Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Jona, 2013
Manafika Ny Fonenan'Ireo Shiita Ao Ejipta Ny Salafista, Efatra No Maty
Mpikambana Ejiptiana efatra ao amin'ny antokom-pivavahana Shiita no namoy ny ainy tao Ejipta androany tamin'ny fanafihan'ireo Salafista ny fiangonan'izy ireo, taorian'ny fihantsiana nataon'izy ireo tamin'ny Shiita nandritry ny roa herinandro. Araky ny filazan'ireo tatitra maro isan-karazany, nodorana sy notafihina ny fiangonan'ny Shiita tany Giza sy Kairo. Ny Al Badil News dia mitatitra ny fijoroana vavolombelon'ny avy tao amin'ny tranom-paty izay milaza [ar] fa novonoina ny iray tamin'ireo olona maty ireo ary ny telo ambiny naratra mafy ny lohany. Nahatonga fahatezerana tanaty aterneto izany tranga mahatsiravina izany.
Saodiana Mafana Fo Voampanga Hiditra An-tranomaizina Mandritra Ny Valo Taona
Abdulkareem al-Khadar, mpikambana mpamorona ny fikambanana miaro ny zon'olombelona mpanohitra ny Fanjakana, ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Politika Sy Sivily (ACPRA), dia notsaraina ary nosaziana valo taona am-ponja noho ny fanairany ny hevi-bahoaka sy ny fametrahany fikambanana miaro ny zon'olombelona tsy nahazo alàlana, ankaoatr'ireo fiampangana hafa, izay ny dimy taona dia nahantona sy tsy ampiharina raha toa tsy manatrika fivoriana na miditra anatinà fikambanana tsy ara-dalàna io mafana fo io aorian'ny famoahana azy.
“Fitorevahana Ho An'ny Fahalalahana” Niara-natao Taminà Tanàna Saodiana Maro
Andiany madinidinika fa maro nahitàna vehivavy Saodiana no nanao "Fitorevahana ho an'ny Fahalalahana" nanerana ireo tananà Saodiana maro ny 10 Jona 2013, izay nataon'ireo vondrona mpisolovava tsy mitonona anarana @almonaseron [ireo mpanohana] hitakiana ny famoahana ireo havany nogadraina. Ary valin'izany, maherin'ny 140 ireo mpanao hetsi-panoherana, lehilahy sy vehivavy, nosamborin'ny miaramila Saodiana nandritra izay roa andro lasa izay.
Mikasa “Handrodana Ny Fitondrana” ny Ejipsiana Amin'ny #June30
Hiverina eny amin'ny tahakala voaloko indray ny Ejipsiana, mandrafitra fihetsiketseha-panoherana “handrodanana ny fitondrana” amin'ny 30 jona. Ny daty izay mivezivezy any amin'ny tambajotran-tserasera amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #June30 no manamarika ny tsingerintaona voalohany nitondran'ny filoha Mohamed Morsi, kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana, izay voafidy taorian'ny fihetsiketseham-bahoaka nanomboka tamin'ny 25 Janoary 2011 ary...
Fianakavian'Ireo Voasambotra Tsy Ara-dalàna Maro, Manao Hetsi-panoherana Avy Any An-Tranony
Nanamarika ny Andro Faharoa Ho An'ireo Voafonja ny Zoma 07 Jona, fihetsiketsehana iray nomanin'ireo Fikambanana Mpisolovava tsy mitonona anarana @e3teqal sy ny @almonaseron ho fanairana mikasika ny fisamborana tsy manara-dalàna ao ataon'ny fitondram-panjaka Saodiana. Nametaka sary teny amin'ny trano fonenan'ireo voafonja ny mpanao fihetsiketsehana mba hisarihana ny sain'ny maro momba ny manjo azy ireo.
Tanora Saodiana Voasambotra Noho Ny “Faniratsiràna Ny Fivavahana”
Lehilahy Saodiana roa no voasambotry ny Kômitin'ny Fampiroboroboana ny toetra tsara sy Fisorohana ny toetra ratsy (CPVPV) tany Riyadh renivohitra noho ny faniratsiràny ny fivavahana. Ny Iray amin'izy ireo, Bader Al-Rasheed, dia mizara ny sedrany anatinà bitsika mitohitohy.
Sakanan'i Arabia Saodita Ny Rindrambaiko Viber Fandefasana Hafatra Eo Noho Eo
Araka ilay fandrahonan'ny Saodiana hanakana ny rindrambaiko fifandraisana mirakitra isa raha tsy avela hanara-maso ny governemanta, voasakana ilay rindrambaiko fandefasana hafatra eo noho eo ny marainan'ny 5 Jona 2013. Tsy afaka hidirana intsony ny vohikala ary tsy mety mifandray amin'ny aterineto ilay rindrambaiko.
Fanagadrana Ho An'ny Mpiasan'ny ONG ao Ejipta
Niteraka fahatezerana tany amin'ny tambajotra an-tserasera – sy eny amin'ny andavanandrom-piainana ny namoahana ny didy ho an'ny mpiasan'ny ONG Ejipsiana sy vahiny 43 izay hogadraina hatramin'ny dimy taona. Heverina ho fampitandremana ho an'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mpampiroborobo ny demaokrasia izany. Manazava ilay bilaogera Ejipsiana Zeinobia: Mampalahelo izany...
Famoronana Syriana: Radio SouriaLi Mampiely Ny Feo Amin'ny Aterineto
Ny Radio SouriaLi, natsangan'andia-tanora Syriana avy amin'ny tontolo isan-karazany, dia iray amin'ireo tetikasa sy fandraisana an-tanana maro misongadina avy amin'ny filana haneho hevitra sy ny fikendrena hahapaka hatrany amin'ny Syriana rehetra, tsy ijerena foko, fahaizana na fivavahana niaviana.