· Janoary, 2012

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Janoary, 2012

Frantsa: Birao Famoahana Gazety Mpandrabiraby Nodorana Taorian'ny Nanarabiany ny Sharia

Nandritry ny alin'ny 2 Novambra 2011 dia nisy nanafika tamin'ny alalan'ny solika napoaka [en] ny birao foiben'ny orinasa mpamoaka gazety mpandrabiraby mivoaka isan-kerinandro antsoina hoe Charlie Hebdo ao Paris ka may ravan'ny afo. Ny andro namoahan'ilay gazety Frantsay mpiseho isan-kerinandro an'ilay kisarisary maka endrik'ilay mpaminany antsoina hoe Muhammad ho toy ny 'mpamoaka lahatsoratra nantsoina hivahiny' araka ny hita eo amin'ny fonony dia efa saika nikatona avokoa ny mpivaro-boky rehetra, ary tao anatin'ny iray andro avokoa no nitrangan'izany.

Yemen : Andro tsy hihinanana katy ny 12 janoary

Ny katy dia zavamaniry maintso be ravina manome hery mitovy amin'ny amphetamine ary sokajian'ny OMS ho zavamahadomelina. Fitsakotsakoan'ny ankamaroan'i Yemenita saika isan'andro izy ity, na lahy na vavy. Ny tena mampalahelo dia misy ankizy aza efa mitsako azy sahady. Efa zary fahazarana eo amin'ny fiaraha-monina izany fomba izany ary efa lasa miankin-doha...

Syria: Mpiondana Aterineto Tezitra Noho Ny Kabarin'i Assad

Nanao kabary lavabe nivaralila ny Filoha Siriana Bashar Al Assad omaly (10/01/2012), izay nahatezitra mafy an'ireo Siriana mihetsika manohitra ny fitondrana jadony. Rehefa miteny ireo mpitondra Arabo, dia mandray ny fitendry ireo Arabo mpiondana aterineto ka mandray anjara anaty resaka mikasika ireo filoham-panjakana izay voan'ny nataony ihany ka tonga amin'izao toerana misy azy izao. Ity misy fanaovana bango tokana ireo fanehoan-kevitra avy tao amin'ny Twitter tamin'i Al Assad niresaka tamin'ny vahoakany - dia tsy iza fa ireo vahoaka ireo ihany izay novonoina noho ny fihetsehany ho an'ny zony ara-demaokratika.

Syria: Damaskaosy “Fanaovana Vy Very Ny Aina” Sy Fanamboamboarana Ataon'ny Fahitalavi-Panjakàna

Raha hetsi-bahoaka goavana no mitranga manerana ny faritra maro eo amin'ny firenena mitaky ny hifaranan'ny fitondran'i filoha Siriana Bashar Al Assad, ny fahitalavi-panjakana Siriana kosa nitatitra fanapoahana baomba nataonà mpanao vy very ny ainy tany amin'ny manodidina an'i Midan any Damaskaosy tamin'ny Zoma 6 Janoary. Ireo lahatsary sasany mivezivezy any anaty aterineto dia mampiseho mazava tsara ny fisian'ny fanamboamboarana, hoy i Leila Nachawati Rego manoratra.

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar