2008-04-03
Bahrain: fiainana milamina anatin'ny fahasamihafàna
Hatrizay hatrizay, efa aman'arivorivon-taonany lasa izay, Bahrain dia tanim-pilaminana izay ifangaroan'ny mponina maro samy hafa finoana, sy fiaviana. Tao amina tanàna tranainy iray, i Ràn'i Kristy (Ar), mpiblaogy iray avy ao Bahrain dia nahita sary iray izay mampiseho fiainana mirindra anatina fahasamihafàna.
Fiainana mirindra anatina fahasamihafàna ao Bahrain.
I Ràn'i Kristy, dia ...
2008-03-24
Paragoay: ireo mpilatsaka ho fidìna izay mampiasa ny blaogy hahazoana mpifidy
Sary nalain'i Muna Annahas
Amin'ny 20 aprily ho avy izao no hifidy izay ho filoham-pireneny ny Paragoay. Betsaka amin'ireo mpilatsaka ho fidiana manan-danja no mampiasa ny blaogy ho fomba ifandraisana amin'ireo mpifidy, satria ao no ilazàny ny fomba fijeriny ny lafin-javatra iray manokana, ary ao koa no anazavàny ny drafitry ny ...
2008-03-22
Iran : Taona vaovao no manomboka
Omaly no andro voalohany amin'ny lohataona sy andro voalohan'ny taona iraniana. Ny fetin'ny Nowruz na koa Norouz dia ankalazaina any Iran sy firenena maro tahaka an'i Tajikistan sy Afghanistan. Mpiblaogy maro no nankalaza izany fety izany, koa dia nifampirary soa sy nifanakalo hevitra izy ireo tamin'izany andro izany.
Ny sasany tahaka ...
2008-03-06
Rosia: fahatsiarovana ireo nianjadìn'ny fanondranana ho faty; “Dzhigit Day”
Tamin’ny faha-23 febroary teo, andro izay anamarihan’i Rosia ny fetin’ny fiarovana ny Tanindrazana, no nivorian’antokon’olona roa tao amin’ny Moscow's Bolotnaya Square ao Môskoa. Izany dia natao hanamarihana ireo Tsetsena sy Ingosa namoy ny ainy noho ny fanondranana ho faty tamin’ny taona 1944. Olona miisa ...




