· Aogositra, 2009

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Aogositra, 2009

Iraka: Fahafatesan'i Abdul Aziz Al Hakim lehiben'ireo Shi'ite

Sayyed Abdul Aziz Al Hakim, lehiben'ny filankevitra ambony Islamika any Iran (ny antoko politika lehibe indrindra ao amin’ny antenimieram-pirenena Irakiana), dia matin’ny homamiadan’ny havokavoka tamin’ny 26 Aogositra tany Tehran, any Iran. Mety hisy fihatraikany amin’ny lafiny politika any Iran ny fahafatesany. Nihetsika tamin’ity vaovao ity ireo mpitoraka blaogy.

Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra

  17 Aogositra 2009

Nifampitantana ny mpampiasa aterineto tany Ezypta naneho ny fahatezerany tamin'ny lalàna vaovao nametra ny fampiasany aterineto. Nadaboka ankehitriny ilay lalàna ka izay vao misoratra anarana ihany sisa iharany, ao anatin'ny roa volana, rehefa hita ny herin'ny hetsika.

Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”

  16 Aogositra 2009

Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane, tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka tamin'ilay gazety mpivoaka isan'andro Le Monde ireo gazetiboky ireo, izay niantsoany ireo olontsotra Maraokana hanome ny hevitr'izy ireo amin'ny fitondram-panjaka...

Palestina: Ny Fisondrotana Kilasy any Gaza

  04 Aogositra 2009

Ny tawjihi dia ny fanadinana ankapobeny aorian'ny dingana faharoa any amin'ny faritr'i Gaza, sisiny andrefan'i Jordana, ary mamaritra ny safidin'ny mpianatra iray momba izay anjerimanontolo sy ny sampana horaisiny. Tamin'ity taona ity, ny fiatrehana miaraka ny fanadinana any amin'ny sisiny andrefana sy ao Gaza dia noraisina ho toy ny taratry ny firaisam-pirenena sahady.

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar