GlobalVoices anaty

zhhantar

Momba ny mpandray anjara · 195 Lahatsoratra · Nanomboka nandika tamin'ny 03/07/2010

RSS ho an i zhhantar RSS ho an i zhhantar
imailaka zhhantar

Lahatsoratra farany an'i zhhantar

17/06/2013

Sary Lahatsoratra
SARY: ‘Varavaran-kely Mitodika Any Paraguay Ho An'Izao Tontolo Izao ‘

Tohin'ny lahatsoratra

Mandrakotra lohahevitra samihafa ny mpaka sary Paragoayana Tetsu Espósito sy Elton Núñez ao amin'ny bilaogy Yluux, amin'ny alalan'ny sarin'ny natiora, fomba fanao ara-pivavahana, hetsika ara-panatanjahanten'ny atleta, mozika, fizahantany, ary mihoatra izay koa aza.

14/06/2013

Fampisehoan'i Ermia, Mpihira Iraniana, Ny Voaliny

Tohin'ny lahatsoratra

Nisarika ireo Iraniana mpankafy sy mpankahala, izay nanaraka ny fandaharana, ny fanapahan-kevitry ny tanora iray hisarona voaly nandritry ny Googoosh Music Academy, fampisehoana mozikan'ny fahitalavitra miteny Persiana, .

29/04/2013

Nampidirina Anaty Fandaharam-pampianarana An-tsekoly Any Singaporo Ny Fikarakarana Ny Biby

Tohin'ny lahatsoratra

Vaovao tsara ho an'ireo olona tia biby. Nanamafy ny Minisitry ny fampianarana any Singaporo fa ampidirina amin'ny fandaharam-pampianarana vaovao anaty 'Taranja Toetra sy ny Maha-olom-pirenena' ho an'ny mpianatra amin'ny sekoly fototra sy ambaratonga faharoa ny fikarakarana ny biby.

Boky Mampihomehy Iray Mitantara Maherifo, Miaraka Amin'ny Hanitra Kyrgyz

Tohin'ny lahatsoratra

Hahazo boky mampihomehy tsy ho ela sy horonantsarinà sarimiaina lalaovin'ny mpilalao fototra "nasionaly" Barsbek ireo mpankafy ilay Kyrgyz maherifo malaza. Fa misy kosa ireo mpampiasa aterineto izay miaro ny heviny fa toa mitovy loatra amin'i Spider-man ilay maherifon'i Azia Afovoany.

26/04/2013

Azon'i Shipra Atao Ve Ny Mivoaka Ny Lavaka Mangitsokitsoka? Vahaolana Telo Ho An'i Shipra Hialàna Amin'ny Krizy Ara-bola

Tohin'ny lahatsoratra

Manohy ny hazakazany mankany amin'ny bankiropitra ny nosikelin'i Shipra. Miatrika toe-draharaha sarotra ilay repoblika Mediteraneana taorian'ny fanapahan-kevitra Eoropeana ny hanisy hetra ho an'ny mpametra-bola rehetra. Vahaolana telo no miseho ho an'ilay nosy: hitondra fifanarahana miaraka amin'i Eoropa, hitodika any amin'i Rosia, na ny hanambara fa bankirompitra ary hiala ny faritra Euro.

15/04/2013

Niverina Ety Anaty Aterineto Ary Mihaza Mpianatra Ny Tafika Menan'i Shina

Tohin'ny lahatsoratra

Manara-maso ny resadresaky ny mpianatra ety anaty aterineto ny Anjerimanontolo eo amin'ny tanàna iray any amin'ny faritanin'i Guangdong Atsimon'i Shina, ary nanara-maso ny fihetseham-po miiba nandritra ny telo taona izao. Niteraka hatezerana tamin'ny aterineto ity vaovao ity; maro no mihevitra fa nandika ny zo amin'ny fiainana manokan'ny mpianatra ny anjerimanonolo ary mangataka azy izy ireo hanajanona ilay rafitra.

30/03/2013

Lainga, Laingan-doza, ary ny Antontan'isa Tiorka

Tohin'ny lahatsoratra

Rehefa antontan'isa no resaka, dia mijanona manaraka am-bokony fotsiny ny foto-kevitra fony faha-Sovietika ny governemanta Tiorkmena, toy ny amin'ny boky fandrahoan-tsakafo, fanodinkodinana angon-tahiry sy fanalàna an'izay marina rehetra mety manelingelina. Tena avoakan'ny haino aman-jerim-panjakana izay mitondra amin'izao fotoana izao tsara mihitsy ny 'Antontan'isa tsara', toy ny fiakaran'ny vokatra, fa ny vaovao ratsy kosa tsy mba misy mamoaka mihitsy.

29/03/2013

Androany Tibet, Rahampitso Hong Kong?

Tohin'ny lahatsoratra

Mafana fo amin'ny tambajotra any Hong Kong no nikarakara fihaonambe hanehoany ny firaisankinany amin'ny Tibetana teo amin'ny fitsingeran'ny faha 54 taonan'ny Andro Firohotana Tibetana tamin'ny Alahady 10 Martsa 2013. Maro amin'ireo mpandray anjara nanatrika ny fihaonana no mihevitra fa tokony handray ny lesona avy amin'i Tibet ny vahoakan'i Hong Kong mba tsy hiverenan'ny tantara any Hong Kong.

26/03/2013

Ny Big Wet: Anatin'ny Gripan'ny Tondra-drano Ny Any Avaratr'i Aostralia

Tohin'ny lahatsoratra

Doro tanety tsy voafehy no mitranga any Victoria ary tondradrano goavana kosa no misy any Queensland sy ny Avaratry New South Wales any Aostralia. Fintinin'i Nick Evershed ny fihetseham-po nasionaly mikasika ny volon'andro faramparany teo sy ny ifandraisan'izany amin'ny teotrandro: "Aostralia: raha tsy mirehitra izy dia mety ho dibo-drano izay."

‘Afaka Manampy Manazava Amin'Izao Tontolo Izao Mikasika an'i Katalonia ny Global Voices’

Tohin'ny lahatsoratra

Dinidinika niarahana tamin'i Violeta Camarasa, mpamoaka lahatsoratra amin'ny fiteny Katalana ao amin'ny Global Voices Online. Nasehon'ny Global Voices Català nandritra izay volana maro lasa izay fa manana ny traikefa hanazava amin'izao tontolo izao mikasika an'i Katalonia izy, manampy ny vaovaon'ny haino aman-jery fototra izay tsy mandraharaha ny tantara eo amin'ny faritra.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny