2008-07-10
Rosìa : Andron'ny Mpianakavy, ny Fifankatiavana ary ny Fanajana ny Fanambadiana
Ny Andron'ny Fitiavam-bady sy ny fahasambaran'ny mpianakavy - nankalazaina tamin'ny faha-8 Jolay, Môskoa, Rosìa (sary nalain'i Veronica Khokhlova, mpanoratra ny lahatsoratra nadika)
Nahazo andro tsy fiasana vaovao iray indray i Rosìa : ny Andron'ny Mpianakavy, ny fifankatiavana ary ny fanajana ny fanambadiana, izay ankalazaina isaky ny 8 Jolay. Amin'ny alalan'ny lahatsoratra nampitondraina ny lohateny ...
2008-07-09
Japàna : Fanambarana mikasika ireo olona nalaina an-keriny izay miteraka fahatezerana
Ny fanambarana nataon'i Koichi Kato, mambran'ny Antoko Liberaly Demôkratika Japôney [Liberal Democratic Party] sady ministra teo aloha rahateo, tamin'ny 7 Jolay 2008 lasa teo dia niteraka fahatezerana teo anivon'ireo mpiblaogy Japoney sy tao amin'ny vohikala 2channel [Japôney]. Ny tsy fandrosoan'ny adihevitra fikatsahana fihavanana amin'ny Japàna sy Kôrea Avaratra dia narohin'i Koichi Kato tamin'ny ...
Jordana : Nametraka hafatra tamin'ny vohikala i Abdallah mpanjakan'ny Jordana
Tamin'iny faran'ny herinandro lasa teo iny, dia nametraka hafatra roa tamin'ny vohikala i Abdallah faha-II mpanjakan'ny Jordana : tao amin'ny gazety Ad-Dustour (teny Arabo) any Jordana, sy ho valin'ny lahatsoratra napariaky Naseem Tarawnah tao amin'ny The Black Iris [Voamaso mainty]. Ireo hafatra ireo dia tohin'ny tafatafa malalaka vao nifanaovan'ny mpanjaka tamin'ny gazety tany an-toerana izay nanolorany ...
Shina : Toeram-pisakafoanana = Simba ny Vohikala Mpandikateny
Buxi no mampahatsiaro ao amin'ny Fool's Mountain [Vohitry ny adala] ny loza mety ateraky ny tsy fahalalàna sy ny fahatokisana an-jambany ireo vohikala mpandikateny ka manapariaka sary feno hatsikana nalaina tany Shina : "Translate Server Error" = Simba ny Vohikala Mpandikateny raha Toeram-pisakafoanana [Canteen, cantine] kosa no dikan'ny soratra Shinoa ...
India : Taham-pahaterahan'ny vavy mihoatra amin'ny lahy, iva indrindra hatrizay hatrizay
Pascale avy any Abu Dhabi [Fanjakana Arabo mitambatra] no manapariaka ao amin'ny Natifnatal ny tatitra nataon'ny ActionAid, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana [ONG, NGO] avy any Angletera, izay mampiharihary fa latsaka amin'izay iva indrindra hatrizay hatrizay ny taham-pahaterahan'ny vavy mihoatra amin'ny lahy any India ankehitriny :
Dans ce pays où tout le monde veut ...
India : Mpanamory fiaramanidina lahy sy vavy voaroaka nohon'ny lanjan'izy ireo diso tafahoatra
Pascale avy any Abu Dhabi [Fanjakana Arabo mitambatra] no mitatitra ao amin'ny Natifnatal ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo any India izay manome rariny ny fanapahan-kevitry ny orinasam-pitaterana an'habakabaka Air India ny handroaka mpanamory fiaramanidina lahy sy vavy ["hôtesses de l’air" sy "stewards"] nohon'ny hataviny be loatra :
la haute cour de ...
Brezila : Andro Iraisam-Pirenena natokana Hitaingenana Bisikleta (tsy) Am-pitanjahana
Noraràna ny fitanjahana tamin'ny fankalazana ny Andro Iraisam-Pirenena natokana Hitaingenana Bisikleta Am-pitanjahana na “World Naked Bike Ride” (WNBR), any São Paulo, tany Brezila :
De acordo com o tenente da PM que estava cuidando da manifestação, a ordem era prender quem exibisse a genitália.
Ou seja, protesto tudo bem... mas pelado não...
Engraçado como no país do ...
2008-07-08
“Andro tsy misy fiarakodia” any amin'ny tanana any Atsimo Atsinanan'i Shina
Tamin'ny taona lasa dia nandray anjara tamin'ny hetsika “andro tsy misy fiarakodia” (无车日) ny tananan'i Kunming, any Shina. Ankehitriny ity tanana any any Atsimo Atsinana'i Shina ity dia mihoatra lavidavitra kokoa ka nametraka ny “andro tsy misy fiarakodia” ho isam-bolana (fa tsy indray mandeha isan-taona toy ny fanaon'ny besinimaro).
Kunming, izay itoeran'ny fikambanana ...
St Vincent sy ireo Grenadina : Aza izay efa tra-boina indray no mbola omen-tsiny
Abeni no mitatitra ao amin'ny And Still I Rise [Raha mbola mijoro foana aho] mikasiky ny firongatry ny fanolanana sy izay adihevitra aterak'izany any amin'ny vondro-nosy St Vincent sy ireo Grenadina :
Judging from the reports in the newspapers and the talk shows it appears as if incidents of rape are ...
Armenia : Kolikoly sy Fialana bala
Blogrel no mitatitra fa noroahina nohon'ny kolikoly ny talen'ny sampan-draharaha miandraikitra ny fanavaozana ny Pasipaoro (OVIR) any Armenia. Anefa dia velom-panontaniana koa i Unzipped izay antony tsy nisian'ny fitoriana ara-pitsarana ho tohin'izany raharaha izany, tena marina ve fa miady amin'ny kolikoly sy ny tsolotra tokoa ny fanjakana fa tsy vazivazy ?.





Madagasikara: Nanakorotantsaina ny fifan...
- Le gouvernement malgache donne la moitié de la surface cultivable aux...
- Doing business is good, but that means an equilibrate profit for all w...
- We are in 2008 therefore we cannot be selling the land of our ancester...
Tohiny »