Global Voices teny Malagasy » Tomavana
Voadona mafin'ny haintany sy ny ranomasina voaloto ny tapany Atsimon'i Madagasikara
[*Fanamarihan'ny mpandikateny: ny lahatsoratra dia nosoratana talohan'ny fanaovan-tsonia fifanarahana tany Addis-Abeba ny alin'ny Zoma 6 mifoha Asabotsy 7 Novambra 2009]
Raha ny hoavy ara-pôlitikan'i Madagasikara, izay tena tsy azo vinavinaina mihintsy izay alehany hatramin'ilay fanonganam-panjakana nitranga tamin'ny volana Martsa lasa teo iny, dia tapahina amin'izao fotoana izao any Addis-Abeba amin'ny alalan'ny fanelanelanana ataon'ny vondrona iraisam-pirenena mpampifandray, iaraha mahalala amin'ny anarana hoe GIC [Groupe International de Contact], izay manandrana indray manelanelana mba ahitana marimaritra iraisana avy amin'ireo ankolafy efatra tonta. Ny filohan'ny Vondrom-pirenena Afrikana sady isan'ireo mpanelanela izay manatrika any Addis-Abeba rahateo, ingahy Jean Ping dia nanokatra ny fivoriana tamin'ny teny manao hoe:
“The reality as you know it on the ground in Madagascar is characterized by fatigue that is felt by the people of Madagascar, people who are hoping the crisis will come to an end. A crisis to which, after all, they are the hostages. Whereas the socio-economic situation in your country is getting worse day by day. The people of Madagascar deserve better destiny and that depends completely on you”
“Araky ny iarahanareo mahalala, ny toe-javatra misy izay iainana any Madagasikara ankehitriny dia leo ny vahoaka Malagasy, miandrandra izay fotoana hiafaran'ity krizy ity ny olona. Krizy izay, izy vahoaka rahateo no mitondra faisana indrindra. Tsy mitsahatry ny miharatsy isan'andro isan'andro ny toe-draharaha ara-piaraha-monina sy ara-ekonomika any amin'ny tanindrazanareo. Mendrika hiaina tsaratsara kokoa noho izao ny vahoaka Malagasy ary miankina aminareo tanteraka ny fahefana hanova izany”
Izany teny izany dia toa azo ambara koa fa fihevitry ny ankamaroan'ny blaogasyfera [Malagasy mpivoy Aterineto] izay manompana ny herim-pony amin'ireo olana hafa koa izay tsy maintsy atrehin'i Madagasikara. Satria Faritra maro ankehitriny no indray voadonan'ireo loza samihafa toy ny haintany tsy manam-paharoa, ny ranomasina voaloton'ny faharendrehan'ny sambo izay niteraka fanapoizinana ny fiveloman'ireo mpanjono aman'aliny, ary ny loza hoan'ny tontolo iainanana vokatry ny fanapahana tsy ara-dalàna ireo hazo sarobidin'ny reniala.
(Fanampim-baovao : vita sonia tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ary ny fifanarahan'ireo ankolafy ara-politika efatra (BBC) : Madagasikara dia hiarahan'ny “vondrom-piloham-pirenena” 3 mirahalahy miara mitondra. Azonao arahanina amin'ireto rohy ireto izay fanadihadiana mikasika izao vaovao farany sady goavana izao: Reuters sy Madagascar Tribune (fr))
Ny tsirariny ara-tontolo iainana vokatry ny fandotoan'ny sambo Gulser Ana ny ranomasina
Ny Gulser Ana dia sambo avy any Torkià nitatitra fôsfata izay rendrika tany amin'ny morontsiraky Madagasikara ka nanapariaka loto simika tamin'izany firendrehana izany ka fototry ny fahafatesan'ireo trozona sady niteraka aretina tamin'ireo fianakavian'ireto mpanjono monina any an-toerana. Na dia notaterin'ireo fantsona fampitam-baovao vitsivitsy azy ny vaovao tato ho ato, dia efa roa volana lasa izay no naharendrika ity sambo ity araky ny notaterin'ny mpiblaogy Malagasy tamin'ireo lahatsorany tsirairay avy tamin'ny voalohandohan'ny volana Septambra.
Toy izao no nosoratan'i Tomavana amin'ny blaoginy (fr):
En plus d’écarter le drame écologique du Sud de l’île des actualités nationales, la controverse politique autour de ces nouvelles nominations pose la question du suivi de ce dossier sensible
Ankoatry ny aloka izay ataony amin' ity vaovao ratsy hoan'ny tontolo iainana ity, ny adilahy politika manodidina ireo fanendrena izay ho ministra dia mampanontany tena ny amin'izay mba fanaraha-maso ity raharaha saro-pady ity.
Tsotra ny fanontanian'i Joan : “Mba renareo ve izay vaovao momba ny Gulser Ana ?”. Anisan'ireo namela hafatra i Capt Collin Smith izay mamoaboafy izay mety ho fototr'izao faharendehan'ny sambo izao:
The only explanation which can exculpate the Captain and Officer of the Watch of this vessel is mechanical breakdown. Anything else is human error, and therefore incompetence, if not recklessness. How can a ship go aground in perfect visibility if the OOW and Captain are paying attention and properly trained? [..] Another practice to save money. The Captain and OOW should have been arrested when they got ashore, and held.
Ny fanazavana izay hany mety hanala tsiny ny kapitenin'ity sambo ity dia raha sendra izay fahasimban'ny milina. Fa izay rehetra fototra ankoatr'izay dia fahadisoan'olombelona avokoa, izany hoe tsy fahaizana, raha tsi-fivakiana loha tsotra izao aza. Amin'ny fomba ahoana koa no irendrehan'ny sambo amin'ny alina mazava tsara raha toa ka samy zatra ady sy mitandrina tsara avokoa ny manam-boninahitra teo am-pamiliana sy ny kapiteny ? [..] Fomba hafa fitsitsiana (koa anie izany fanaovana hitsin-dàlana izany e!)Raha ny izy dia tokony ho voatana dieny mikasi-tany ny kapiteny sy ny manam-bonihaitra izay teo am-paniliana tamin'io fotoana io.
I Mialisoa kosa mitatitra ao amin'ny blaoginy (fr):
les habitants « souffrent de problèmes respiratoires, et de maladies cutanées et diarrhéiques ». Car non seulement ces personnes ont été exposées aux déchets toxiques, mais le nettoyage des zones polluées s’est fait sans vêtements de protection et sans équipements adéquats
voan'ny aretina manembatsembana azy ireo hiaina (sempotsempotra) ny mponina any sady miofakofaka ny hodiny no mivalana. Satria tsy vitan'ny hoe voan'ny fandotoana ireto olona ireto fa nampiasaina tamin'ny fandiovana ireo morontsiraka koa anefa tsy nisy fitaovam-piarovana na fiasana tandrify hanaovana izany akory.
Ny tsy fisian'ny tatitra hatrany am-piandohana mikasika ity raharaha ity dia nahatonga an'i Tomavana hanoratra amin'ny Twitter hoe:
“@fanjakely j'ai l'impression que les habitants Sud #Madagascar sont des malgaches de 2nde zone. J'entends nos beaux discours mais nous sommes pas #Solidaire”
“@fanjakely Toa ohatry ny Malagasy latsaka fahefany ireo mponina any Atsimon'i Madagasikara. Mandre kabary tsara lahatra ombieny ombieny aho anefa tsy mahita izay mba firaisan-kina akory”
Sambo rendrika nampitain'i Mialisoa
Indrisy anefa fa tsy izany ihany no loza mianjady any amin'iny faritra iny.
Haintany tsy manam-paharoa
Tena vitsy ny orana tany amin'ny faritra Atsimo tato ho ato. Araky ny nambaran'ny gazety “the Guardian” [ny Mpiambina], izao haintany tsy ara-potoana izao dia vokatry ny fiovan'ny toetr'andro (nisondrotra 10% mantsy ny mari-pàna) ka niteraka haintany tsy manam-paharoa sy marika fambara izay tsikaritra efa hatramin'ny enim-bolana lasa izao, fa ho henjana ny kere. Tovoheryzo Raobi Jaona no manazava izay fomba iantefan'ny fiovan'ny toetr'andro ny faritra Atsimo (fr):
“Avant, il y avait une sécheresse tous les dix ans. Or, depuis 2000, il y en a eu quatre”
“Fahiny, isaky ny folo taona tany ho any no ahitana haintany. Fa nanomboka tamin'ny taona 2000 kosa dia efa in-4 sahady izao”
Féroce Remanongona, olomboafidy any an-toerana, aza dia miteny mihitsy hoe (fr):
Nous prions le Grand Dieu que le cyclone passe chez nous. Même s’il détruit nos maisons, c’est mieux que subir la sécheresse
Mivavaka izahay mba handalovan'ny Rivomahery aty aminay. Na dia mandrava ireo tranonay aza ireny, dia aleonay misedra azy ireny toy izay kere
Teny henjana izany indrindra raha tsaroana izay fomba namiraviran'ireo rivomahery vao tsy ela akory iny faritra Atsimon'ny nosy iny.
Ny toeram-pandinihana ”Panos Insitute” dia namoaka vao tsy ela andian-dahatsoratra nampitondraina ny lohateny hoe “Pushed to the Edge” [atao ankila-bao] mikasika izay fianjadian'ny fiovan'ny tontolo iainana amin'ny vahoaka Malagasy monina any amin'ny faritra Atsimon'ny nosy. Toy izao ny fijoroana vavolombelona nataon'i Bruno:
I noticed that the weather had changed from our usual predictions, and the rainy seasons were starting very late… Not only was rice production affected, but also sweet potatoes and cassava. It was getting hotter and hotter, which made planting cassava challenging… When I harvested it, I discovered that the roots had become smaller, compared to my previous harvest. In terms of rice, I used to collect three to four large baskets and now I can harvest only one small basket. The change is so obvious that it makes me ask the question, “What is happening to the climate?”
Tsikaritro fa tsy manaraka ny fihevitray toy ny mahazatra ny toetr'andro tato ho ato, fa tara be ohatra vao manomboka ny fahavaratra… Ka tsy ny fambolem-bary ihany no simba fa na ireo Bélé [voamanga] sy Balahazo [mangahazo] koa aza. Mihamafana hatrany hatrany ny andro, ka tena hasakasaka be ny fambolena Balahazo… Rehefa fotoana filana indray, dia tsikaritro fa madinidinika ireo voany raha oharina amin'ireo vokatra taloha. Resaka vary indray, taloha dia kitapo telo no jinjainay fa ankehitriny kosa dia zara raha misy vody harona. Tena misy fiovana mihitsy ka mampanontany tena hoe ”fa dia inona loatra no mahazo ny toetr'andro e?»
Misy tatitra vokatry ny fanadihadiana izay vao navoaky Richard Marcus amin'ny alalan'ny ”American Political Science Association” [Fikambanana Amerikana hoan'ireo Mpandinika ny Pôlitika] izay mampiseho ireo olana tsikaritra manodidina ny fitantanana ny rano any amin'ny faritra Ambovombe-Androy. Toy izay no voasoratra:
“Rural communities are suddenly faced with having to pay exorbitant costs for water. They are ill-prepared to carry out their municipal functions and unable to raise the level of user-fees or community taxes necessary to fund infrastructure development”
“Ireo fokonolona any ambanivohitra dia voetry nandoa saran-drano midangana dia midangana. Tsy nivonona ny hiandraikitra ny fitantanan-draharaha amin'ny maha olom-boafidy azy ireo mpitondra no sady tsy nahavita nanangona hetra mba ho takalon'ny fampiasana ny rano na koa fikambanana mba hiantoka ny fanamboarana ny famatsian-drano hoan'ny tanana rahateo”
Stephane, mpiblaogy anivon'ny fikambanana Foko Madagascar dia vao avy nanatrika ny Vòvònàna izay nokarakarain'ny Firenena Mikambana handinihina izay mikasika ny Fiovan'ny Toetr'Andro tamin'ny volana Septambra lasa teo [New-York] sady miblaogy mikasika izay olana tsy maintsy hovahana amin'ny fampivoarana ny firenena andalam-pandrosoana toa an'i Madagasikara.
Farany, nisy volavolan-dalàna izay manameloka ny fanapahana ireo hazo sarobidy any amin'ny reniala any Madagasikara izay napetraky ny Solombavambahoaka Earl Blumenauer (Demokraty avy any Oregon) amin'ny Antenimieram-Pirenena Amerikana. Nirongatra mafy mantsy ny fanapahana ireo hazo sarobidy avy amin'ny reniala, hatramin'izay nanombohan'ny fifanolanana ara-politika izay.
Ireo gazety “Courier International” sy “l'Express de Madagascar” moa dia mitatitra koa fa hay ny fitondrana mihitsy no nanome alàlana ny fanondranana ireo hazo mavokely sarobidy, izay efa tra-tehaka, tamin'ny faramparan'ny volana Septambra (fr).
Afrika: Tatitra sy lahatsary mikasika ny fomba ampiasan'ny mponina any Afrika ny finday
White African [Afrikana fotsy] manapariaka mikasika ny Grid [griazy] izay rohy mampifandray ireo finday any Tanzania sy ny Hello Africa [Manakory Afrika] lahatsary manadihady izay fomba ampiasan'ny mponina any Afrika ny finday.
Rosia : Tatitra fanampiny mikasika ny fipoahana nitranga tany Moskoa
Indreto tatitra hafa fanampiny  mikasika ilay doro trano vokatry ny fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa tamin'ny 9 : Andrei Kharlanov izay sady nametraka lahatsary ao amin'ny Youtube no nitatitra nivantana tamin'ny alalan'ny Twitter @andreikharlanov izay narahin-tsary koa;  Mpivoy LJ [LiveJournal] q-u-a-t-t-r-o (monina 1.5 km ny toerana nitrangan'ny voina dia nanatona akaiky dia akaiky mba hitatitra : 600 m monja), tatitry eparhial mpivoy LJ, unter_dem_meer mpivoy LJ,  just-koka mpivoy LJ, logra mpivoy LJ, erofeeva mpivoy LJ.
[Ity dia mbola tohin’ilay lahatsoratra efa notaterina teto ihany : Fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa]
Rosia : Fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa
Manapariaka sary mitatitra ny doro trano vokatry ny fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa tamin'ny 9 May ireo mpiblaogy Rosiana. Tsidiho ireo blaogy samihafa anivon'ny LiveJournal :  buchwurm,  goodwine, principiale,  maroot,  volland. Misy koa lahatsary napetraky  HorseWhispererRF azonao jerena ao amin'ny YouTube.
Madagasikara : Rindrankajy mpitsara tsipelina Malagasy
Ny namana Dotmg no nanolotra ny vaovao fa efa mihodina tanteraka ankehitriny ary amin'ny fomba maimaim-poana ilay rindrankajy mpitsara tsipelina Malagasy izay novoizina ary nampahalalainy nandritra ny Barcamp farany tany Antananarivo :
Ny rindrankajy mpitsara tsipelina malagasy dia tsy inona fa pejy iray amin’ny internet ahafahana mametraka lahatsoratra amin’ny teny malagasy. Rehefa avy tsindrianao ilay bokotra hoe Alefa dia asehony ireo teny mety ho diso tsipelina tao amin’ny lahatsoratra natsofokao. Tsy mbola afaka manome soson-kevitra momba ny tsipelina tokony ho nampiasaina io rindrankajy io […]
raha mety mahaliana anao dia azo alaina ny source nanamboarana azy. Azonao hatsaraina sy ovaina ary aparitaka ihany koa […]
Dia antenaina fa afaka hanampy antsika mpiangaly lahatsoratra amin’ny fiteny malagasy ity fitaovana iray ity.
Raha tsy diso aho dia ity no voalohany indrindra amin'izay Rindrankajy manatanteraka izany ary azo vangiana mivantana ao amin'ny vohikala dotmg.net/spell.
Madagasikara : Obama mamelonaina indray ny nofinofy Amerikana
Na dia ngeza sy midadasika aza ny elanelan-tany manasaraka amin'i Amerika, dia mandakana hatrany Madagasikara ny tazon'ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana. Mizara izay fahitany izay antony mahatonga azy ireo hanaraka fatratra ity fifidianana ity ny mpiblaogy sasantsasany, ary milaza koa izay ho toeran'ny fitondran'ny filoham-pirenena Obama eo imason'ny tsirairay.
Ny namana Jentilisa dia nanapariaka lahatsoratra lava momba izay antony manintona amin'ny “nofinofy Amerikana.” Tateriny amin'izay ohatra ny fandaharana fahitalavitra fatra-panaraka any madagasikara izay niantomboka tamin'ny sainam-pirenena Amerikana sy sariitatra nahitana tantsaha Malagasy iray nanatona birao ary nanontany raha mba afaka mifidy hoan'i Obama koa ve hono ny tenany. Velom-panontaniana i Jentilisa, amin'izay zavatra tokony hiseho vao mba misy fahavitrihana toy izany mikasika ny sainam-pirenena Malagasy sy ny firenentsika :
reharehan'ny Amerikana ery ny sainany fa ny sainam-pirenenao mpamaky io moa mba ankafizinao va? Sa tahaka ny ahoana no atao mba hitiavanao azy?
Dia mbola ampiany :
Ny Amerikana Amerikana foana na iza mitondra eo na iza! Mirehareha amin'ny mahaizy azy izy. Manandratra ny kolontsainy izy, miaro ny tombotsoany amin'ny fomba rehetra izy fa ny anao kosa manao ahoana? Toa manao fitan-droa… sadasada ihany fa sady te-ho mpitarika na olona mpitantana ambony eto Madagasikara no mizaka ny zom-pirenena heverina fa miaro ny tombotsoany manokana.
Ary rehefa nivoaka tamin'ny fomba ofisialy ny valim-pifidianana, ireo mpivoy ny tranonkalan-tseratsera facebook dia nonanoina. Alain Rasendra dia nivaky
Grant Park m'a mis la larme à l'oeil. C'est l'Amérique que nous aimons tous, avec son leadership rassembleur et mobilisateur. Bravo à tous les Américains d'offrir au monde ce wind of change.
“Nahalatsaka ny ranomasoko izay niseho tao Grant Park [ndlr. kianja niravoravoan'ireo tarika mpomba an'i Obama]. Toy izany ny Amerika tiantsika, mahatsiaro-tena sady mahay mivondrona. Arahabaina daholo ireo Amerikana izay nahay nanolotra an'izao tontolo izao ity “rivo-panavaozana” ity [wind of change].”
Sandy Rarivoson no manamarika fa:
voici venu l'ère des métis
“Efa tonga ny andro [anjakan'] ireo safiotra [na metisy]”
Thierry Andriamirado kosa mamaly azy fa tsy mbola tonga any Madagasikara aloha ny toe-tsaina toy izany :
Si je ne me trompe les métis n'ont clairement pas le droit de se présenter aux élections présidentieles à Madagascar, d'après la Constitution en vigueur.. bah au moins je suis tranquile, mes enfants ne se lanceront donc pas dedans.
“[Satria] raha tsy diso aho, dia tena navahana tsy hahazo hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena izay rehetra tsy Malagasy Ray sy Reny. Afaka mandry am-piadanana aho izany satria tsy mba isan'ireo mahazo mirotasaka ireo zanako [ndlr. manambady vazaha izy izany].”
Mponin'ny nety Malagasy sasany hafa dia manazava izay fomba nanarahany akaiky dia akaiky ny fampielezan-kevitra sy izay toeran'ny fitondran'ny filoham-pirenena Obama eo imasony :
Hasina Noel no nanoratra teo amin'ny pejy mirakitra izay mombamomba azy tao amin'ny vohikala Facebook:
This proves to the world that the U.S is still one of the greatest country in the world. Something like this will be almost impossible in any other countries.
“Izao zava-nitranga izao dia manaporofo indray eo imason'ny rehetra fa mbola isan'izay firenena mahatsikaiky indrindra eran'izao tontolo izao i Amerika. Satria tsy no-tanteraka izao zavatra izao amin'ny ankamaroan'ny firenena eran-tany.”
Lalaina Ramarivelo kosa :
I would say that I hope that the whole world would have a new vision of our race, black people.
“Antenaiko fa mba hiova amin'izay ny fijerin'izao tontolo izao antsika mainty fihodirana”
Madagasikara : Manahy izay mety ho fiantraikan'ny krizy Ekônômika ireo mpiblaogy
Raha tsy mitsaha-mitombo ny krizy, ireo kandida ho filoham-pirenena Amerikana roa lahy, ireo mpitondra Erôpeana sy lohandohany amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena dia samy manambara fa voatery ahena ireo fanampiana iraisam-pirenena. Ireo firenena an-dalam-pandrosoana toa an'i Madagasikara izay mbola mianki-doha fatratra amin'ny fanampiana iraisam-pirenena dia manahy mafy satria manambana ireo ezaka izay efa tanteraka eo amin'ny lafiny fampandrosoana sy ny fampihenana ny fahantrana fara-hidiny  izany fampihenana fanampiana izany.
Moa ve hisy fiantraikany any Madagasikara ny krizy iraisam-pirenena, ary amin'ny endrika ahoana ? Madagascan no manolotra fanazavana :
En conclusion, oui, Madagascar sera inévitablement impactée par la crise internationale actuelle. D'une part parce qu'il est prévisible que les Etats resserrent leurs aides aux pays pauvres, d'autre part parce que les grands projets actuels dans le pays auront probablement des problèmes de capacité d'investissement très rapidement, et enfin parce qu'une source importante de richesse du pays, le tourisme, sera fatalement affecté
“Raha fehezina, eny, tsy maintsy hisy fiantraikany any Madagasikara ny krizy iraisam-pirenena ankehitriny. Voalohany aloha satria mazava ho azy fa ahenan'ireo firenena mpanome ireo fanampiana fanaony ny firenena andalam-pandrosoana toa antsika. Manarak'izany, ireo tetikasa goavana efa natomboka any an-tanindrazana ankehitriny, tsy ho ela dia hisedra fahasarotana amin'ny famatsiana azy ho tontosa. Antony farany, miankina betsaka amin'ny fizahatantany ny harinkarentsika, hihena koa anefa ireo mpizahatany.”
Randy do it, mpanao gazety Malagasy sady mpiblaogy, dia manolotra fanoharana tsotra mora azo izay entiny anazavana ny tsenam-bola [bourse] amin'ny alalan'ny varotra Rajako :
Dès lors qu’il a le dos tourné, son assistant rassemble les villageois et leur indique les cages, avec les milliers de singes que leur a achetés son patron “Si vous le voulez, leur dit-il, moi, je vous cède ces singes à 35 dollars l’unité. Ainsi, lorsque mon patron reviendra, vous pourrez les lui revendre à 50 dollars. » Les villageois, aveuglés par la perspective de cet enrichissement facile, sortent toutes leurs économies, vendent leurs biens pour racheter les singes. Le magot encaissé, l’assistant disparaît dans la nuit. On ne le verra plus. Ni lui, ni son patron. Dans le village, rien que des singes, courant dans tous les sens. Et Nadim Kalife de conclure son histoire par un édifiant : « Bienvenue dans le monde de la Bourse ! » Eh, oui ! Il y a quelque chose d’aventureux à vendre un singe à dix dollars, puis à le racheter à 35 dollars, en espérant le vendre une seconde fois à 50 dollars.
“Raha vao lasa ilay Mpampiasa azy, dia novorian'ilay mpiasany ireo olona tao an-tanàna, notondroiny ireo garabà mitahiry ireto Rajako aman'arivony izay efa novidian'nny mpampiasa azy. “Raha sitrakareo” hoy izy tamin'ireo vahoaka nanatrika azy, dia “hivarotako amin'ireto Rajako ireto ianareo, 35.- $ isany. Amin'izay rehefa miverina ny mpampiasa ahy dia azonareo amidy 50.- $ aminy.” Jamban'izany fampanantenana vola mora azo izany ireo mponina tao an-tanàna ka dia samy namoaka ny tahiriny rehetra ny tsirairay avy, ary samy nivarotra izay fananany mba hividianana ireto Rajako. Rehefa voa-angona anefa izato harena, dia nanjavona tao anatin'ny indray alina monja ilay mpiasa, ary samy tsy nisy hita niverina tao an-tanana intsony na izy na ilay mpampiasa azy. Foana ny haren'ilay tanana, tsy misy afa-tsy ireto Rajako izay miriaria ombieny ombieny [ndlr. tsy misy mpividy]. Toy izao no fomba amaranan'i Nadim Kalife ny tantarany : “tongasoa amin'ny tontolon'ny tsenam-bola iraisam-pirenena !” Mazava, fa misy tsy fitandremana ihany ny mihevitra fa ny Rajako izay namidy 10.- $, avy eo novidiana 35.- $ dia mbola hisy hividy 50.- $ ihany.”
Farany, i Volana na i Moonlight girl, mpiblaogy vao nanomboka ao Antananarivo isan'ny tarika FOKO Blog Club, no mitantara izay andavan'andron'ny fahantrana fara-hidiny sy izay fiantraikany amin'ny lafiny ara-pahasalamana hoan'ny maro an'isa any Madagasikara. Amin'ny alalan'izay natrehiny tao anaty fiara fitanteram-bahoaka tany Antananarivo vao tsy ela :
She started to cry and tell me that she just gave birth 2 days ago at a famous public hospital. She was poor and didn’t have the money to buy medicine for the baby who suddenly became sick. At this hospital, if you can’t buy the medicines you need, it means you’re waiting for death. They don’t care about the person’s situation. So her baby died, and this woman didn’t have money to take him back home. She lived at Ambatofotsy , which is very far from town. Taking a taxi to those places , will cost a fortune. Now, she’s going to her sister’s house at Ambohipo; to take her child. I was heartbroken and terrified at the same time, thinking about this woman carrying her dead baby around. The driver’s aid, was very angry and started to yell at the woman, and forced her out the bus. He said, that she did something very taboo, about letting a dead be among the living. The poor woman just left the bus, not wanting to cause anymore trouble.
“Nanomboka nitomany izato ramatoa ary nambarany fa vao avy teraka izy roa andro lasa izay tany amin'ny Hôpitalim-panjakana fanta-bahoaka [ndlr. eto Antananarivo]. Mahantra izy ka tsy nanana izay vola ho enti-mividy ireo fanafody nilaina raha latsak'aretina tampoka izato zanany. Ao amin'io Hôpitaky io, rehefa tsy manam-bola hividianana fanafody ianao dia midika izay fa miandry fotsiny izay ahafatesanao eo. Tsy misy miraharaha izay mombamomba anao akory. Maty ny zanany, ary satria tsy nanam-bola hitondrana ny taolam-balon-janany mody izato reniny. Any Ambatofotsy izay lavitra an'Antananarivo mantsy izy no mipetraka. Anefa tsy laitra raha izay ho saran'ny fiarakaretsaka. Tapa-kevitra ary izy fa hitondra ny fatin-janany ho any amin'ny rahavaviny eny Ambohipo. Sady vaki-fò nahonena aho no tora-kovitra teo anilan'ity ramatoa izay miriaria miaraka amin'ny fatin-janany ity. Nanomboka tezitra anefa ny aide-saofera ka nikiakiaka azy ary nanery azy hidina ny fiara fitanteram-bahoaka [ndlr. miaraka amin'ny vava]. Nambarany fa tena nanao zava-pady mihitsy ity ramatoa ity, mitondra maty anivon'ny velona. Nandao ilay fiara ilay ramatoa fa tsy te hitarika olana hafa intsony.”
Madagasikara : BarCamp tany Madagasikara
Mitatitra ny BarCamp tany Madagasikara izay natrehiny ny namana Sixthman izay monina any Madagasikara rahateo :
A lot of people attended the barcamp and most of them were … bloggers. This was an opportunity for me to see some of them that I only knew by pictures through blogs like avylavitra, DotMg or Jentilisa - who talked about the Global Voices Online and released a book containing what he’s been writing as a blogger since 2006.
“Sesehena ireo olona izay tonga nandray anjara tamin'ny Barcamp ary ny ankamaroan'ireo mpanatrika ireo dia … mpiblaogy avokoa. Io fotoana io izany no nahazahoako nanararaotra ny hahita maso ireo izay fantatro fotsiny tamin'ny alalan'ny saron-tsaritava sy ny blaoginy tsirairay toa an-dry avylavitra, sy DotMg na koa ry Jentilisa - izay nanazavazava ny mikasika ny vohikala “Global Voices Online” sady namadika ho boky ireo lahatsoratra rehetra izay nosoratany tao amin'ny blaoginy hatramin'ny taona 2006.”
Seychelles : Nanaiky ny handray anjara amin'ny rohin-tseratsera Aterineto Pan-Afrikana
Gervais J. Henrie avy any Seychelles no mitatitra fa :
Seychelles is the second African country, after Senegal to join the $1 billion pan-African e-network project initiated by the Indian government
“Taorian'i Senegaly dia i Seychelles no firenena Afrikana faharoa izay nanaiky ny handray anjara amin'ny fananganana rohin-tseratsera Aterineto Pan-Afrikana izay mitentina 1 tapitrisa dôlara, tetikasa izay ambany fivoizan'ny fitondrana Indiana”
Liberia : Fanarenana ireo fantsona fampahalalam-baovaom-pirenena
Mitohy ny dian'i David Sasaki, any Monrôvia, ary mitatitra mikasika ny fanarenana ireo fantsona fampahalalam-baovaom-pirenena any Liberia izy :
Developing Liberia’s national media is key to 1.) promoting democracy, 2.) promoting national identity, and 3.) fighting corruption. We have been visiting all the different players involved in Liberia’s media development. First stop was the Minister of Information, Culture, and Tourism (giving a new meaning to ICT).
“Ny fampivoarana ireo fantsona fampahalalam-baovaom-pirenena any Liberia no fanalahidy ahafahana 1.) Mivoy ny demôkrasia, sy 2.) Mivoy ny maha-Liberiana, ary 3.) Enti-miady amin'ny fanaovana kolikoly. Novangianay avokoa ireo olona izay manana ny maha-izy azy amin'ny fampivoarana ireo fantsona fampahalalam-baovao any Liberia. Ny Ministry ny Fampahalalam-baovao sy ny Kolontsaina ary ny Fifandraisanano notsidihinay voalohany (nanome dikany hafa vaovao ny Teknolojia Fampahalalam-baovao).”