· Novambra, 2010

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Novambra, 2010

Tonizia: Fanombohan'ny Fanentanana Manokàfa Bilaogy

Taorian'ny fito volana nipetrapetrahan'ny fitorahana bilaogy, noho ny faneriterena nataon'ny manampahefana niafara tamin'ny nandràrana bilaogy efa ho 100 mahery, namondron-kery ireo Toniziana mpitoraka bilaogy ka nankahery ny olona mba hanomboka hizara ny eritreriny sy ny zavatra iainan'izy ireo eo anivon'ny aterineto. Vao natomboka nalefa mihitsy ny "Manokàfa bilaogy" hisarihana mpitoraka bilaogy vaovao ho ady amin'ny sivana.

Ejipta: Afaka i Kareem Amer!

Taorian'ny 1470 andro nolaniany tany am-ponja, afaka ihany nony farany ilay Ejiptiana mpitoraka bilaogy Kareem Amer. Nihoatra 10 andro amin'ilay efatra taona voatondro hohefainy noho ny faniratsirana ny Silamo sy ny Filohan'i Ejipta Mohammed Hosni Mubarak tao amin'ny bilaoginy (Ar) izany

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar