Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Aogositra, 2015
Mihetsika Ny Kroaty Manoloana Ny Fanambaran'ny ISIS Ny Fanapahan-doha An'i Tomislav Salopek
Mihetsika ireo mpampiasa media sosialy any Kroasia, Ejipta, ary eran-tany manoloana ny vaovao mandeha momba ny fahapahan-doha nataon'ny ISIS tamina Kroaty iray mpila ravinahitra tany Ejipta.
Ny Fitsingerenana'ny Andro Nahaterahako
Tsahivin'ilay syriana mpikatroka mafana fo, Marcell Shehwaro, tamin'ny alàlan'ny zavatra maro niseho tamin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany taloha sy ankehitriny ny dona sy ny fahorian'ny fiainana any Syria tamin'ny andron'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany.
Omen'ny Hetsika “Maimbo ianareo” 72 Ora Hamaliana Ny Fangatahany Ny Governemanta
Nanome fe-potoana 72 ora ho an'ny governemanta ireo Libaney mpanao hetsi-panoherana mba hamaliana ny fitakian-dry zareo na hiatrika hetsi-panoherana goavana kokoa amin'ny Talata
Fahaiza-mamorona Nentin'ny Libaney Nanohitra Ny Olan'ny Fako
Mampiseho fahaiza-mamorona sy mivazivazy ry zareo Libaney amin'ny fomba fanaovany hetsi-panoherana. Mihoatra ny 20.000 ny olona nidina an'arabe tao Beirut tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny nilanja takelaka isankarazany
Mety Ho An'ireo Fiteny Rehetra Any Azia Atsimo Ny Rindrambaiko OCR (Optical Character Recognition) An'ny Google
Mety aminà fiteny maherin'ny 248 eran'izao tontolo izao ny OCR an'ny Google, ka isan'ireo ny fiteny Aziatika Tatsimo be mpampiasa, ary mitondra ihany koa fanantenana hahafahana mandrakitra ho dizitaly, araka izay tratra, ireo lahatsoratra tranainy.
Mitondra Fanantenana Sy Fanasitranana Any Palestina Ny ‘Faribohitra Miloko Marevaka’ Ao Gaza
Antsoina hoe "ny faribohitra miloko marevaka" i Al Zaytoun ao Gaza noho ny arabe voaloko mamirapiratra sy ny rindrina voaravaka, ezaka fanavaozana an-drenivohitra taorian'ny ady teo amin'i Isiraely sy Gaza tamin'ny taona 2014.
Nampitandrina ny fikasan'ny antoko politika hanararaotra ny hetsika ataon-dry zareo ny Libaney mpikatroka
Nivadika ho fitakiana fialan'ny mpitondra fanjakana ao amin'ny parlemanta sy ny governemanta ny fitakiana voalohany hamahana ny olan'ny fako rehefa diso tafahoatra ny herisetra nianjady tamin'ny mpikatroka tamin'ny andro voalohany nihetsiketsehana.
Mpanao fihetsiketsehana miatrika ny gidragidran'ny polisy misahana ny rotaka ao Libanona
Setriny ankerisetra no niandry ny mpanao fihetsiketsehana milamina #YouStink izay nahavoriana olona tao Beirota tamin'ny asabotsy 22 aogositra mitaky ny hamahana ny olan'ny fanariam-pako ao Libanona.