Tantara mikasika ny Albaniana
Barbie ao Balkàna : Avy amin'ny vaovao diso mankany amin'ny alahelo an'i Yogoslavia
Nampiasaina ho toy ny fitaomam-panahy ho amin'ny vaovao diso ao Balkàna ny vaovao mikasika ny fandraràna ilay sarimihetsika Barbie ao Vietnam, miaraka amin'ny filazana diso mikasika ny sivana ao Serbia.
Fahatakarana ny voka-dratsin'ny fampielezankevitra Rosiàna manohitra ny OTAN sy Kosovo
"Tena manimba sy mampidi-doza ny fiparitahan'ity vaovao diso ity any amin'ireo firenena izay tsy dia misy fahalalana firy mikasika ny raharahan'i Kôsôvô."
Miteraka olana ara-piarovana ao Kosovo ny firohotry ny fandrahonana baomba mamitaka
Nahazo an'i Kosovo ihany koa ny fanairana baomba nanerana an'i Balkana. Nahazo hafatra fandrahonana avy amin'ny adiresy tsy fantatra ny Oniversite, ssekoly, seranam-piaramanidina sy fandraisina bus.
Mandà hatrany ny Fandripahana tao Račak/Reçak ny manampahefana Rosiana sy Serba
Nandà ny vono olona tany Račak/Reçak tamin'ny taona 1999 tany Kosovo ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rosiana Sergey Lavrov, nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin'ny masoivohom-baovaom-panjakana Rosiana Sputnik izay navoakan'ny fampahalalam-baovao Serba.
Ny governemantan'i Kosovo no voalohany nidaboka ao anatin'izao krizin'ny coronavirus manerantany izao
Niteraka fifanenjanana tao amin'ny ankolafy miara-mitondra nankany amin'ny fialàny eo amin'ny fahefany ny fepetra noraisina vao haingana hiadiana amin'ny COVID-19.
Simba ny demaokrasia ao Albania, miala ao amin'ny parlemanta ny mpanohitra ka manao famoriam-bahoaka goavana
Albaney an'arivony no nandray anjara tamin'ny famoriam-bahoaka notarihan'ny mpanohitra tamin'ny 21 Febroary tao an-drenivohitra Tirana. Mitaky fifidianana vaovao izy ireo taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Voice of America sy ny Balkan Investigative Reporting Network nilaza fa niara-niasa tamin'ny andian-jiolahy tamin'ny tetikady fividianam-bato ireo manampahefam-panjakana tamin'ny fifidianana 2017.
Noivaivain'ny Praiminisitra Albaney ny Mpanao Gazety Ny Taorian'ny Nifidianan'ny Parlemanta Ny Fiarovana Ilay Mpanao Lalàna Tsy Ho Samborina
"Helohin'ny Sendikan'ny Mpanao Gazety ny fihetsika sy ny fanevatevana toy izany izay mifandray mivantana amin'ny toe-javatra sarotra atrehin'ny mpanao gazety eto Albania."
Ezahan'ny Parlemanta Albaney Sarotsaronana Amin'ny Resaka Fanavaozana Ara-pitsaràna Dia Dioviny ireo Politisiana Mpisoloky Ao Aminy, Hoy ireo Mpanakiana
Taorian'ireo hetsipanoherana, nolavin'ny filohan'i Albania ny hanasonia ilay lalàna izay mety hanala ny sazin'ireo politisiana marobe mpanao kolikoly. Saingy mety mbola hivadika ho lalàna ihany ilay izy, na ho inona na ho inona ataony.
Albaniana avy ao Makedonia Nivoaka ny Tsipika Ara-Poko Handatsa-Bato Ivelan'ny Antoko Mitondra
Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny politika Makedoniana ny resaka foko, ary ny Albaniana no foko faharoa maro an'isa indrindra ao amin'ny firenena.
Nofoanana Noho ny Fanafihana ny Lanonam-Panombohan'ny “Kosovo 2.0 Talks Sex”
Nikasa ny hamoaka pirinty ny votoaty iray hafa ny Kosovo 2.0 ka Kosovo 2.0 Talks Sex no anarany ary nokasainy ny havoaka 14 Desambra teo izy io. Saingy indrisy moa fa fotoana fohy monja taorian'ny lanona-panombohana, dia nisy andian-dehilahy eo ho eo amin'ny 20 eo niditra tao amin'ny nanatontosana ny lanonana tao Pristina, nandrava ny sehtra ary nidaroka ny iray amin'ireo mpiasa. Nofoanana ny lanonana. Mitatitra i Elena Ignatova.