· Mey, 2011

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Mey, 2011

Ejipta: Voasazy handoa onitra noho ny fanakanana ny aterineto nandritra ny Revolisiona i Mubarak

Voasazin'ny fitsarana ejipsiana handoa onitra 540 tapitrisa livra ejipsiana (90 tapitrisa dolara amerikana) noho ny fanapahana ny aterineto sy ny finday nandritra ny revolisiona nanaisotra azy ny filoha voaongana Ejipsiana Hosni Mubarak sy ny olom-panjakana hafa, araka ny didy nivoaka androany. Araka ny voalazan'ny Reuters, dia nodidian'ny Fitsarana misahana ny...

Tonizia: Miverina indray ny Sakana amin'ny Aterineto

Ny mpampiasa aterineto Toniziana dia afaka niditra ankalalahana tamin'ny Aterineto, tao aorian'ny nienjeran'ny fitondran'i Ben Ali tamin'ny tapaky ny Janoary sy ny niafaran'ny sakana amin'ny vohikala nisy teo aloha. Toa hifarana anefa ity volan-tantely fohy ity, noho ny baiko azo vao tsy ela izay, avy amin'ny fitsarana miaramila mba hanakanana pejy Facebook efatra. Manohitra ny fivoarana vaovao ireo mpampiasa aterineto ao anatin'ity lahatsoratra ity.

Koety: Ny bilaogera manoloana ny fanendrena ny governemanta fahafito nataon'ny PM

Bilaogera Koesiana nanohy niadi-hevitra ny fomba hiasan'ny governemanta amin'ity herinandro ity, taorian'ny fananganana governemanta vaovao nataon'ny Praiminisitra Sheikh Nasser Al-Mohammed Al-Sabah. Tamin'ny lahatsoratra teo aloha no efa nanoratako ny fanendrena indray ny Praiminisitra na dia teo aza ny  fanontaniana efa nataon'ny Antenimiera, manoloana ny fiovaovan'ny governemantany. Andro vitsivitsy lasa, nanao ny...

Tontolo Arabo: Handray an'i Maraoka sy Jordania Ny Vondron'ny Fitondram-panjaka Arabo

Tamin'ny voalohany nihevitra ny tsirairay fa vazivazy na tsahotsaho ihany ny tao amin'ny Twitter. Taty aoriana, fantatr'ireo mpiserasera fa zavamisy marina tokoa fa tsy tsaho na vazivazy ka nampitokelaka ireo mpisiokantsera ny fahafantarana fa horaisina  tsara sy hiadian-kevitra ny fangatahan'i Maraoka ho mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Fiaraha-miasa ao amin'ny Helodrano (CCG)....

Tonizia: Miverina indray Ny Herisetran'ny Polisy

Niverina an-dalambe n itaky indray ny fialan'ny governemanta ry zareo Toniziana, taorian'ireo fanambaràn'ny Minisitry ny Atitany teo aloha Farhat Rajhi nivoaka tao amin'ny pejy Facebook iray fa hoe hitohy hotantaninà governemanta miafina i Tonizia, tarihan'ny naman'i Ben Ali iray, dia i Kamel Ltaief ankoatry ny zavatra hafa. Ary indray mandeha indray, niatrika ny herisetra sy famoretan'ny polisy ireo mpanao hetsi-panoherana.

Tonizia: bilaogy nandà ny loka notohanan'ny governemanta Barhainita azony

Nahazo ny Amboara Arabo eContent 2011 ny vavahadin-tserasera bilaogy Toniziana Nawaat, ao amin'ny sokajy e-fandraisana anjara sy fampandraisana anjara Loka Arabo eContent 2011 . Fifaninanana nokarakaraina sy notohanan’ ny governemanta Barhainita ara-bola ny Arabo eContent. Mpikambana ao amin'ny Nawaat, sehatra bilaogy iraisana izay nampahafantatra amim-pivitrihana amin'izao tontolo izao ny fikomiana toniziana tamin'ny fanonganana...

Koety: Raiki-pitia amin'i Osama bin Laden

Ahoana no atao mba hahatonga ny vehivavy ho tia olona tahaka an'i  Osama Bin Laden lehiben'i Al-Qaeda? Toa tahaka ny hoe ny volombava lavabe, araka ny filazan'ny vehivavy Koesiana mpanoratra Khulood Al-Khamis, izay nanaitra ireo mpamaky tamin'ny taratasim-pitiavana nosoratany ho an'ilay atidoha mikotrika ny fampihorohorona, izay efa novonoin'i Etazonia, tao...

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar