2008-07-07
Shina : Mivonòna sahady ny hijoro vavolombelona amin'ny fahatongavan'ny lalao Ôlaimpika
Efa nilaza sahady i Zuola izay vavolombelona mpitatitra eto amin'ny Aterineto fa isan'ireo ho any an-toerana izy [zh], ho tonga any koa ireo mpanao vy very ny ainy ara-pivavahana, ary toa eo am-pikatsahana mpanatri-maso avy any an-toerana ireo gazety vahiny, ary ireo vohikala mpivoy ny web 2.0 dia mihevitra fa misy lahatsary blaogy ara-tsary ...
2008-07-06
Shina : Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana
Mety iharan'ny fandraràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsary [Vlogging] manodidina ny lalao Ôlaimpika (araky ny fiheveran-dry zareo), ary manantena ry zareo fa tsy hahakasika ny tolotry fringsters izany izay vao nametraka tolotra vaovao Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana hoan'ireo rehetra izay mitatitra ara-blaogin-dahatsary ny lalao Ôlaimpika.
2008-07-05
Shina : Raràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsarin'ny manodidina ny lalao Ôlaimpika
ProState in Flames izay mpitatitra an-gazety sy mpiblaogy no mitatitra mikasika ny fanambarana nataon'i Xu Chao, izay tale jeneralin'ny sampan-draharaha misahana ny zon'ny mpamorona [copyright] izay nanambara fa raràna ny fakana lahatsary manodidina ny lalao Ôlaimpika mba hanapariahana azy amin'ny blaogy, satria heverina ho tsy fanajana ny zo mifehy ny ...
2008-07-04
Niara-niravoravo nohon'ny fahafahan-dRtoa Ingrid Betancourt ny faritry Amerika iray manontolo
Niara-niravoravo tamin'ny vahoaka Kôlômbiana ny faritry Amerika Atsimo [Latina] iray manontolo raha vao nahare ny vaovao fa Rtoa Ingrid Betancourt sy olona 14 hafa izay nalaina sy notazonina an-keriny no avotra. Rtoa Betancourt, teratany Amerikana 3 sy miaramila Kôlômbiana 11 no indray afaka taorian'ny andram-panavotana nampitondraina ny anarana teti-panorona hoe “Jaque.” Mpiblaogy avy amin'ny firenen-drehetra ...
Faritra Balkanika : Mpizahatany, tapany faha-2
Sary marobe, lahatsoratra ary hafatra maro mikasika ny tohin'ny dian'i Michael J. Totten's any Albanìa, sy Montenegrô ary Kôsôvô.
[Ity dia mbola tohin’ilay lahatsoratra efa notaterina teto ihany : Michael J. Totten mpizahatany]
2008-07-03
Kôlômbia : Hanonerana izay fotoana very izay
Tienen Huevo mankalaza ny fanafahana an-dRamatoa Ingrid Betancourt izay nalain'ny Mpiady anaty akatan'ny FARC ary notazoniny an-keriny [nandritra ny 2318 andro] any Kôlòmbia :
Bienvenida Ingrid... Estamos a la espera de recuperar el tiempo perdido...
“Tongasoa Ingrid... Tsy andrinay ny hanonerana izay fotoana very izay... ”
[FANAMPIM-PANAZAVANA : kandida ho filoham-pirenena, nalain'ny mpiady ...
Tadzikistana : Hotrakotraka Tadziky
Patrick Frost no manapariaka ao amin'ny Central Asia [Ivon'i Azia] mikasika ny toe-draharaha politika izay toa mihotrakotraka any Tadzikistana :
Tajikistan, already one of the world’s poorest nations, has suffered much this year with a harsh winter, continuing health concerns, and with rising food prices. But the worse could be yet ...
2008-07-02
Israely : Tsy homeko voanjo intsony ianao !
Shalom Rav no manala sarona ao amin'ny Jewschool [sekoly Jiosy] fa Israely hono no firenena fatra-pihinana voanjo indrindra eran-tany, misy anefa tatitra nivoaka vao tsy ela manambara fa mety ho fanondranana voanjo an-tsokosoko avy any Iran no foto-pamatsiana voalohany izany tsena goavana any Israely izany :
Anyone with even a passing knowledge of Israeli snacking ...
2008-07-01
Vovonàna GV : Tanteraka koa ny andro faharoa !
Raha nifantoka amin'ny fisoloam-bava sy fivoizana hoan'ny fahafaham-pitenena'ireo mpiblaogy ny Andro voalohan'ny vovonàna Global Voices, androany kosa dia mifantoka bebe kokoa amin'ny raharaha anatin'ny Global Voices, miaraka amin'ny fampahalalana ireo tetikasa hafa miara-dia aminy dia ny Rising Voices [Fanandratana ny feon'ireo izay tsy re] sy Lingua [dikateny GV, tafiditra ao ny Malagasy amin'ny alalan'ity ...
Rosìa : “Detskiy Mir” tranombarotra kilalao any Môskoa
yustas izay mpampiasa ny vohikala LJ [livejournal.com] no manapariaka sary ampahalalana ny tranombarotra Detskiy Mir (”Tontolon'ny kilonga”), fivarotana kilalao any Môskoa izay nakatona omaly noho ny fanavozana izay tombànana haharitra telo taona.





Pakistan: Nisy baomba nipoaka sady nahaf...
- eny tompoko, misaotra anareo nanome ny vaovao mikasika ny fiainam-pire...
Tohiny »