· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Filazana tamin'ny Aogositra, 2010

Rosia: Fanohanana ireo niharam-boina tamin'ny lelafo amin'ny alalan'ny famatsiam-baovao amin'ny aterineto

Akon  27 Aogositra 2010

Mbola niparitaka hatrany ny afo tao Rosia nanomboka tamin'ny herinandro lasa teo, izay nampikorontana ny mponina an'arivony. Nisy vohikala vaovao iray niforona ary mampiasa ny fitaovana Ushahidi, Russian-fires.Ru, izy io dia tsy mamoaka an-tsary ny toerana nitrangan'ilay lelafo fa mampifandray ireo mponina mila fanampiana sy ireo manam-paniriana ny hanampy azy ireo.

Venezoelà: Fetiben'ny bolongana sy fahalalaham-pitenenana an-tserasera

  09 Aogositra 2010

Ny Global Voices teny Espaniola dia te-handrisika ny famahanam-bolongana sy hanondro-daza ny mpamaham-bolongana amin'ny alalan'ny “Festival des Blogs” na fetiben'ny bolongana. Avy amin'izay fomba izay no hahafahan'ny GV teny Espaniola mandray anjara mba hahitana [hamoronan'ny mpamaham-bolongana] zava-baovao misy fanadihadiana sy famakafakana avo lenta. Hahazo tombon-dahiny amin'ny mora hahitana kokoa izay...

Nikaragoa: Fihaonana mikasika ireo blaogy sy Media Vaovao 2.0 any Managoa

  02 Aogositra 2010

Amin'ny 12 sy 13 Aogositra dia hotanterahina any Managoa ny Fihaonana mikasika ireo blaogy sy ny Media Vaovao 2.0 (2.0 Encuentro de Blogs & Nuevos Medios), miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ireo manam-pahaizana mikasika ny media vaovao avy amin'ireo firenena samy hafa manerana ny faritra, anisan'izany ireo mpanoratra sasany ao amin'ny Global Voices.