Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Janoary, 2014
Ejipta : Ho Toy Inona ny Hoavin'i Maréchal El Sissi?
Maréshal (-n'ny Kianja???) ankehitriny no galonan'ilay Jeneraly teo aloha lehiben'ny tafika Ejiptiana, Abdel Fattah El Sissi. Tsy dia mazava loatra ny mikasika ilay fisondrotana, na efa fisavàna làlana sahady amin'ny ho fihazakazahany hirotsaka ho filoham-pirenena na tsia.
Vaovao Mafàna: Fipoahana Goavana Nampihovitrovitra Ny Afovoan-tanànan'i Kairo
Vao avy nifoha tao anaty feonà fipoahana goavana izay nampihovitrovitra ny afovoan-tanànan'i Kairo ry zareo Ejiptiana. Ny tatitra tany ampiandohana dia manamafy fa nitranga tany amin'ny manodidina ny Fiadidiana ny Polsiy ao Kairo ilay fipoahana
Nogadrain'i Arabia Saodita Noho Ny “Tsy Finoana An'Andriamanitra Sy Ny Volo Lava” Ilay Poeta Palestiniana
Any am-ponjan'ny Saodia ilay mpanao tononkalo Palestiniana Ashraf Fayyad, izay voalaza fa nampiely ny tsy finoana an'i Allah - sy nanalava volo
Yemenita Mpikatroka Mafàna Fo Mahazo Fandrahonana Ho Faty Ao Amin'ny Facebook
Nahazo fandrahonana ho faty tao amin'ny boaty famelàna hafatra ho azy tao amin'ny Facebook i Hani Al-Junid, Yemenita mpikatroka mafàna fo ara-politika manana ny lazany no sady mpanao gazety ihany koa. Ilay fandrahonana, nataon'olona tsy fantatra, dia nampitandrina an'i Al-Junid fa hoe efa akaiky ny "fara-androny".
Ejipta: Sampam-pitsikilovan'ny Marionety
Tao Ejipta, voampanga ho nandefa hafatra miafina hoan'ireo mpampihorohoro ny marionety mitovy endrika amin'ny olo-malaza iray. Manazava ny antony mahatonga ilay saribakoly hiakatra fitsarana i Amr Tarek.
Syria: Vehivavy Afaka Ao Darayya
Nirotsaka an-tsehatra tamin'ireo fihetsiketsehana sy fisantaran'andraikitra marobe nanomboka tamin'ny fiandohan'ny fitroarana Syriana, tamin'ny lohataona 2011 ireo Vehivavy Afaka ao Darayya. Miasa any amin'ny firenena hanaovana sesitany ny tenany sy ny fonja izy ireo ankehitriny.
Tenin'i Libanona : Tsy maritiora aho
Manome voninahitra ireo tsy manan-tsiny niharan-doza noho ny herisetra ilay hetsi-panentanana #NotaMartyr ao Libanona ary haneho fa maniry fiovàna ny Libaney.