The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Arabo Tahiry Sokajinteny

RSS ho an i Arabo

2009-10-27

Tonizia: Fifidianana madio sy tsy mitongilana?

Araka ny efa tsikaritra mialoha dia nandresy tamin'ny fifidianana toniziana indray ka hitantana fanindiminy ny firenena ny filoha Zine Al Abidine Ben Ali. Ny tsy nantenaina dia ny 89.69%n'ny vato rehetra azony. Ny faminavinana manko dia nametraka fa tokony hahazo vato bebe kokoa noho io izy. Tafavoaka tsara ihany koa ny ...

Isiraely: “fanavakavahana tsotsotra” amin'ny fitateram-baovao

Eo ho eo amin'ny 20%-n'ny mponina, ireo Palestiniana mizaka ny zom-pirenena Isiraeliana (antsoina ihany koa hoe Arabo Isiraeliana) no milaza fa voavakavaka amin'ny sehatra maro eo amin'ny andaanandrom-piainana. Nanery am-panahy mpamaham-bolongana Palestiana iray any Isiraely ny fomba fitantaran'ny haino aman-jery lozam-piarakodia niseho vao haingana. Ny mpamahana ny bolongana The Other ...

2009-10-10

Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?

Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr

2009-09-25

Hetsiky ny mpitoraka blaogy Omani hiadiana amin'ny gripam-borona

Mifanome tànana ireo mpitoraka blaogy Omani mba hanentana sy hiaro ny mponina amin'ny loza ateraky ny gripa. Hatramin'izao, olona 16 no maty noho ity aretina ity any Sultanat, ny avo indrindra miohatra amin'ireo mifanakaiky aminy.

2009-09-09

Ejipta: Manana televiziona roa ny fiangonana kôpta

Rehefa nandamoka hatrany nandritra ny 15 taona ny andrana hametraka televiziona iray ho an'ny finoana Kôpta (kristiana ôrtôdôksa) dia nody ventiny izany ankehitriny fa nisy televiziona roa nahazo alalana ary misy efatra ihany koa eo am-panandramana. Nanandratra ny Aghapy TV - avy amin'ny teny kôpta hoe “fitiavana” - ho ...

2009-09-08

Ejipta: Ny fitiavam-pisehosehoan'i Naglaa El Emam

Lohatenim-baovao maro indray no nampiseho an'ity mpahay lalàna Ejipsiana maha-be resaka ity. Eto indray dia ny niovany finoana ho kristiana no anton-dresaka. Mitantara ho antsika i Marwa Rakha.

2009-08-31

Iraka: Fahafatesan'i Abdul Aziz Al Hakim lehiben'ireo Shi'ite

Sayyed Abdul Aziz Al Hakim, lehiben'ny filankevitra ambony Islamika any Iran (ny antoko politika lehibe indrindra ao amin’ny antenimieram-pirenena Irakiana), dia matin’ny homamiadan’ny havokavoka tamin’ny 26 Aogositra tany Tehran, any Iran. Mety hisy fihatraikany amin’ny lafiny politika any Iran ny fahafatesany. Nihetsika tamin’ity vaovao ity ireo mpitoraka blaogy.

2009-08-17

Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra

Nifampitantana ny mpampiasa aterineto tany Ezypta naneho ny fahatezerany tamin'ny lalàna vaovao nametra ny fampiasany aterineto. Nadaboka ankehitriny ilay lalàna ka izay vao misoratra anarana ihany sisa iharany, ao anatin'ny roa volana, rehefa hita ny herin'ny hetsika.