· Aogositra, 2010

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Aogositra, 2010

Maraoka: Ny teny Anglisy ho Teny fampiasa faharoa

Milaza i Said Bellari, mpanoratra ho an'ny Moroccoboard.com, mikasika ny fanalàna tsikelikely ny fiankinan-doha amin'ny teny Frantsay, ary ny fampidirana ny teny Anglisy ho teny ofisialy faharoa ampiasaina any Maraoka. Ao amin'ny boky nosoratany, manolotra ny fomba fijery tena tsara voatra fantatra amin'ny hoe “fanalàna fahaizana mamaky teny sy manoratra” izy. Tatitra avy amin'i Nabila Taj.

Maraoka: Rehefa manolotra Ramadany amin'ny fomba Frantsay i Sarkozy

Rehefa nanoratra lahatsoratra fanesoana tao amin'ny blaoginy mikasika fanambarana tsy tena misy nataon'ny filoha Nicolas Sarkozy mikasa hametraka fomba Frantsay mikasika ny Islam na ireo Silamo Frantsay i Ahmed, tsy nanampo mihitsy izy hoe ho lasa lohatenin-gazety sy ireo vohikalan'ny media amin'ny aterineto ny "tantarany", tsy tahaka ny vosoboso-dratsy noheveriny fa tahaka ireo vaovao milaza zava-misy.

Maraoka: “Ny fotoam-pialan-tsasatro miaraka amin'ny boky”

Ao anatin'ny tontolo rakotry ny teknolojia mivoatra, sy toerana ahitana fa mihamora ny famakiana e-boky sy ireo pilina ary miha-mora hatrany isan'andro ny fidiran'ny vahoaka aminy, mety mbola hisy toerana tavela ve ao amin'izany ho an'ireo boky nosoratana fahiny? Ho an'ireo mpitoraka bilaogy Maraokana sasany, ny valinteny dia eny, ary eo ny teknolojia hanaporofo fa marina izany

Ejipta: Jamban'ny finoan'olo-malaza?

Any Ejipta, manapa-kevitra ny hitia na hankahala ireo olo-malaza arakaraka ny finoany ny olona sasany. Ny mpilalao sarimihetsika Libane Nour, ny mpilalao sarimihetsika Ejiptiana Basma, ny mpanolotra fandaharana ao amin'ny radio Osama Mounir, ary maro hafa no foto-dresak'ity "scrutiny" ity. Maninona ny olona no toa lasa adalan'ny finoan'ireo olo-malaza?

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar