2008-10-09
Madagasikara : Tatitra avy any an-kodahoda
Ny mpiblaogy fantadaza Ethan Zuckerman no mandinika izay tatitra avy any an-kodahoda any Afrika :
How do we get stories from places like Ilakaka, remote locations in Africa with no permanent press presence? Historically, we’d have to wait for something bad to happen - a mining disaster, an outbreak of disease. ...
Liberia : Tantara fohin'i Liberia
Amin'ny famangian'i David Sasaki, an'i Monrôvia, any Liberia izay hampianarany ireo Liberiana izay fomba fanaovana blaogy. Nanoratra fohy ny tantaran'i Liberia izy :
Liberia’s history - and specifically its relationship with the United States - is fascinating. The country was founded and colonized in 1847 by freed Black slaves from the United States. By ...
Cote d'Ivoire : Namoaka ôtôbiografia i Didier Drogba
Théophile Kouamouo mpanao gazety mitatitra hoan'ny gazety Frantsay "Le Monde" avy any Abidjan no mizara izay fiheviny ilay boky "C'était pas gagné" [Tsy fandresena mora azo], ôtôbiografiana kalaza mpilalao baolina kitra Ivoariana, i Didier Drogba :
C'était pas gagné m'est apparu comme un livre passionnant, qui permet de mieux cerner la personnalité ...
2008-10-03
Japàna : Fampiratiana Rôbô
Edo no manapariaka ao amin'ny blaogy Pink Tectacle sarin'ireo Rôbô vaovao sy tranainy izay ampiratiana mandritra ny CEATEC 2008, any Chiba, any Japàna.
Senegaly : Fahasamihafana mikasika ny Ramadana
Ria Bacon no mizara mikasika ny fivavahana Silamo sy ny fahasamihafana mikasika ny Ramadana Senegaly :
Thus for some, Ramadan ended yesterday; for most it was today, declared a national holiday by the Government. One final confusion: the festival to mark the end of Ramadan is called Korité in Senegal, ...
Dominika : Fahaleovantena
Dominica Weekly no manapariaka sarin'ny fety fanokafana ny fankalazana ny faha-30 taonan'ny fahaleovantenan'ny nosy Dominika.
2008-10-02
Bahrein : Tendrombohitra any Ecosse sy any Omana
BuZain mpiblaogy avy any Bahrein no manao fampitahana ara-tsary ny mahasamihafa ireo tendrombohitra any Ecosse sy any Omana. Ato jerena raha tianao ho fantatra izany fahasamihafana izany.
Iran : Ny talenta manokana mba “tsy hifandraisan-tànana” amin'ireo vehivavy
Faryadbiseda mpiblaogy Iraniana no nanapariaka sary maromaro ahitana ny fihaonan'ny filoham-pirenena Iraniana Mahmoud Ahmadinejad sy vehivavy mpamangy. Mandà ny handray ny tànan'ireo vehivavy mamangy azy ireo ny filoha Iraniana rehefa mifampiarahaba. Satria toa hoe raràn'ny foto-pinoany ivavahany sy ireo Iraniana maro ny hifandray tànana amin'ny vehivavy.
Egypta : Izay tontolon'ny fitovitoviana endrika
Whisper of Madness [bitsibitsiky ny hadalàna] izay monina any Egypta dia misarika ny mpamaky handinika ny fitovitoviana endrika mahazendana misy eo amin'ny sarin'ireo olo-malaza sasantsasany manerana izao tontolo izao [Yasser Arafat, George Bush, Benoit XVI, ...].
2008-09-24
Madagasikara : Ny Blaogiko sy Izaho
Vao nanokatra blaogy vaovao ny namana Andry Rakotoniaina Andriatahiana izay monina any Madagasikara. Ambarany ho “mpanara-maso ny tontolon'ny Aterineto” ny tenany [the cyber observer]:
My name is Andry Rakotoniaina Andriatahiana and I am Malagasy. I am a lawyer, more specifically I work as a legal counsel for an International business and ...




