Tantara mikasika ny Armeniana

Armenia: Fandresen'ny Mpikatroka Miaro Ny Tontolo Iainana

Taorian'ny telo volana nisian'ny fihetsiketsehana sy sit-ins tsy ankiato nokarakarain'ireo mpikatroka ho amin'ny tolona hanavotana ny zaridainan'i Mashtots, nanome baiko ny hanesorana hatramin'ny fakany ny foto-drafitrasa efa tafaorina noho ny faharatsian'endriny ny filoha Armeniana, Serzh Sargsyan, antony iray tsy tafiditra tao anatin'ny fandaharam-potoanan'ireo mpitolona manohitra ny fananganana tsy ara-dalàna atao amin'ny iray...

Armenia: Korontana taorian'ny fanamarihan'ny lehiben'ny mpitondra fivavahana

  24 Jolay 2011

Andro vitsy monja taorian'ilay tati-baovao milaza an'i Karekin II, mpitarika ny Fiangonana Masina Apostolika Armeniana,  izay nilaza fa tsy hitany izay hanaovana ireo monasitera sy fiangonana miorina any amin'ny faritra be tendrombohitra ao amin'ny firenena, dia nanantosa fanentanana tamin'ny valantserasera ireo Armeniana tezitra mba hanaisotra ny Catholicos [anaram-boninahitra omena ny mpitari-pivavahana...

Armenia:Mangataka Ny Hanatsaharana Ny Famonoana Ny Alika Mpirenireny Ireo Mafana Fo Mpiaro Biby

  01 Jolay 2011

Fampiasana ireo fitaovam-pifaneraserana ara-tsosialy tsy mbola fahita no notontosan'ireo mafàna fo mpiaro biby any Kaokazy Atsimo andro vitsivitsy lasa izay, tamin'ny fangatahan'izy ireo ny hanatsaharana tsy misy hatak'andro ny famonoana miharo habibiana mianjady ny alika mpirenireny tamin'ny alalan'ny fanesehana fangatahana sy antso tao amin'ny pejy Facebook-n'i Karen Karapetyan ben'ny tanànan'i Yerevan

Armenia: Resadresaka nifanaovana tamin'i Liana Aghajanian

  30 Jolay 2009

Teraka tany Iran, fa nitombo sy mipetrakat any Etazonia ankehitriny, I Liana Aghajanian dia mpanoratra ary vaovao eo amin’ny tontolon’ny blaogy Armenianina. Na dia mitoraka blaogy ao amin’ny vohikalany manokana aza izy, I Aghajanian dia efa nanana ny nampiavaka azy manokana tany aloha tany ho an’ireo feo hafa sy ny haino aman-jery miahy tena any Armenia ary koa ny Diaspora miaraka amin’ny e-zine Ianyan mampiasa ny Wordpress .

Armenia: Herintaona taty aorian’ny ady noho ny fifidianana

  05 Marsa 2009

Anarivony ireo olona tonga teny andalamben’I Yerevana tamin’ny Alahady mba hitondra fahatsiarovana ny disadisa tao aorian’ny fifidianana tamin’ny herintaona lasa teo tao Armenia izay nahafaty olom-pirenena valo sy polisy anankiroa. Satria mbola ao ambadiky ny lalana ireo mpihetsiketsika manohitra, dia noampangaina marindrano ny governemanta tamin’ny andraikitra kely dia kely noraisiny mba ahafahana manao famotorana ho araka ny tokony ho izy ny ady saritaka.

Armenia: Fihazana tsy manara-dalàna navandravandra

  24 Febroary 2009

Fanaingoana ny fahasamihfana vitan'ny fikatrohana an-tserasera tany Armenia indray ity, nisy lahatsary YouTube iray izay mampiseho lehibe-na mpiambina ala any amin'ny valan-javaboarin'i Khosrov nihaza lambo ka nahatonga ny fandroahana an-drangahy io. Tamin'ny 6 Febroary 2009 ny mpampiasa YouTube iray antsoina hoe TugUrartu no namoaka lahatsary iray miaraka amin'izao fanazavana manaraka...

Ireo pejinay momba an i Armeniana

hy