Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Jolay, 2011
Bahrain: Manomboka ny Fifanakalozan-kevitra nasionaly ny fitondrana sy ny mpanohitra
Hatramin'ny fihetsiketsehana tamin'ny 14 Febroary 2011 tany Bahrain, toa noresahina tsindraindray ihany ny hevitra hoe hosokafana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny mpanohitra sy ny mpitantana. Tamin'ny Sabosty 2 Jolay, farany dia nanomboka ihany ilay fifanakalozan-kevitra nandrasana hatry ny ela ka nandray anjara tamin'izany ny vondrona laika Waad sy ny vondrona Wefaq Shia.
Arabia Saodita: Ny mariazin'i #Tabukgirl
Tsy sambany tsy akory no nahitantsika lehilahy mampanambady ny zanany vavy tsy mbola ampy taona amina lehilahy efa voky taona, indrindra fa any Arabia Saodita sy any Yemen. Ho entin'i Mona Kareem amintsika ny tantaran'i #Tabukgirl [zazavavin'i Tabuk] sy ny adihevitra naterak'ity zazavavy noterena hanambady lehilahy efa 60 ity tany amin'ny valantserasera Saodiana.
Arabia Saodita: Lalàna Vaovao Enti-manohitra ny Fampihorohoroana Hamotehana ny Fihetsiketsehana
Andro vitsivitsy lasa izay, nasehon'ny Amnesty International ilay volavolan-dalàna Saodiana tafavoaka mikasika ny Lalàna vaovao enti-miady amin'ny fampihorohoroana, nofaritan'ny fikambanana tao anatin'ny fanambarana nataony fa toy ny “lalàna manome alalana ny fitondrana hangenja ny mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana amin'ny fanomezana sazy henjana tahaka ny heloka fampihorohoroana”, ary nampiany koa fa afa-manasazy hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina farafahakeliny...
Koety: Miady Amin'Ireo Orinasa Mpanome Tolotra Aterinto Ny Bilaogera
Tato anatin'ny roa volana, ireo bilaogera Koetiana dia nanao fanentanana manohitra an'ireo mpanao tolotra aterineto izay manery amin'ny famerana ny 'bande passante" (Avy amin'ny mpandika : asa raha azo atao hoe "Fatran'onja" izy io), ny vola lafobe aloa efa hatramin'ny taona lasa, izay sanda nifanarahan-dry zareo fa hampitoviana, ary dia mamono araka izany ny fifaninanana eo amin'ny tsenan'ny aterineto.. Manaparika izany hetsi-panoherana izany i Mona Kareem.
Tonizia: Manomboka ny fisoratana anarana hifidy, Tatitra olana ara-teknika
Nanomboka nisoratra anarana tao amin'ny lisi-pifidianana ny Toniziana ny andron'ny 11 jolay. Hitohy hatramin'ny 2 aogositra moa izany fisoratana anarana izany. Heverina ny handrotsa-bato hifidy ny antenimieram-panorenana, izay hanoratra ny Lalampanorenana vaovao, manko ny Toniziana amin'ny 23 Oktobra ho avy izao. Efa misy sahady ny mitatitra ny fisian'ny olana ara-teknika.
Ejipta: Fa Nahoana No Ny 8 Jolay?
Niverina indray eo amin'ny kianjan'ny Tahrir ny Ejiptiana, ivon'ny revolisionan'izy ireo indray androany. Nefa inona no mbola takian'izy ireo amin'izao revolisiona efa vita izao, tsy eNiverina tamin-kery eo amin'ny kianjan'ny Tahrir indray androany ny Ejiptiana, ivon'ny revolisionan'izy ireo. Fa inona no mbola takian'izy ireo amin'izao revolisiona efa vita izao, efa tsy eo amin'ny fitondrana intsony i Mubarak, ary tsy efa betsaka amin'ireo tànan-kavanany teo amin'ny fitondrana ve no any amponja? a tsy eo amin'
Syria: Izy Voatifitra Ihany Ve no Naka Nandrakitra an-Dahatsary Ny Fitifirana Azy?
Ny lahatsarin'olon-tsotra manaraka ity izay nalefan'i syria7ra mpampiasa YouTube, nahitàna sahala amin'ny hoe misy olon-tsotra mpizara vaovao iray teo am-pakàna sary ny korontana tao Syria no nandrakitra ny fotoana nahafatesany tao anatin'ny lahatsariny
Ejipta: Fahatsiarovana ny Tolona Manohitra ny (rafitra) Fampijaliana
Raha manamarika ny andro iraisam-pirenena manohitra ny Fampijaliana izay nitontona ny 26 jona teo izao tontolo izao, dia nitodika tao Ejipta avokoa ny maso, satria misy dikany manokana ho an'ny olona ao ny tolona natao hanoherana ny fanararaotam-pahefana ny olom-pirenena. Nandritra ny telopolo taona izay dia tsy nitsahatra ny nampiasa ny sampam-piarovana : ny...
Syria: Manao Hetsika Ho An'i Anas Maarawi ny Bilaogera
Anas Maarawi no bilaogera Syriana farany naiditra am-ponja. Nosamborina tao an-tanànany ao Kafarsouseh ao Damas izy ny 1 Jolay 2011, ka tsy nahenoam-baovao intsony ny momba azy nanomboka teo. Bilaogera fanta-daza ao Syria sy any ivelany i Anas. Ankoatra ny bilaoginy manokana Anas Online, dia misahana bilaogy momba ny haitao sy tetikasa maromaro...
Ejipta: Nahemotra ny Fitsarana Ireo Namono An'i Khaled Saeed
Khaled Saeed, tovolahy avy any Alexandria nambara fa maty teo am-pelatanan'ireo mpitandro filaminana tamin'ny volana Jona raha araka ny tatitra, dia lasa sary famantarana ny Revolisiona ao Ejipta. Nandrehitra ny tsy fahafaliana teo amin'ireo tanora Ejiptiana nandritra ireo herinandro lasa ny famonoana azy, nahatonga ny sarin'ny vatany voavely mafy hiodina be tao amin'ny aterineto nitondra nankamin'ny revolisiona. Niatrika fitsarana ireo mpitandro filaminana voampanga ho namono azy androany. Ireto manaraka ireto ny fihetseham-po vitsivitsy taorian'ny fanemorana ny raharaha ho amin'ny 24 Septambra.