The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Ankapobeny

RSS ho an i Ankapobeny

2009-12-01

Horonantsary: Atsaharo ny herisetra atao amin'ireo vehivavy maneran-tanyVideo post

Anio, faha-25 Novambra no andro iraisam-pirenena Iadiana amin'ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no anehoan'ny olona maro sy fikambanana maneran-tany ny fanirian'izy ireo hampiato ny herisetra ary koa ny ezaka entin'izy ireo hanamafisana fa manana tontolo afaka iainana am-piadanana ny vehivavy.

2009-11-26

Vehivavy Dalit any Nepal: Mitolona ho amin'ny Fahamendrehana

Ny lalampanorenana any Nepal dia miantoka ny fitoviana eo amin'ny Dalit sy ny 'tsy fikitika'. saingy ny tena zava-misy eo amin'ny tontolo, ivelan'ireo fepetra lavabe sy misampantsampan'ny lalampanorenana sy ny lalàna, dia mbola entina toy ambany noho ny olona foana ny dalits

2009-11-12

Maraoka: Indro tonga ny Masoandro

Nambaran'i Maraoka tamin'ity herinandro ity ny fanombohan'ny tetikasa angovo azo avy amin'ny masoandro, mitentina hatramin'ny 9 lavitrisa $, hampiakarana ny tahan'ny angovo azo havaozina amin'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena. Ireo mpitoraka blaogy mankasitraka azy io no tena maro mizara ny eritreriny.

2009-09-30

Fifaninanana Horonan-tsary: Solontenan'ny Mponina amin'ny andron'ny faha-64 taonan'ny Firenena Mikambana

Manazava ny mpilalao sarimihetsika George Clooney ny fomba ahafahanao mandray anjara sy hahatafidiranao ho isan'ny 5 mpandresy izay mety ho tsara vintana handray anjara amin'ny andron'ny faha 64 taonan'ny Firenena Mikambana any amin'ny Foiben'ny Firenena Mikambana any amin'ny tanànan'i new York.

2009-09-07

Maoritania sy ny fanapoahana baomba nanaovana vy very aina voalohany indrindra

Niharan'ny fanafihan'ireo mpanao vy very ny ainy voalohany i Maoritania tamin'ny Sabotsy, naharatrana teratany Maoritaniana iray sy Frantsay roa.. Mihetsika an'ity tranga ity ireo mpitoraka blaogy sy ireo mpampiasa Twitter.

Global Voices + Resadresaka hanatsaràna ny tany

Conversations for a Better World
Blaogy iray vaovao tohanan'ny United Nations Population Fund (UNFPA) antsoina hoe resadresaka ho fanatsarana ny tany no nanome làlana ny mpitoraka blaogy avy amin'ny Global Voices mba hanampy azy ireo hampivoitra ny resaka an-tserasera momba ny mponina sy ny fandrosoana manerana izao tontolo izao.

2009-08-30

Ekoatora: Ny hiaka ho amin'ny fahaleovantena roanjato taona lasa izay

Mankalaza ny faha-roanjato taonan'ny hiaka ho amin'ny fahaleovantenany amin'ny Espana sy nanampy ireo faritra hanaraka izany ohatra izany i Ekoatora.

Japana: Ny atao amin'ireo “Zavakanton'ny Media”

Ho an’ny firenena mikaroka ny hamadihana ny ‘soft power’ ananany ho toy ny masonkarena [herin'ny rindrankajy ve ity 'soft power' ity?], inona no anjara toeran’ny kolontsainan’ny sarimiaina japone sy ny manga ao anatin’ny pôlitikan’ny governemanta? Ny valinteny ofisialy dia hoe ny sarimiaina japone, manga ary zavakanto numérique dia lova ...

2009-08-05

Kenya:Liona vita amin'ny ‘fibre de verre' hiverina ho ‘Sauvage' any Nairobi

Raha tandindonin-doza ireo liona any Kenya ary mitohy mihena ny isan'izy ireo, nisy hetsika iray ho famoriam-bola sy fanairana ny sain'ny rehetra mikasika ireo liona natao tamin'ny 17 Jona 2009 tany Nairobi.