· Febroary, 2011

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Febroary, 2011

Bahrain: Fanajàna ny Andro Fisaonana

Ny Zoma (25 Feb) dia nambara tamin'ny fomba ofisialy ho 'Andro iray Fisaonana' an'ireo maritiora rehetra lavo nandritra ny Hetsi-panoherana tamin'ny Andron'ny Hatezerana ho an'i Bahrain, izay nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011. Misaintsaina ny amin'izay andro izay ireo mponin'ny aterineto.

Tonizia: Nametra-pialana ny praiministra taorian'ny vono-olona ny Asabotsy

Ity lahatsoratra ity dia fanadihadina manokana mikasika ny  Revolosiona Tonizia taona 2011. Nametram-pialana ny praiminisitra vonjimaika Mohamed Ghannoushi taorian'ny fatiolona ny Asabotsy tao an-drenivohitra Tunis. Ny fifandonana niseho tamin'ny Zoma alina tao amin'ny lalana Habib Bourguiba, nitarika fahafatesan'olona telo nisy teo amin'ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana. Narahina  fampisehona...

Tonizia: Ny Fitsimbadihan'ny Hetsika Am-pilaminana Mankany Amin'ny Herisetra Mahery Vaika

Mitohy ireo hetsi-panoherana miantso fanovàna ara-politika tonga dia vavany sy fametraham-pialàn'ny priminisitra Mohammed Ghannoushi any Tonizia. Raha ny fahitàna azy, ny fionganan'ny filoha teo aloha Ben Ali dia tsy ampy ho an'ny ampahany maro amin-dry zareo Toniziana izay mitady ny hanilihana manontolo ireo mpitondra ary hanapahana izay mety ho fifandrohizana amin'ny omaly.

Libya: Maty izay rehetra manao zavatra

Vao nanao lahateny tezitra tamin'ny fahitalavi-panjakana Lybiana ny mpanao didy jadona any Libya Muammar Al Gaddafi mampitandrina sy mampatahotra ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta sy ny mpanara-dia azy, fa hiafara toan'i Afghanistan, Irak, na Somalia i Lybia. Mankahery ny Libiana izy hivoaka ny tranony ary handroaka ny "mpampihorohoro" ary hitaona ireo any amin'ny hery fiarovana mba "hanasaziana azy ireo mandra-pahafatiny".

Jordan: Voavaly ny fangatahana hamaly an'i Libia

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Fikomian'i Libia 2011 ity lahatsoratra ity. Nandritra ireo Fihetsiketsehina marobe niseho tany Tonizia ary avy eo tany Ejipta, nanao fihetsiketsehina tamim-pirahalahiana ireo Jordaniana, ary namoaka bilaogy maro sy tweet tsy voaisa intsony momba ireo hetsika ireo. Tsy niavaka tamin'ny modely ny fikomiana tany Libia; Namerina...

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar