Tantara misongadina mikasika an'i Filazana
Fanambaràna Ireo Tafakatra Amin'ny Dingana Famaranana Amin'ny Famatsiam-bola Kiritika 2013
Te hankasitraka ireo mpandray anjara an-jatony avy amin'ireo firenena maherin'ny 100 izay nanome soso-kevitra ho dinihina amin'ny Famatsiam-bola Kiritika 2013 ho fanentanana ny mponina amin'ny alàlan'ny haino aman-jery ny Rising Voices. Mahafaly anay ny manolotra ireto lisitra 74 tafakatra amin'ny dingana famaranana ary asaina mba handefa ny tetikasa farany ho dinihina. Ambara amin'ny tapaky ny volana Aprily ny mpandresy.
Filazana Ny Fisokafan'ny Fifaninanana Hahazoana Famatsiam-bola Bitika Vaovao An'ny Rising Voices Amin'ity 2013 Ity
Ny Rising Voices dia faly manolotra anao ny sehatra vaovaon'ny fifaninanana famatsiam-bola bitika amin'ity 2013 ity ho an'ireo tetikasa fanentanana ny mediam-bahoaka. Efa afaka mampakatra ny heviny ao amin'ny vohikala ireo mpandray anjara, sy mandray tsikera avy amin'ny vondrom-piarahamonintsika, ho fomba iray hanamafisana ny sosokeviny sy hampifandraisana azy ireo amin'ny hafa. Mifarana ny 1 Martsa 2013 ny fisoratana anarana.
Madagasikara: dingana lehibe no vitan'ny Global Voices amin'ny teny Malagasy
Vao avy napariaka ny lahatsoratra faha 5'000 nadika amin'ny teny Malagasy ny tetikasa Lingua Global Voices amin'ny Malagasy.
-
Jery Todika Momba Ireo Nahazo ny Famatsiana Nandritra Ny Fihaonambe
29/09/2012
-
Global Voices Podcast: Jambo Avy Any Kenya! Ilay Fivoriamben'ny Global Voices
18/07/2012
-
The Engine Room: Fanasokajiana Ny Teknolojian'ny Fisoloana Vava Sosialy
12/04/2012
-
Topimaso Maimaika Amin'ireo Tolotra Famatsiana Tetikasa Madinika Ataon'ny Rising Voices
27/02/2012
-
Vaovao Farany Amin'ny Microgrant Rising Voices 2012
13/02/2012
Tantara farany mikasika an'i Filazana
28/03/2013
Global Voices Any Amin'ny OECD – Fikaonan-Doha Iraisam-Pirenena Momba Ny Fampandrosoana
Nomena fahefana hitoraka bilaogy mivantana ny OECD Global Forum on Development na Fikaonan-doha Iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana atao any Paris ny 4 sy 5 Aprily 2013 ireo mpitoraka bilaogin'ny Global voices. Ho fanomanana ny fivoriana dia nametraka lahatsoratra momba ireo olana amin'ny fandrosoana izay hanampy amin'ny adihevitra atao amin'ny aterineto isan-kerinandro.
31/01/2013
Manatevina Ny Laharan'ny Mpitantana Ny Global Voices i Sue Gardner Avy Amin'ny Wikimedia
Faly dia faly ny Global Voices manambara fa niditra ho mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny Global Voices i Sue Gardner, Tale mpanatanteraky ny Fikambanana Wikimedia
02/01/2013
Mankalaza Ny 2012 Miaraka Amin'ny Global Voices
Satria tonga tamin'ny farany ny taona, dia tianay indrindra ny haneho ny fankasitrahanay tamin'ireo asa mafy, famoronana sy fikarakaràna nataon'ny maro tato anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices. Taonan'ny firoboroboana nitalakotrokotroka sy fahombiazana ho an'ny GV ny 2012. Ireto ny sasany nisongadina
01/01/2013
Ireo Tantara Be Mpamaky Indrindra Teto Amin'ny Global Voices Tamin'ny 2012
Samy hitantsika daholo tamin'ity taona ity (2012) na ny fahombiazana na ny tsy fahatanterahana ho an'ireo hetsika sosialy tety anaty aterineto, ny ady, ny tsy rariny ary ny loza mahatsiravina - saingy koa tsy tambo nisaina ireo tantara momba ny herimpon'olombelona sy ny fifikirana amin'ny aina izay manome antsika fanantenana avo dia avo ho an'ny hoavy.
14/12/2012
Global Voices Sy Ny Herin'ny Isika
Efa mba voaeritreritrao ve ianao hoe ahoana ny ataonay ato amin'ny Global Voices? Ity ary aseho anao ny ambadiky ny sehatra amin'ny fomba fanangonan'ny mpikambana maherin'ny 700 tantara ao amin'ity fikambanana...
03/09/2012
Eoropa Tratran'ny Krizy: E-Boky Voalohany Navoakan'i Global Voices
"EU in crisis" (Eoropa Tratran'ny Krizy amin'ny teny anglisy) no vokatra voalohany avy amin'ny tetikasan'ny Global Voices Books ary ahitana ny tsara indrindra tamin'ireo resaka an-tserasera nifanakalozana tao amin'ity kaontinanta iray ity
25/08/2012
Antso Misokatra Ho An'ny Fandraisana Anjara Anatin'Ireo Atrikasa Mikasika Ny Fitaovana Dizitaly Ho Amin'ny Fiovàna Ara-tsosialy Any Goatemalà Sy Nikaragoà

Ny Rising Voices dia faly miara-miasa amin'ireo atrikasa roa ho tanterahana any Nikaragoà sy Goatemalà ho an'ny tanora mampiasa ny media dizitaly ho amin'ny fiovàna ara-tsosialy. Miaraka amin'ny mpiara-miasa aminay, Hivos sy ny mpikarakara ny atrikasa, Dialogía, hampivondrona ny tanora manodidina ny 18-25 taona eo ho eo ireo "toby" ireo izay antsoina amin'ny anarana hoe "Activistmo", izay hisintona ny tombontsoa azo amin'ny Aterineto sy ireo fitaovana dizitaly hanandratana ny fiovàna ara-tsosialy
03/08/2012
Create UNAOC 2012: Apps Sy Lalao Hisian'ny Fifampiresahan'ny Kolontsaina
Tsy azo odiana fanina intsony fa fitaovana matanjaka, heverina ho azo atao ho fanalahidin'ny fanatrarana ny fanambin'ny taonjato faha-21, ny media sy ny teknolojia vaovao. Azon'ny mpikirakira [développeurs] manerantany araraotina ny...
02/08/2012
Habaka Hita Maso Ho Fanairana Ny Fandraisan'anjara Dizitaly Misimisy Kokoa Avy Amin'olon-tsotra

Mirotsaha manatevin-daharana ny New Tactics, Rising Voices, SMEX, ary ireo mpikirakira hafa anatinà resadresaka ao amin'ny aterineto momba ireo "Habaka Hita Maso Ho Fanairana Ny Fandraisan'anjara Dizitaly Misimisy Kokoa Avy Amin'olon-tsotra" hatao ny 8-14 Aogositra 2012.
27/05/2012
Ireo Bilaogera Kenyana, Maniry Ny Handray Anjara Maimaim-poana Amin'ilay Vovonamben'ny Filazam-baovaon'olon-tsotra Global Voices?
Global Voices dia manome fahafahana hanatrika izany maimaim-poana ho anà bilaogera enina ao Kenya. Mba hahafahanao mandray anjara amin'izany fifaninanana izany, ary ho isan'ny iray amin'ireo enina ireo, dia manorata lahatsoratra anaty bilaogy ahitàna voambolana 500 na latsaka kely mikasika ity lohahevitra ity "Ahoana no ahafahan'ny filazam-baovaon'olon-tsotra manampy mba hiantohana fifidianana milamina ao Kenya ny taona 2012-13"






























RSS ho an i Filazana 







Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa