· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Filazana tamin'ny Marsa, 2012

Mitady Tonian-dahatsoratra Lefitra ny Global Voices

  14 Marsa 2012

Mitady tonian-dahatsoratra lefitra ny Global Voices mba hanampy amin'ny fandaminana ireo lahatsoratra mivoaka isanandro amin'ny teny Anglisy. Ny Global Voices amin'ny teny Anglisy dia ivo iray ho an'ireo mpitoraka bilaogy mihoatra ny 400 sy mpandika lahatsoratra maneran-tany izay miara-miasa mba hitatitra anatina bilaogy sy ny mediam-bahoaka eny rehetra eny, amin'ny fanamafisana ireo feo tsy heno ao anatin'ny media iraisam-pirenena mahazatra.

Torolalan'ny Global Voices Amin'ny SXSW

  09 Marsa 2012

Ny herinandron'ny 9 Martsa dia nanafangaro ireo hevitra fanavaozana tanteraka sy hifampizara zava-pisotro ireo adalan'ny Texas, mpitendry zava-maneno, mpamokatra horonantsary, olona manan-talenta amin'ny fanamboarana sy ireo mpankafy manao fety any Austin. Ny fetiben'ny South by Southwest (SXSW) sy ny tafatafa, izay mahatratra ny faha-25 ankehitriny, dia nanomboka ny Zoma 9 Martsa 2012

Global Voices Mitady Tonian-dahatsoratra Amin'ny Teny Shinoa

  08 Marsa 2012

Mitady tonian-dahatsoratra miasa tapak'andro ny Global Voices (GV) mba hiantsoroka ny fanarahana ny lazain'olo-tsotra any amin'ny tambajotra teny-Sinoa. Ny Tonian-dahatsoratra no misahana ny fitateram-baovao amin'ny fiteny-Sinoa ka mitady sy mandrindra ny fandraisana anjaran'ny mpirotsaka an-tsitrapo. Izy ihany koa no mamokatra sy/na manitsy ny  lahatsoratra lavalava maromaro  isan-kerinandro sy ny lahatsoratra fohy miaty rohy mankany amina...