· Jolay, 2012

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Jolay, 2012

Bahrain: Tsy Mandray Anjara Amin'ny Lalao Olaimpika

Ny zanaka lahin'i Mpanjaka ao Barhain, ny Printsy Nasser Bin Hamad Al Khalifa no mpitarika voalohany momba ny fanatanjahatena ao Bahrain; tsy nofidiana ara-demokratika fa notendrena tahaka ireo fianakaviany, izay eo amin'ny fahefana. Nahazo laza ity tovolahy ity taorian'ny fikomiana tamin'ny 14 Febroary tamin'ny taon-dasa, raha nampijaly mafy ireo mpanao...

Maoritania: Diplaomaty Nandoro Tena

Minitra vitsy nialoha ny Iftar (fotoana fampitsaharan'ny Miozolmana ny fifadian-kanina fanao rehefa Ramadany ), Hassan Ould Abba [ar], Maoritaniana iray diplaomaty izay niasa amin'ny maha-mpanolotsaina azy tao amin'ny Masoivoho Maoritaniana ao Koety, dia nandoro tena [ar] tao amin'ny distrikan'i Ksar, any Avaratr'i Nouakchott, renivohitra Maoritaniana. Nihazakazaka hamonjy azy ihany ny fiaran'ny mpamonjy voina, saingy maty talohan'ny nahatongavany tany amin'ny toeram-pitsaboana izy.. Mamintina ny fanehoan-kevitra tety anaty aterineto i Ahmed Ould Jedou.

Syria: Fampianarana An-tserasera Momba Ny Ady Sy Ny Fampiasana Fitaovam-piadiana

  Mitodika amin’ny tranokala momba ny fampianarana  ady ireo mpikomy Syriana. Ity no andraikitra farany narakitra  tao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy, izay efa nahazo hoby lehibe noho ny andraikitra nosahaniny amin’ny fanaparitahana vaovao sy ny fanentanana ny olom-pirenena mandritra ity Lohataona Arabo ity Fantsona YouTube amin’ny anarana hoe FSAHelp (Fanampian'ny Tafika Syriana Afaka) namoaka...

Fanjakan'i Baroa ve i Tonizia?

Mafana tanteraka ny adihevitra nanomboka tamin'ny 19 Jolay raha nosokajian’ i Mahmoud Baroudi, mpikambana ao amin'ny Antenimieram-panorenana (NAC) ho “Filohan'ny Repoblikan’ akondro [Fanjakan'i Baroa] ny filoha vonjimaika Moncef Marzouki. Niteraka savorovoro tanteraka tao anatin'ny Antenimiera izany fanambarana izany. Nangataka tamin'i Baroudi ireo depiote mpikambana ao amin'ny antoko telon'ny firaisan'ny governemanta mba  hitsipaka ny fanambarany....

Arabia Saodita: Khaled Al Johani, Mpanao Hetsi-Panoherana Mandeha Irery, Navotsotra Vonjimaika

Fony nisy ny antso hanaovana Androm-Pahatezerana iray tao Arabia Saodita tany amin'ny 11 Martsa 2011 tany, dia azo nisaina tamin'ny rantsan-tànana ireo mpanao hetsi-panoherana sahy niatrika ny polisy marobe. i Khaled Al Johani no hany iray tamin'ireo voarakitra tanaty horonana sy nosamborina avy eo. Maneho hevitra momba ny famotsorana an'i Al Johani mandritra ny 48 ora ireo mpampiasa aterineto.

Palestina: Mahatsiaro Ilay Mpanao Sariitatra Naji Al Ali

Marihana androany, [ 22 Jolay] ny faha-25 taona namonoana ilay mpanao sariitatra politika Palestianiana Naji Al Ali, malaza amin'ny tsikera ataony amin'ny fitondrana Arabo mpanao didy jadona sy i Isiraely izy. Teraka tao amin'ny tanàna kely Al-Shajara i Al Ali tamin'ny taona 1936 na ny taona 1937. Nandritra ny adin'i Arabo-Isiraely tamin'ny taona 1948, izay...

Ejypta: Vaovao Mifamahofaho Momba Ireo Niharan-doza Tamin'ny Lozam-piaran-dalamby

Somary mahatsikaiky sy tsy mazava ny vaovao mikasika ny isan’ireo namoy ny ainy sy naratra nandritra ny  lozam-piaran-dalamby nitranga tao an-tanàna manodidina an’i Kairo androany maraina. Samihafa ny vaovao  notaterin’ny  fampahalalam-baovao mahazatra, nilaza izy fa nisy ny aina nafoy sy ny naratra – nilaza koa anefa izy fa tsy nisy ny aina nafoy ...

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar