· Jona, 2012

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Jona, 2012

Jordania: Zo Fototry Ny Vehivavy Ho Amin'ny Fahamendrehana Sy Ny Fifamatorana Sosialy

Maherin'ny olona 200 no namorona rojon'olombelona iray tany amin'ireo araben'i Amman ny harivan'ny Alatsinainy 25 Jona, mitazona sora-baventy maneho ny fijoroana manohitra ireo heloka bevava atao amin'ny anaran'ny voninahitra, fanaovana antsojay, fanavakavahana fihaviana manoloana ireo zanaky ny vehivavy Jordaniana, ary ireo mpanolana nomena fahafahana hanambady ny nampiharany ny habibiany mba hialàna ny fitsarana.

Ejipta: Fampahafantarana Ny MorsiMetatra

Taorian'ny 32 taona nitondran'i Hosni Mubarak, manana filoham-pirenena vaovao sy rindrambaiko vaovao ny Ejiptiana mba hanaraha-maso ny fizotry ny asan'ilay filoham-pirenena vaovao Mohamed Morsi ary ny fivoaran'ny fanatanterahana ireo toky 64 goavana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra notanterahany.

Oman: Mitohy Ny Fanenjehana Mpikatroka Ny Zon'olombelona

Iray amin'ireo firenena tsy dia mahasarika loatra ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena sy ny fikambanana samihafa i Oman. Hatramin'ny niandohan'ilay antsoina hoe “Lohataona Arabo” tamin'ny taona 2011, nanjakan’ny fihetsiketsehana marobe mitaky fanovana eo amin’ny karama, ny fitsarana ary ny firafitry ny politika ny tao Oman. Tamin’ny herinandro lasa, nampiseho ny anaran’ireo telo...

Yemen: Iza No Hitàna Ny Fitsinjaram-Pahefana Ao Yemen Taorian'ny Fodiamandrin'ny Printsy Nayef ?

Maneho hevitra mikasika ny fahafatsan'i Nayef bin Abdulaziz Al Saud, Printsy mpandova fanjakana sady Minisitry ny Atitany reo Yemeni mpiondana aterineto. Izy no lehilahy matanjaka nitàna ny fitsinjaram-pahefana tao Yemen ary ambara ho niketrika ny fanisahana ny Al-Qaeda hiala tao Saudi Arabia ho any Yemen. Voatanisa ao anaty Wikileaks ihany koa izy ho nanondro an'i Yemen ho firenena tsy mankaiza.

Palestina: Akoho Mpampihorohoro Tao Gaza Natao Resabe Tao Amin'ny Twitter

Ny 5 Jona , voadaroky ny fanafihana an'habakabaka Isareliana ny toeram-piompiana akoho iray tao atsimon'i Lemak'i Gaza, namoizana ny ain'ireo akoho mpikakakaka am-polony maro. Ho setrin'io fanafihana io, ireo mpampiasa Twitter dia nalaky tokoa tamin'ny famoahana tenifototra mahatsikaiky, #JihadiChickenBrigade, na Brigadin'akoho Jihad, izay tsy ela dia lasa fironana be nanerana izao tontolo izao.

Arabia Saodita: Tolona Hanavotana Ireo Gadra Notànana Tsy Nisy Fitsaràna

Inoana ny fanjakàn'i Arabia Saodita fa manana gadra an'arivony izay tsy navela niatrika fitsaràna ary maro amin'izy ireo no tsy mahalala akory ny antony nanamelohana azy. Niasa mafy ny fianakavian'ireo gadra ireo nandritra ny volana vitsy farany teo, tamin'ny alalan'ny fampitam-baovao sosialy, mba hampitàna ny vaovao ary farany dia nanapa-kevitra ny hanao fitakiana an-dalàm-be. Mona Kareem dia mitatitra ny niandohan'ny tolona iray tamin'ny Twitter.

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar