Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Oktobra, 2013
Ilay Vehivavy Raqqa Miatrika Irery Ny Fanjakana Islamika ao Iraka Sy Syria
Tsy handao ny fireneny amin'izao fotoana ilavana azy izao ilay mpampianatra, Suad Nofal,avy ao Raqaa, Syria. Mitantara ny momba azy ny Syria Untold.
Lahatsary: Tovovavy Saodiana Nahazo Tsiny Raha Niharan'ny Herisetra Teo Anoloan'ny Tsenambarotra
Nomena tsiny ireo vehivavy niharan'ny herisetra nataon'ireo tanora tao amin'ny tsenam-barotra iray ao Dhahran, Arabia Saodita, satria tsy nanarona ny endriny ry zareo.
Natokana Efitra Ireo Ankizy Gadra Saodiana
Rehefa avy nanao fihetsiketsehana "tsy ara-dalàna" , voatàna ao Arabia Saodita ny fianakavian'ireo gadra, anisan'izany ireo ankizy izay tsy navela hihaona tamin'ireo havany nandritra ny Eid Al Adha.
Marobe Ireo Polisy Saodiana Nandritra Ny Andron'ny Vehivavy Mitondra Fiara
Manakana ireo vehivavy Saodiana manohitra ny fandraràna hitondra fiara ny polisy misahana ny fifamoivoizana.
Miomana Ny Hanohitra Ny Fandraràna Azy Tsy Hamily Ireo vehivavy Saodiana
Maminavina ny hanohitra ny fandraràna tsy hamily ireo vehivavy Saodianina ny 26 Oktobra. Maro ireo efa nanomboka mitondra fiara, maka sary ny tenany izy ireo amin'ny fanaovany izany ary mandefa ireo sary any amin'ny aterineto.
Ilay Tarika Syriana-Palestiniana “Refugees of Rap” : “Efa Lasa Ny Fotoanan'ny Fahanginana “
Taorian'ny nanapotehan'ny Fitondrana Assad ilay Studio novatsian'ny Firenena Mikambana vola, izay nantsoinay hoe Sawt Al Shaab (Ny feon'ny Vahoaka),dia tao amin'ny faritra fonenan'ireo mpialokaloka tao Yarmouk ny tarika Refugees of Rap no nitoby. Vakio ato ny tohiny.
Nofoanana Ny Fitsidihana Ireo Gadra Saodiana, Nosamborina Ireo Fianakaviana
Tsy vitan'ny nosakanana tsy hitsidika ireo gadra Saodiana ireo fianakaviany nandritra ny fetin'ny Eid Al Adha , fa nosamborina ihany koa raha nikarakara sit-in mba hahitana ireo havana malalany.
Mitady Eid Ao Anaty Ady Eritreritra Momba Ny Seha-Javakanton'i Eid ao Syria
Mizara ny fijeriny manodidina ny Eid Al Adha, anivon'ny korontana sy ny fatiolona ireo artista vao miakatra any Syria.
Mankalaza Ny Faha-efa Taonan'ny Fikambanana Mpiaro Ny Zon'Olombelona Ny Saodiana
Manamarika ny faha-efa-taona nijoroany ny fikambanana Saodiana miaro ny zo sivily sy politika (ACPRA). Mankalaza ny zava-bitany ireo mpiserasera Saodiana.
Mashrou’ Leila Miverina Miaka-tsehatra indray Ho Amin'ny #OccupyArabPop (BodoyNyPopArabo)
Talanjona tamin'ny Mashrou' Leila, tarika Libane mpiangaly indie ny Tontolo Arabo. Nijery ny fampiasàn'ilay tarika ny tambajotra sosialy hikasihana ireo mpankafy azy i Ahmed Medien.