Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Jolay, 2013
Mamela Ny Helok'Ireo Izay Manevateva Azy Ny Emir Ao Koety
Araka ny lalàna Koesiana, voaràra ny fanevatevana mpanjaka satria "tsy azo hitsakitsahana" ny fitondrana Emir. Maro ireo niarahaba ny famelàn'ny Emir ireo voaheloka raha nanambara kosa ny hafa fa ny zony haneho hevitra an-kalalahana no nataon'ireo voampanga sy voaheloka ireo.
Mandoro Trano sy Fiara ao Awwamiya Ny Mpitandro ny Filaminana Saodiana
Nosamborina tao Awwamiya androany i Abbas Al-Mazraa sy ny rahalahiny enina. Niafara tamin'ny fandoroana ny trano sy ny fiaran'ny fianakaviana [nosamborina] ny fisamborana.
Saodiana Mpanangana Tranonkala Migadra sy Kapohina
Olona manana foto-kevitra tsy mitovy amin'ny mpitondra ao amin'ny fireneny sady gadraina no karavasiana in-600 ary didiana akatona ny tranonkalany. Henjana rehefa miaro ny rambony tsy ho tapaka ny mpitondra.
Voarara Ny Fanatrehan'Ireo Vehivavy Saodiana Ny Fitsarana Azon'ny Rehetra Atrehina
Na dia ny vadiny sy ny Renin'ilay mpitarika ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Umar Al-Saeed aza dia tsy navela hanatrika ny fitsarana azy.
Nampiditra Am-Ponja Mpisera Facebook Fito i Arabia Saodita Noho Ny Antsom-Panoherana Nataon'Izy Ireo
Tsy azo ekena ny fananana hevitra politika manohitra ao Arabia Saodita, fitondram-panjaka tokana. Voafonja ankehitriny ny lehilahy fito noho ny fiampangana azy ireo ho manohintohina ny filaminam-bahoaka sy miantso fanoherana ao amin'ny Facebook.
Tsy Azo Idirana Ny Habaka Filokana An-Tserasera Ao Libanona ?
Nakatona ny habaka filokana ao Libanona, toa lalana malama mampidi-doza izany
Famoretan'ny Saodiana Ireo Mpanohana ny Mpirahalahy Miozolomana
Mpitondra fivavahana ambony Islamika roa Mussen al-Awaji sy Mohamad al-Arefi no voalaza fa notànana ao Arabia Saodita noho ilay antsoiny maro hoe famaizana ireo izay manana fifandraisana amin'ny mpirahalahy Miozolomana, izay vao avy nihongana ny fitondrany ao Ejypta.
Saodiana Mafana Fo Taitra Tamin'ny Fandraràna Tampoka Ny Diany Teny An-tseranam-piaramanidina
Tsy navela hivoaka an'i Arabia Saodita ilay mafana fo sady mpanao gazety, Iman Al-Qahtani, ho fanasaziana azy tamin'ny fanentanany sy ny fanohanany ireo reformista mpitaky fiovàna.
Vehivavy Mpanohana an'i Morsi Maty Nisy Namono Tao Mansoura
Nisy fihetsiketsehan'ny mpanohana an'i Morsi iray tao Mansoura notafihan'ny andian-jiolahimboto, izay nahafatesana vehivavy telo farafahakeliny sy naharatra am-polony. Maneho hevitra amin'ilay fanafihana ny Mpiserasera.
Ramadany Amin-dRa Mandriaka Araka ny Fijerin'ny Artista Ao Syria
Lahatsoratr'i Thalia Rahme nadikan'i Jentilisa miresaka ireo "sanganasa" miompana amin'ny volana Ramadany tsy fahita amin'ny firenena be silamo hafa.