· Desambra, 2010

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Desambra, 2010

Tonizia: Korontana nateraky ny fikasana hamono tena nataonà lehilahy iray tsy an'asa

Toniziana tsy an'asa iray no nikasa handoro ny tenany ho fanehoana tsy fankasitrahana amin'ny tsy fahitàny asa, ka niteraka onjan-kerisetra tao an-toerana sy fanehoana firaisankina ombam-panohanana teo anivon'ny tambajotra sosialy. Raha mbola tsy fantatra mazava izay niafaran'i Mohamed Bouazizi, 26 taona, avy ao Sidi Bouzid, faritra atsimon'i Tonizia, nopaingorin'ireo Toniziana mpampiasa aterineto ilay zava-nitranga mba hilazàna ny tsy fisian'ny asa, ny kolikoly sy ny fitsitontongan'ny zo maha-olona ao amin'ny firenen-dry zareo.

Oman: Sàngany amin'ny fitorahana bilaogy no mitantara ny aminy

Ny bilaogy ao Oman, tahaka ny any an-kafa aty amin'ny faritra, dia tsy malaza loatra miohatra amin'ny toeram-pifanakalozan-dresaka (forum) amin0ny aterineto, saingy nisy fitoboroboany kosa ny fitorahana bilaogy tato anatin'ny taona vitsy. Global Voices dia nitafatafa tamin'i Muawiyah Alrawahi, tanora iray mpitoraka bilaogy namporisika ny Omanis (ilazàna ny olona avy any Oman) mba hitoraka bilaogy sy hanokatra adihevitra ho an'ny daholobe eo amin'ny firenen-dry zareo, amin'ny fanamafisana fa "ny olana tsy ifanakalozantsika hevitra no olana tsy ho voavahantsika".

Syria: Avelao hirotsaka ny ranomandry!

Toetrandro tsy nahazatra loatra narahan-tafiotra no nanamarika ny herinandro lasa teo tany amin'ny faritra maro tany Levant, raha nirotsaka ny orana efa nandrasana ela sy ny ranomandry tsy nampoizina nandrakotra izay rehetra taka-maso. Tao an-drenivohitra Siriana, sambany rakotra ranomandry indray ny arabe rehetra raha tsy nisy izany an-taona maro. Tao Damas, na dia misy ranomandry tsindraindray ihany aza, tsy dia mijanona ela eo ambonin'ny tany ireny.

Jordania: Herisetra amina baolina kitra sa Fanavakavahana?

Ireo tatitry ny Fampahalalam-baovao dia maminavina fa 250 any ho any ny naratra taorian'ny lalao baolina kitra tao atsimon'i Amman nifanandrinan'ny tarika Wihdat, izay matetika no tohanan'ireo Jordaniana manam-pihaviana Palestiniana, sy ny tarika al-Faisali, izay mazàna kosa no tohanan'ireo Jordaniana manam-pihaviana avy any Transjordania. Miresaka momba ny loza nitranga ireo mpandefa Tweets

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar