Tantara farany mikasika an'i Armeniana
09/05/2012
Armenia: Fandresen'ny Mpikatroka Miaro Ny Tontolo Iainana
Taorian'ny telo volana nisian'ny fihetsiketsehana sy sit-ins tsy ankiato nokarakarain'ireo mpikatroka ho amin'ny tolona hanavotana ny zaridainan'i Mashtots, nanome baiko ny hanesorana hatramin'ny fakany ny foto-drafitrasa efa tafaorina noho ny faharatsian'endriny ny...
07/12/2011
Songadina Lahatsary: Lavo-Tondro, Mpialokaloka, Ady ary Teknolojia Mivelatra
Tantara nahitana lahatsary mahaliana notsongain'i Juliana Rincón Parra tato amin'ny Global Voices nalaina tany Azia Atsinanana, Afrika Atsimon'i Sahara, Azia Afovoany, Kaokazy ary Amerika Latina, selected by Juliana Rincón Parra.
24/07/2011
Armenia: Korontana taorian'ny fanamarihan'ny lehiben'ny mpitondra fivavahana
Andro vitsy monja taorian'ilay tati-baovao milaza an'i Karekin II, mpitarika ny Fiangonana Masina Apostolika Armeniana, izay nilaza fa tsy hitany izay hanaovana ireo monasitera sy fiangonana miorina any amin'ny faritra...
01/07/2011
Armenia:Mangataka Ny Hanatsaharana Ny Famonoana Ny Alika Mpirenireny Ireo Mafana Fo Mpiaro Biby
Fampiasana ireo fitaovam-pifaneraserana ara-tsosialy tsy mbola fahita no notontosan'ireo mafàna fo mpiaro biby any Kaokazy Atsimo andro vitsivitsy lasa izay, tamin'ny fangatahan'izy ireo ny hanatsaharana tsy misy hatak'andro ny famonoana miharo habibiana mianjady ny alika mpirenireny tamin'ny alalan'ny fanesehana fangatahana sy antso tao amin'ny pejy Facebook-n'i Karen Karapetyan ben'ny tanànan'i Yerevan
03/04/2011
Côte d'Ivoire: Iza Izao no Mifehy Ny Fahitalavi-Pirenena RTI?
Mifangaro voraka be ny resaka mikasika ny hoe iza izao no mifehy ny Radio Télévision Ivoirienne (RTI), ny fahitalavi-pirenena Ivoariana.
30/07/2009
Armenia: Resadresaka nifanaovana tamin'i Liana Aghajanian
Teraka tany Iran, fa nitombo sy mipetrakat any Etazonia ankehitriny, I Liana Aghajanian dia mpanoratra ary vaovao eo amin’ny tontolon’ny blaogy Armenianina. Na dia mitoraka blaogy ao amin’ny vohikalany manokana aza izy, I Aghajanian dia efa nanana ny nampiavaka azy manokana tany aloha tany ho an’ireo feo hafa sy ny haino aman-jery miahy tena any Armenia ary koa ny Diaspora miaraka amin’ny e-zine Ianyan mampiasa ny Wordpress .
27/07/2009
Irana: Ireo mpitoraka blaogy Armeniana sy ny fianjeran'ny fiaramanidina
Raha nianjera ilay fiaramanidina mpampitohy mahazatra niala tao Tehran ho any Yerevan taorian’ny niaingany omaly, namoizana ireo olona 168 tao anatiny, dia maro ny tany Armenia sy ny Diaspora avy any no ory, indrindra indrindra noho ny fisian'ny Armeniana 40 tamin’ireo maty ireo.
05/03/2009
Armenia: Herintaona taty aorian’ny ady noho ny fifidianana
Anarivony ireo olona tonga teny andalamben’I Yerevana tamin’ny Alahady mba hitondra fahatsiarovana ny disadisa tao aorian’ny fifidianana tamin’ny herintaona lasa teo tao Armenia izay nahafaty olom-pirenena valo sy polisy anankiroa. Satria mbola ao ambadiky ny lalana ireo mpihetsiketsika manohitra, dia noampangaina marindrano ny governemanta tamin’ny andraikitra kely dia kely noraisiny mba ahafahana manao famotorana ho araka ny tokony ho izy ny ady saritaka.
24/02/2009
Armenia: Fihazana tsy manara-dalàna navandravandra
Fanaingoana ny fahasamihfana vitan'ny fikatrohana an-tserasera tany Armenia indray ity, nisy lahatsary YouTube iray izay mampiseho lehibe-na mpiambina ala any amin'ny valan-javaboarin'i Khosrov nihaza lambo ka nahatonga ny fandroahana an-drangahy...
17/02/2009
Armenia: Fifangaroan'ny fomba vaovao sy fahagola amin'ny andron’ny mpifankatia (St Valentin)
Heverina fa ny vondrona sisa tavela ela indrindra any Armenia dia ny fiangonana Apostolika, niorina ny taona 301 talohan’I Kristy, no fikambanana Kristianiana nasionaly antitra indrindra eto an-tany. Fa nandritra ny 1700 taona taty aoriana dia mbola tavela ny fombafomban’ireo tsy mpino tao amin’ny firenena, eny fa na dia tafiditra tao anatin’ny datin’andro kristiana aza izany ankehitriny. Raha toa ka izao tontolo izao no manamarika ny fetin’ny mpifankatia, dia mankalaza ny mitovy amin’izany fombafomba izany koa ny Armenianina-Trndez.






























RSS ho an i Armeniana 



Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa