· Avrily, 2013

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Avrily, 2013

Mpikatroka Mafàna Fo Mpiaro Zon'olombelona, Nampanantsoin'i Arabia Saodita Mba Halaina Am-bavany

Omar Al-Saeed, mpikambana ao amin'ny Fikambanana Saodiana Mpiaro ny Zo Sivily sy Ara-politika (ACPRA), dia voaantso halaina am-bavany tamin'ny 22 aprily ary mbola nangatahana hiverina amin'ny herinandro ho avy. Izy no farany indrindra hatreto amin'ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona nalaina am-bavany sy miatrika fitsaràna ao Arabia Saodita.

Vehivavy Noraràn'ny Fitsarana Saodiana Tsy Hanatrika Ny Fotoam-pitsarana Ireo Mpikatroky Ny Zon'Olombelona

  26 Avrily 2013

Folo andro taorian'ny fanomezan-dalana ilay vehivavy Saodiana voalohany hanana mpisolo vava, noraràn'ny fitsarana tsy hanatrika ny fotoam-pitsarana ilay mpikatroka Dr. Abdualkareem al-Khudar izay misokatra ho an'ny daholobe ny vehivavy, mpikambana mpanorina ny Fikambanan'ny zon'olombelona voalohany manohitra ny Fanjaka-panjaka, Fikambanana Mpiaro ny Zo sivily sy politika Saodiana (ACPRA) i Dr. Abdualkareem. Sarotra ho an'ny fikambanana tahaka ny ACPRA ny hiasa...

Torolalana Ara-dalàna Momba Ny Fiarovana Nomerika Ho An'ny Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Arabo

Namoaka "torolalana ara-dalàna ho fiarovana ara-nomerika" ho an'ny mpanentana sy ny mpikatroky ny zon'olombelona ary ny mpisolovava liana amin'ny fahalalaha-miteny nomerika sy ny tsiambaratelom-pifandraisana sy ny antontan-kevitra voatahiry ao amin'ny finday, solosaina na zavatra hafa ampiasaina hitehirizana sy izarana vaovao ny Fikambanana Miaro ny Fahalalaham-Pitenenana sy Fieritreretana ao Ejipta.

Mba Ampandroy Ny Filoham-pirenena Ejiptiana!!

Namela fofona i Mohammed Morsi - tao amin'ny Twitter. Nawara Negm, blagera sady mpikatrka mafàna fo dia nametraka ny tenifototra #حموا_الرئيس [ar], izay midika hoe "Mba ampandroy ny Filoha, taorian'ny namakiana tao anaty gazety Libane iray fa hoe nitaraina tao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ny tomponandraikitra alemà sasantsasany mikasika ny fofona avy amin'ny vatan'i Morsi."

Mpanao Sariitatra Toniziana Voasazy Handoa Onitra, Notsipahana Ny Ankamaroan'ireo Fiampangana Goavana Natao Azy

Nosazian'ny fitsarana Toniziana ao Gabes, Atsimo-atsinanan'i Tonizia handoa onitra 100 Toniziana Dinars [sahabo eo amin'ny 63 USD] eo ireo mpanao sariitatra roa Oussama Bouagila sy Chahine Berriche androany [10 Aprily 2013], satria “nanoratra graffiti tamin'ny fananam-bahoaka izay tsy nahazoan-dalana”. Na dia izany aza, notsipahan'ny fitsarana ireo fiampangana lehibe hitoriana azy ireo...

Tenifahatra Ejypsiana Niresaka Momba Ny Homofôbia!

Niteraka adihevitra maresaka sy mafana faramparany teo ny antso hiadiana amin'ny homofôbia (fankahalàna pelaka) tao amin'ny media sosialy. Ao Ejypta, mbola fady ny firesahana ampahibemaso ny lohahevitra firaisana ara-nofo, na amin'ny aterineto izany na ivelan'ny aterineto. Na dia tsy  voalaza ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana Ejypsiana aza ny resaka firaisana ara-nofo,...

Mitsangana Ny Fikambanana Saodiana Voalohany Mpiaro Ny Zon'olombelona Mitaky ny Hanafoanana ny Didim-Pamonoana ho Faty

Taorian'ny didim-pitsarana manafoana ny Fikambanana Mpiaro ny Zo Sivily sy Politika Saodiana (ACPRA) iray volana lasa izay sy ny fakana ny fananany (tsy misy), misy vondrona mpikatroka iray omaly nanambara ny fitsanganan'ny fikambanana mahaleotena vaovao iray antsoina hoe Firaisana ho amin'ny Zon'Olombelona. Ao anatin'ny tanjona napetrany, ny fitadiavan'ny fikambanana hamarana ny famonoana fanao hampihemotra ny hafa, lohahevitra tsy dia misy miresaka loatra ao amin'ny Fitondram-panjaka.

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar