-pamokarana asa tànana iray  tany Narayanganj, akaikin'i Dhaka izay ahitàna vehivavy 26000 miasa dia manoratra hoe:
Sary manaingo ny akanjo Sari – Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe ireo haingon’akanjo rehetra ireo dia natao tànana daholo! Tena asa mila fotoana be tokoa. Ireo loko ampiasain-dry zareo dia avy amin’ny akora voajanahary avokoa.
Jacob and Sanna's blog dia midera ny ‘Bangla', tarika  Bengali mpiangaly ny gadona ankehitriny:
Hafa ity vondrona ity — hain-dry zareo tsara ery ny manome kalitao lafatra ny fanafangaroana ny gitara tandrefana & gitara beso sy ny amponga ary ireo gadona malàza, vokatry ny tany,  izay laroin’ny feo mahagagan’ny mpihira fototra ao aminy, Anusheh.
Valerie ao amin’ny from Spa-Ha to Bangla dia roa volana izao no eto an-tanindrazana mba hamangy ny vadiny. Nandany andro iray manontolo mihitsy izy mba hitàna ny toeran'ny vady ao an-tokantrano any Bangladesh  renivohitra  Dhaka ary manamarika hoe:
Ity no iray amin'ireo andro mora indrindra hatramin’izay namoahako vola. Ny fitambaran’ny fikarakaram-bàtana tany amin’ny spa dia 600 taka, latsaky ny $10. Nomenay karama betsabetsaka ihany ny mpamily sy ny mpikarakara ny ao an-trano ary dia nolazaina fa adala mihitsy izahay tamin'izany, ary dia mahazo $4.30  sy $7 isan’andro tsirairay avy izy ireo.  $1/ora no hofan'ny kianja filalaovana Tennis. Tena varo-boba raha ny vidin-tsakafo hany ka mahamenatra na dia ny hitaky famerim-bola aza.
Sonargaon, renivohitr’i Bengal taloha. Sary avy amin’ny Flickr an’i Shubho Salateen (http://www.flickr.com/photos/shubho/242268273/) ampiasana ny  creative commons license
Bernie Allen ao amin’ny  Life and Work in Dhaka city dia nitsidika an’i Sonargaon, iray amin’ireo renivohitra ntaolon’i Bengal. Manoratra izy:
Ny Fitehirizam-bakoka momba ny fomban-dràzana, izay isan'ny anton-diako, dia ahitàna ireo zavatra rehetra maneho ny endrika ara-kolontsain'ny firenena, ary ny zaridaina ao dia tena mahafinaritra tokoa.
Niampita ny reniranon’i Buriganga, izay mikoriana ao akaikin'i  Dhaka koa izy. Mieritreritra izy fa tandindonin'ny loto io renirano io ary “tsy dia isan'andro no ahitana tsy fitohanana na fihontsonkontsonana eo, toy ireny làlana any an-tànan-dehibe ireny ihany!”
Heather ao amin’ny A Bangladesh Adventure dia namoaka sary vitsivitsy maneho ireo fiara samihafa ao an-tanànan'i Dhaka.
Ary farany nefa tsy ny kely indrindra,  Caroline ao amin’ny Burkhas, Bibles and Bangladesh dia manome lisitra ahitàna ireo zavatra 20 mety ho efa fantatrao na tsia momba an’i Bangladesh.
Bangladesh: Fahanam-bolongana tsikelikely ny fifidianana
Ao anatin'ny ora vitsivitsy (29 desambra) dia hifidy ny antenimiera fahasiviny ny Bengalis miisa 81 arivoarivo (51% n'ireo ny vehivavy). Kihondalana lehibe eto amin'ny firenena ity fifidianana ity fa haverina indray ny demaokrasia rehefa nitondra azy tao anatin'ny hamehana nandritra ny tetezamita roa taona ny hery mitam-piadiana [miaramila].
Efa niresadresaka momba ny fampiasana ny aterineto mandritra ny fampielezankevitra sy ny asa fampahafantarana ny fifidianana isika tany alohaloha tany. Ankehitriny indray isika manana fivoarana mahaliana.
Nampiditra ny twitter ho fototry ny vondrona famahanam-bolongana azo andefasan-kafatra amin'ny alalan'ny web na finday (sms) hanapariahana ny vaovaon'ny fifidianana aelin'ny mpiserasera ny Somewhere in, orinasan-drindrambaiko sa dy mpamakilay tamin'ny vondrom-bolongana bangla manerantany. Azo alefa mivantana amina sarintany ifandrimbonana ahafahana mijery ny vaovao any am-potony ihany koa ny  hafatra.
Arild Klokkerhaug, filohan'ny Opportunities of Somewherein dia manankambara toy izao amin'ny mpilatsaka hofidiana:
Ry Mpilatsaka hofidiana amin'ny fifidianana ho antenimieran'i Bengladesh 2008:
Ity misy fanamarihana kely lazaiko anao sao mbola tsy fantatrao, fa tsy resaka fitadiavam-bola toy ny nahazatra intsony ny fifidianana sy ny fifikirana mafy amin'ny sezam-pahefana ao amin'ny Antenimiera. Rahampitso, dia afaka mahahenika an'izao tontolo izao izay vaovao farany avoakan'ny mpamaham-bolongana.
Sambany amin'ity indray mitoraka ity, eo amin'ny tantaram-politikanareo, no manaramaso anareo ny mpitoraka blaogy. Tsy ireo manam-pahaizana vitsy kely ihany, fa 30 000 izahay mpamaham-bolongana Bangla no mitazana anareo. Vondrona blaogy maro samihafa no anaoratanay ary saiky vakiana isam-pirenena manerantany ny soratray.
Hanampy anareo izahay amin'ny ezaka ataonareo hananganana firenena matanjaka sy tsy mena-mitaha ary hampiely ny vaovao tsara amin'izao tontolo izao. Nefa, dia hotazoninay ho tompon'andraikitra ianareo ary hotaterinay izay jabaka rehetra [vitanareo]. Tsy hanadino na oviana na oviana ny blaogy, tsy hangina mandrakizay ny mpitoraka blaogy, tsy mahalala sisintany ny aterineto. Ka ataovy ara-drariny izy ity.
Ny fitaovana hampiasain'ny mpamaham-bolongana:
hifampizara vaovao tselatra eo amin'ny microblog-mpifidianana
- misoratra anarana dia manindry ny 5455 amin'ny aterineto na sms : ! hafatrao
afaka mandefa mivantana ny sms eo amin'ny sarintany ifandrimbonana ny mpamaham-bolongana
- mandefa sms amin'ny 5455: ! hafatrao @toerana ka jerena ny disthrikany
afaka manadihady sy mitantara eo amin'ny bolongam-pifidianana ny mpamahambolongana
Afaka mizara ny vaovaon'ny microblogs (bolongana madinika) farany amin'ny bolongana rehetra ny mpamaham-bolongana
Ny fitantarana mivantana, ny lahatsary isan-karazany ary ny fandraisam-peo (sy sary) amin'ny aterineto ny valim-pifidianana dia azo jerena amin'ireto vohikala ireto:
The New Age
E-Bangladesh
Amar Blog (Bangla)
BDNews24.com
Manolotra ny widget manome ny vaovao faran'ny fifidianana (amin'ny teny bangla) ary azo apetraka mahazo ny ankilan'ny lahatsoratry ny bolongana rehetra ny sehatra hafa momba ny famahanam-bolongana sachalayatan.
Rezwan
Fikambanana Tononkalo Eran-Tany: ny andriambavilanitra no mitazona ny atsasaky ny lanitra
Amin'ny andro  fifakalazana ny Andriambavilanitra eran-tany, y Kathy Ward avy amin'ny Rising Voices sy Nari Jibon dia nanome hevitra hoe ahoana moa raha mba anao fikambanana tononkalo eran-tany ao anatiny  mpanao blaogy ny Rising Voices. Nomena erin-andro ny mpiblaogy anoratra  tononkalo  momba ny andriambavilanitra:
Tononkalo 10 no vaosoratra avy amin'ny Colombie, Bangladesh sy Madagasikara. Ireto telo reto no vaosafidin' Kathy Ward sy ny namany mpanoratra tononkalo.
Paceñita / Cristina Quisbert
Priority
by Sufia-734 of Nari Jibon
(Originally written in Bangla - Translated by Kazi Rafiqul Islam)
Time has come now
To stand for that we need
Not equality, but priority.
Upright
We want to open our heart
Express our mind
For that we need
Not equality, but priority.
Fathers can be cruel even
Mothers cannot.
Mothers can sacrifice
Fathers cannot.
That is what women are
We can do everything.
Combating with sorrow
Win happiness.
No more shall we endure injustice
No more shall we remain within the four walls.
Time has come to open ears and eyes
To protest against unfair deeds.
For that we need
Not equality, but priority.
“Laharam-pahamehana
Tonga ny fotoana,
hijoroana ho any izay ilaina,
Tsy ny hitovizana fa ny laharam-pahamehana,
Hisokatra ny fo
Hiteny ny ao an-tsaina
Satria ny ilaina dia,
Tsy ny hitovizana fa ny laharam-pahamehana,
Ny kiaky indraindray dia masika,
Ny reny tsy afaka,
Ny reny afaka mandefitra,
Ny kiaky tsy afaka,
Ny vehivavy afaka manao an' izany rehetra izany,
Miady na malahelo,
Mahazo hafaliana.
Tsy hiaritra ny tsy rariny intsony.
Tsy ho voatozana ao anaty ny rindrina hitsony.
Tonga ny fotoana anokafana ny maso sy ny sofina,
Hijoroana ho any izay ilaina,
Tsy ny hitovizana fa ny laharam-pahamehana.
Women road repair crew, Kathryn Ward, Dhaka, 2004
I Poupoune , FOKO  Toamasina, Madagasikara.
NY VEHIVAVY
Vatolampy fehozoro ny nehivavy, ka zava poana raha tsy misy azy
Eny fa ny fo fanfahy dia atolony avokoa,ary miaraka @ dia ho tody ny soa
Herin'ny tokan-trano anie izy hatramin'izay, koa dera sy laza no atolotray
Indro anefa ireo zava bitany, hojoro ho mandrakizay, ka tsy ho toy ny rozy malazo ho dinganinay
Vola sy harena tsy misy raha jerena, fa raha lavitra anao dia ssento sisa atao
Anaovana hery setra sy verin-jo tanteraka, anefa dia mitalaho any @
Voninkazo midoroboka mamirapiratra tahaka riva
 Koa masoandro mamiratra tokoa anie isika,
Izay mitondra fahasambarana sy fifaliana, 
Hoan'ireo rehetra maminitsika
THE WOMAN BEING
Poem by: Camila Urrea Morales (Colombia)
Translated by: Carolina Vélez López of HiperBarrio.
EL SER MUJER
En un principio, aún incierto, apareció la mujer, un ser creado fibra a fibra de azúcar, adornado con tanto hilos dorados como sentimientos, un ser que se derrite con cada palabra que infunde fuego en ella, y que se enfría, levantando la pared más fuerte, con aquellas que llegan como témpano ante ella. Luego, aparece aquella cubierta que es más que piel, una cubierta conductora de emociones, de latidos, de vibraciones. Y apareció la mujer, y con ella la dulzura de las cosas hechas con la delicadeza que nada más se encuentra en ese ser.
Ny mahavehivavy-
Indray andro lasa izay, tsy mbola fantatra hoa oviana, dia nipoitra ny vehivavy, voary vita tamin'ny voan-tsiramamy, niravaka kofehim-bolamena ohatry ny fihetsiky ny fo, voary nitsonika niaraka tamin'ny teny izay nandrehitra azy avy tao anaty, ary izay nihanangatsiaka nanamafy ny rindrina,  niaraka tamin'ny teny izay tonga taloha, teo anatrehiny.
Avy eo izy dia niseho sahala nirakotra tsara noho ny hoditra, fitafihiana mitondra fihetsem-po sy fitempon'ny fo. Nipohitra ary ny vehivavy, niaraka taminy ny hamamin'ny zava-bita amin'ny kaly izay tsy hita raha tsy ao aminy.
Ary amin'ny tononkalo farany dia i  Sipakv, izay  ray amin'ny mpitazona ny  FOKO-Madagascar.
“Lehilahy iza no ho tamana amin'izao”
-Tsia ange fa izy no te handeha
-Ka tsy handeha ve izy
Vehivavy nilaozambady ianao
Manala baraka anay
Manala baraka fianakaviana
Jereo ity volonao
Jereo ity tarehy
Jereo ity sakafo
Jereo ity trano mikorontana
Lehilahy iza no ho tamana amin'izao
-Koa mba efa niezaka ao re
Ny volo notapahina, natao plaquage
Ny tarehy nohosorana diloilo manitra
Ny sakafo niezahana hatsiro isan'andro
Ny trano ampirimina
Kanefa ange Ikoto sy Ikala
Mitaky fitiavana sy fikarakarana
Ny sakafo adino eo ambony fatana
Ny trano voakorontana
Angaha misy hitany akory
Izy anie ka mody alina
Mamom-behivavy hafa sy toaka
Domelin'ny hatezerana
Fa ratsy hono ny fiainanay
Ratsy taiza hono ny ankizy
Ratsy tarehy hono ny vadiny
Vehivavy hafa hono no tadiaviny
Koa dia ny fahareseny no vonoiny
Vonoiny amin'ny tavako sy ny vatako
Vonoiny isan-kariva fa tsy mety voafafany
Tamin'ny farany teo efa tonga ny fokonolona
Dia nohafatrafarana aho hoe
Vehivavy ka mihareta
Mihareta hatramin'ny farany
Fiharetana eto an-tany
Hatramin'ny nikororosian'ny lanitra eo ambony
Tonga teo ingahy mompera nilaza hoe
 Tsarovy Victoire Rasoamanarivo
Fa tsy fahasambarana any ankoatra anie no tadiaviko
Fa mba kosa filaminana ho an'Ikoto sy Ikala
Tonga ianao androany ry Neny ka hoe
Efa izy no anjara
Fa vono olona ve no fetra
Ary fanagejana no lahatra
 satria ho aiza moa
Fa izaho dia vehivavy tsy miasa?
Ka dia aleo re ry mama…
-
Jereo ity volonao
 Jereo ity tarehy
Jereo ity sakafo 
Jereo ity trano mikorontana
Lehilahy iza no ho tamana amin'izao…
Torolalana fampianarana ny olom-pirenena manerantany te-hamoaka vaovao
Amim-piravoravoana no ilazan’ny Rising Voices ny boky voalohany amin’ny andiana torolalana hanazava amin’ny mpamaky tsy maharaka ny teknika ny fahalalana fototra momba ny Olom-pirenena mamoaka vaovao (na fantsom-baovaon’olom-pirenena).
Ny torolalana voalohany, An Introduction to Citizen Media, (fampidirana ho amin’ny fantsom-baovaon’olom-pirenena) no maneho ny trangam-piainana andavanandron’olotsotra manerantany tsy mitsahamitombo noho ny fampiasana bolongana an-tsoratra, am-peo, an-dahatsary ary an-tsary voakaly ka mifanantona hiresaka tsy misy mpanelanelana tsy voasakan’ny halavirana, kolontsaina ary ny fahasamihafam-pitenenana. Ao amin’ny teny fampidirana:
A change is taking place in how we communicate.
Just ten years ago we all learned about the world around us from newspapers, the television, and radio. Professional journalists would go to faraway places and bring back stories, photographs and videos of the situations they witnessed and the people they met.Sometimes at dinner we talk about these stories with our friends and family. But ten years ago we rarely, if ever, communicated directly with the journalists themselves. Leading members of society wrote editorials expressing their opinions about various issues, but the rest of us could only share our opinions and thoughts with a small group of friends.
Over the last few years everything has changed. Thanks to new tools like weblogs, it is now possible to easily publish to the Internet. From Turkey to Kenya to Bolivia, everyday people like you and me are starting to share their stories and opinions with the rest of the world.
While this new form of communication is now freely available to anyone, most of the people participating still live in the wealthy neighborhoods of urban cities.
The purpose of this guide is to show that anyone with an internet connection can participate in the emerging global conversation. Our understanding of the world is now shaped not just by the newspapers and television, but also by each other.
Ny fomba fampitantsika no ivombesatry ny fiovana.
Vao folo taona lasa izay dia tamin’ny alalan’ny gazety, fahitalavitra ary fandefasam-peo no ahafantarantsika rehetra ny momba an’izao tontolo izao manodidina antsika. Ny mpanao gazety matihanina no mandeha any amin’ny toerana lavitra indrindra vitany ary mivatsy ny tantara, ny sary ary ny lahatsary hitany sy ny olona nifanena tafaresaka taminy.Eo ampisakafoanana isika indraindray no miresaka amin’ny namana sy ny fianakaviana ireny tantara ireny. Saingy tamin’izany folo taona lasa izany dia tena ankavitsiana no niresahantsika mivantana tamin’ireny mpanao gazety ireny. Ny Olobe eo amin’ny fiaraha-monina no nanoratra ny matoandahatsoratra ilazany ny heviny amin’ny lohahevitra samihafa, fa isika ambiny kosa dia ireo namantsika vitsivitsy ihany no mba hifampizarantsika ny hevitsika sy izay eritreritsika.Saingy niova izany taona vitsivitsy lasa izay. Isaorantsika ny fitaovana vaovao toy ny weblogs (nogasiako hoe bolongana), ankehitriny manko dia tsotra ny fampielezana amin’ny alalan’ny aterineto. Hatrany Torkia, any Kenya ka hatrany Bolivia, olotsotra tahaka ahy sy ianao izao no manomboka mizara ny tantarany sy ny heviny amin’izao tontolo izao.
Raha azon’ny olon-drehetra atao eo ampelatanany ity fomba fifaneraserana vaovao ity, dia ho maro hatrany ny olona hodidinin’ny manan-karena (pahasoavana ?) anivon-tanàndehibe.
Ny tanjon’ity torolalana ity dia ny hilaza fa izay rehetra afaka mifandray amin’ny aterineto dia afaka mandray anjara amin’ny resaka misongadina manerantany. Tsy ny gazety sy ny fahitalavitra ihany no hamolavola ny toe-tsaintsika manomboka izao fa isika samy isika no hifanabe.
Vonona amin’ny teny anglisy, espaniola ary Bengali aloha izao ity An Introduction to Citizen Media ity fa mbola ho avy koa ny amin’ny teny Swahili, Malagasy, ary Aymara.
Na dia efa maro aza ny teny fampidirana tena tsara amin’ny fitsipika ankapoben’ny fantsom-baovaon’olom-pirenena, dia saiky mitongilana hampisongadina ny fampiroboroboana ny fandraisan’ny olom-pirenena ny any Amerika avaratra sy Eoropa andrefana ihany izany. Antenaina kosa ity torolalana ity, etsy ankilan’izany, haneho amin’ny mpamaky any Amerika Avaratra sy Eoropa fa maro koa ny zavabaovao sy zava-mahaliana mifandraika amin’ny fantsom-baovaon’olom-pirenena mitranga any amin’ny faritra ivelan’ny tontolo tandrefana. Kendrena ihany koa izy ity ho antotam-baovao ampiasain’ny fantsom-baovaon’olom-pirenena te-hiakatra amin’ny sehatra avo kokoa (iraisam-pirenena) amin’ny fanatanterahana ny tetikasany rehefa hanatona ny mpitondra, mpanao politika ary amin’ny malala-tanana (izany tokoa moa ny fondation ?)ry zareo.
Mandritra ny taona 2008 dia hamoaka tsy tapaka sy hampiely ny torolalana voazava amin’ny antsipiriany kokoa amin’ny fampiasana ny fahana RSS, ny bolongana, ny famoahan-tsary (voakaly), ny fandefasam-peo, ary ny fandefasan-tsary online (amin’ny aterineto) ny Rising Voices.
Download An Introduction to Citizen Media in English
Descarga Una Introducción a Medios Ciudadanos en Español
‘সিটিজেন মিডিয়ার পরিচিতি' ডাউনলোড করুন