· Desambra, 2011

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Desambra, 2011

Ejipta : Vehivavy # SCAF – Iza No Handresy ??

Androany izao tontolo izao dia nifoha niaraka tamin'ny fahitana fa nameno ny lohatenim-baovao indray i Ejipta miaraka aminà sarinà miaramila midaroka vehivavy misarom-boaly ary manao izay hanalàna ny akanjony. Nermeen Edrees dia namoaka ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto mikasika ny fomba nanaovan'ny Filan-kevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana ireo vehivavy ao Ejipta.

Bahrain : Mitohy ny #OccupyBudaiyaSt

Ireo mpanao hetsi-panoherana avy ao Bahrein dia manohy ny fikomiany andavan'andro na dia eo aza ny famoretana ataon'ny governemanta, governemanta izay milaza amin'izao tontolo izao fa manomana fanovàna ary tsy tafiditra amin'ny famonoana olona tsy manan-tsiny. Io fifanandrinana tsy dia nahery setra loatra tamin'ny mpanao hetsi-panoherana io dia namoizana ain'olona roa ary tsy tambo isaina ireo olona naratra nanomboka ny Alakamisy. Ireo mponina dia naneho hevitra tamin'ny fandrosoan'ilay vaovao tao amin'ny firenena, izay tsy dia hita avoakan'ny vaovao loatra ny revolisiona ao aminy.

Ejipta : Nirehitra Ny Kianja Tahrir

Ireo Polisy Miaramila dia nandrehitra ny kianja Tahrir tao Kairo ary nanery ankolaka ireo mpanao hetsi-panoherana izay nanao fihetsiketsehana ivelan'ny Lapan'ny Governemanta tamin'ny fankalazana ny fitsingerenan'ny taona voalohan'ny revolisiona Arabo, izay vokatry ny fandoroana tena nataon'i Mohammed Bouazizi tao Sidi Bouzid, Tonizia.

Tontolo Arabo : Misaotra Anao Mohamed Bouazizi! Misaotra Anao Sidi Bouzid!

Ireo mponina anaty aterineto manerana izao tontolo izao dia mankalaza ny fitsingerenan'ny taona voalohan'ny revolisiona Arabo, izay vokatry ny fandoroana tena nataon'ilay mpivarotra voankazo sy legioma Mohammed Bouazizi tao Sidi Bouzid, Tonizia. Ilay nanomboka ho fanoheranà olona iray noho ny hambmo-po dia nanaitra ny tontolo Arabo ary mihoatra noho izany ny afon'ny revolisiona, izay nahatonga fahatezerana ary tsy mety maty na dia teo aza ny ezaka nataon'ireo mpanao jadona sy ny mpanara-dia azy ireo

Koety: Olona Tsy Manana Zom-pirenena Tafihana Noho Ny Fitakiany Ny Zony

Fisamborana, daroka ary tsindry atrehan'ireo mpanao hetsi-panoherana mitaky ny zony, efa ho olona 100,000 mahery tsy manana zom-pirenena monina ao Koety,miady ny mba hananany antontan-taratasy momba azy, fanabeazana, fikarakarana ara-pahasalamana, asa fivelomana, ary ny tena manan-danja indrindra dia ny fandraisana ho olom-pirenena. Mona Kareem dia mijery ireo hetsi-panoherana tato anatin'ny andro vitsy tao Koety sy ny famoretana ataon'ny polisy nanaraka izany.

Syria: AFAKA ilay bilaogera Razan Ghazzawi!

Navotsotra ny alina teo ilay Siriana bilaogera, taorian'ny nandanianty 15 andro tany am-ponja Siriana. Ghazzawi, izay manoratra bilaogy avy ao Syria eo ambanin'ny tena anarany marina , dia nosamborina tany amin'ny sisintany manasaraka an'i Syria sy Jordania, raha iny izy an-dàlana hanatrika atrikasa momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety hatao an'y Aman iny indrindra. Nanakiana ny fisamborana azy daholo ny mpiondana aterineto maro manerana izao tontolo izao.

Lahatsary: Mamaly ny Media Amin'ny Alalan'ny Webcam i Afovoany Atsinanana

Maneho hevitra Amin'ny Fahitalavitra ao Moyen Orient (Talk Back TV Middle East), fomba iray ahafahan'ny olona ao Moyen-Orient sy Afrika Avaratra mamaly sy  maneho hevitra ao amin'ny fahitalavim-panjakana voafehy sy amin'ny fampahalalam-baovao mampiasa webcam sy solosaina fotsiny. Nohazavaina tato amin'ny maneho hevitra amin'ny tranokala (talk back website ny fandehan'izany: Mahita zavatra...

Tontolo Arabo: Arahabaina i Tonizia!

Ilay mpitolona ho an'ny zon'olombelona, Moncef Marzoiki, 66 taona, no voafidy ho filoha vonjimaika hitantana an'i Tonizia nanomboka ny 13 desambra. Mpanohitra izy ary nogadraina sy natao sesintany nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha Zeine El Abidine Ben Ali, hitondra an'i Tonizia izy mandram-pandrafitra ny lalàm-panorenana vaovao, sy ny fifidianana...

Palestina: Matory Ary Fohazin'ny Fipoahana Ny Ao Gaza

Ny fahanginan'izao tontolo izao amin'ny fanafihana tsy an-kiato an'i Gaza dia nahatonga hatezerana mafy tamin'ireo mpampiasa aterineto ao amin'ny Twitter, izay niampanga fa tsy mijery ireo Palestiniana ho toy ny olombelona intsony izao tontolo izao. Ireo fihetseham-po ireo dia taorian'ireo vaovao momba ny nanafihan'i Israely ny Lemak'i Gaza tamin'ity maraina ity , izay nitarika fahafatesana olona iray sy dimy naratra. Mizara ny zavatra niainany ao amin'ny Twitter nandritra ny fanafihana tahaka izao ireo Palestiniana.

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar