· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Filazana tamin'ny Desambra, 2010

Tohano ny Global Voices: Ampio ho lasa toerana mifandrohy bebe kokoa izao tontolo izao

20 Desambra 2010

Na eo aza ny fanohanana maro avy amin'ireo mpanolo-tena entanim-pitiavana, mila fanohanana ara-bola ihany izahay mba hampiodinana sy hampiroboroboana ity tetikasa ity. Nanjary taninketsa ho ana tetikasa goavana sy mitondra fivoarana nanerana ny tany ny Global Voices. Rehefa manome fanampiana ianao, tsy hoe manohana fotsiny ireo vohikala 20 efa novokarinay (amina tenim-pirenena 17 !) - fa manosika anay koa ianao hahatanteraka ny fanohanana ireo tetikasam-pampivoarana sy fanandràmana mba hahazoana antoka fa ny tetikasanay dia ho afaka hitohy hiara-dàlana amin'ny fiovàna mihazakazaka, tsy mitsahatry ny aterineto azo entina mandehandeha.

Tohano ireo feo maro ao amin'ny Global Voices – Manomeza fanampiana izao!

15 Desambra 2010

Satria efa hifarana ny taona 2010, manao antso manokana izahay ho an'ny fanohanana amin'ny fanohizana sy fanitarana ny asa vitanay tamin'ity taona ity. Ny mpandrindra, mpanoratra ary mpandika teninay dia mandany ora maro isam-bolana hanambàrana ny haino aman-jerin'olontsotra avy amin'ny faritra sy ny fireneny, mifidy sy mampifandraika ireo feo tena mahasarika, tantara sy hevitra, manampy amin'ny fahafenoan'ny sarin'ny tontolo iainantsika. Raha mino ianao fa manome fahalalàna ho an'izao tontolo izao izahay, mba manaova fanohanana.