Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Jolay, 2014
Fitantaran'ny Gazaiana Iray Ny Fahafatesana Sy Ny Faharavàna Natrehany Maso Nandritry Ny Fanafihana An'i Khuza'a
"Tonga tany amin'ny teboka nasainy nalehanay izahay, ary nahita rindrinà fiara mifony vy, tsy nisy ankoatra izay. Tsapanay teo fa fandrika io rehefa nanomboka naneno avy amin'ny lafy rehetra ny tifitra[...] Inona no tohiny? Avy eo, olona voatifittra, mikiakiaka, sahotaka tanteraka.."
Andro Nahafatesana Olona Maro ao Gaza fa Voadaroka Ny Sekoly Velomin'ny Firenena Mikambana Iray Natao Hialokalofana
Efa 800 ny Palestiniana maty ary mihoatra ny 5200 no maratra hatramin'ny nisian'ny gidragidra teo amin'i Israely sy Gaza 18 andro lasa izay.
Nanaisotra Ny Maha-olompirenena Ireo Mpikambana Ao Amin'ny Fanoherana i Koety
Niteraka fahatezerana manerana ny Helodranao ny fanapaha-kevitr'i Koety hanaisotra ny maha-olom-pirenena ireo mpikambana ao amin'ny mpanohitra. Mitantara amintsika ny anton'izany i Noor Mattar.
Bitsika Avy Amin'ireo Sisam-paty Ao Gaza: Mamoaka Ny Zava-doza Misoko Manginan'ny Vono-olona Tao Khuza ny Twitter
Milaza ireo tatitra mivoaka avy ao Khuza'a fa tsy avelan'ny tafika Israeliana hiala ny tanàna ireo mponina ao, izay efa tsy manana rano, sakafo sy fialofana.
“Miaraka Aminao i Syria, Ry Gaza”
Hatramin'ny poeta ka hatramin'ny mpikatroka avy ao afovoan'i Aleppo, izay tsy mitsahatra ny midaroka ny baomba, dia tsy miova ny fihetsiketseham-piraisankina Syriana-Palestiniana. Manana ny tantara i Syria Untold.
Andron'ny Mahatsiravina Ao Gaza, Mandaroka Baomba Ireo Toeram-ponenana Manodidina i Israely, Mihoatra Ny 450 No Maty
Andro faha-13 - Voamarina - Palestiniana 437 maty.
Vaovao Mafàna: Manomboka Fanafihana An-tanety Ao Gaza i Israely
Nanomboka niditra ao Gaza ny tafika Israeliana, andro folo taorian'ny daroka baomba izay nahafatesana Palestiniana 200 mahery. Mitranga ity firotsahana an-tanety ity taorian'ny nandàvan'ny Hamas, izay mitondra ao Gaza, ny fampitsaharana poa-basy naroson'i Ejipta
Ahoana No Hanivahana Amin'ny Fanarahamaso Ataon'ny Governemanta Ejipsiana Amin'ny Aterineto
Manolotra tari-dalana hanakanana ny Fanarahamaso ny Aterineto ataon'ny Minisiteran'ny Atitany i Tarek Amr.
Noroahin'i Bahrain Ny Iraka Manokana Amerikana Misahana Ny zon'Olombelona
Bahrain, anjakan'ny fianakaviana Sonita al-Khalifa, no mitsena ny tsikera eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona hatramin'ny namotehan'ny miaramila ny hetsi-panoherana notarihan'ny Shi'ita manohitra ny governemanta tamin'ny 2011.
Sazy An-tranomaizina 15 Taona No Azon'ilay Saodiana Mpisolovava Waleed Abulkhair
Nahazo sazy 15 taona an-tranomaizina ilay mpiaro ny Zon'olombelona malaza, Waleed Abulkhair androany, izay tafiditra ao anatin'ny famoretana mitohy ataon'i Arabia Saodita amin'ireo mpikatroka ny zon'olombelona.