2009-09-08
Ejipta: Ny fitiavam-pisehosehoan'i Naglaa El Emam
Lohatenim-baovao maro indray no nampiseho an'ity mpahay lalàna Ejipsiana maha-be resaka ity. Eto indray dia ny niovany finoana ho kristiana no anton-dresaka. Mitantara ho antsika i Marwa Rakha.
2009-08-31
Iraka: Fahafatesan'i Abdul Aziz Al Hakim lehiben'ireo Shi'ite
Sayyed Abdul Aziz Al Hakim, lehiben'ny filankevitra ambony Islamika any Iran (ny antoko politika lehibe indrindra ao amin’ny antenimieram-pirenena Irakiana), dia matin’ny homamiadan’ny havokavoka tamin’ny 26 Aogositra tany Tehran, any Iran. Mety hisy fihatraikany amin’ny lafiny politika any Iran ny fahafatesany. Nihetsika tamin’ity vaovao ity ireo mpitoraka blaogy.
2009-08-21
Hevitry ny mpamaham-bolongana momba ny fampahafantarana ny VIH/SIDA any amin'ny Tontolo Arabo
Fady any amin'ny ankamaroan'ny faritra Arabo ny miresaka ny momba ny VIH/SIDA, na dia misy aza ny fandaharan'asan'ny PNUD na sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana tahaka ny HARPAS izay miezaka ny mampahafantara ny momba azy ity. Raha mitatitra ny tsy fahafantarana ny momba ny VIH/SIDA ny mamaham-bolongana sasany, dia ...
2009-08-17
Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra
Nifampitantana ny mpampiasa aterineto tany Ezypta naneho ny fahatezerany tamin'ny lalàna vaovao nametra ny fampiasany aterineto. Nadaboka ankehitriny ilay lalàna ka izay vao misoratra anarana ihany sisa iharany, ao anatin'ny roa volana, rehefa hita ny herin'ny hetsika.
2009-08-16
Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”
Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane, tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka tamin'ilay gazety mpivoaka isan'andro Le Monde ireo gazetiboky ireo, izay niantsoany ireo olontsotra Maraokana hanome ny hevitr'izy ireo ...
2009-08-04
Palestina: Ny Fisondrotana Kilasy any Gaza
Ny tawjihi dia ny fanadinana ankapobeny aorian'ny dingana faharoa any amin'ny faritr'i Gaza, sisiny andrefan'i Jordana, ary mamaritra ny safidin'ny mpianatra iray momba izay anjerimanontolo sy ny sampana horaisiny. Tamin'ity taona ity, ny fiatrehana miaraka ny fanadinana any amin'ny sisiny andrefana sy ao Gaza dia noraisina ho toy ny taratry ny firaisam-pirenena sahady.
2009-05-20
Ezypta: Nodimandry ny lahimatoa amin'ny zafikelin'ny filoha
Nindaosin'ny fahafatesana tao amin'ny hopitaly iray tany Paris rehefa narary tao anatin'ny fotoana fohy ny lahimatoa amin'ny zafikelin'ny filoha Ezypsiana Hosny Mubarak antsoina hoe Mohammed.
Haingana ny fanehoam-pihetseham-po nataon'ny mpamaham-bolongana noho ny fahafatesan'ity zaza 13 taona ity - nefa tsy nahenoana ny akony velively tamin'ny haino aman-jerim-panjakana raha vao niely ity ...
2009-05-17
Tonizia: Miverina manivana bolongana indray i Ammar 404
Niverina namely ny tontolom-bolongana Toniziana indray rehefa nitsahatra vetivety i Ammar 404. Ammar moa no anaram-bositra omen'ny mpamaham-bolongana Toniziana ilay milina mpanakana ny fijerena vohikala ka ny tratrany tamin'ity indray mitoraka ity dia i Zig Zag bolongan'i 3amrouch. Hita fa voasivana ny bolongana rehefa namoaka tamin'ny alalan'ny dikantsary ny Gazety ...
2009-03-11
Ejipta: Navoaka ny fonja ny mpamaham-bolongana Mohamed Adel
Novotsorana ny mpitoraka bolongana Ejipsiana antsoina hoe Mohammad Adel izay namahana ny blaogy antsoina hoe Maeit ary efa voafonja nanomboka tamin’ny 22 Novambra 2008. Mamehy izany rehetra izany ao anatin'ity lahatsoratra ity i Marwa Rahka.
2009-03-08
Miray hina ny mpamaham-bolongana Ejipsiana miatrika ny fampihorohoroana
Nanoratra I Eman AbdElRahman hoe ahoana re ny fihetsika asehon’ny tontolon’ny famahanam-bolongana Ejipsiana manoloana ny daroka baomba tao Al Hussein tamin’ny 22 Febroary izay nahafaty mpizaha tany Frantsay ary nandratrana olona mihoatra ny 20 isa. Te hiresaka ho androany mikasika ny vondron’ny mpamaham-bolongana Ejipsiana sy ny fanapaha-kevitr’izy ireo hiady manohitra ny fampihorohoroana.




