Lahatsoratra farany an'i Vololona
23/05/2013
Però: Fitokonana Tao Iquitos Hanoherana Ny Kolikoly
Fitokonana iray nandritra ny 24 ora tao amin'ny tananan'i Iquitos, ao amin'ny faritra Amazona Peroviana no nikendrena hisarihana ny saina amin'ny fihetsika mampiahiahin'ny Governemantam-paritr'i Loreto ary ny fomba fikirakiran'ny Fahefàna Mpanao Lalàna an'ireny tranga ireny
22/05/2013
Tiorkia: : Mpialokaloka Siriana No Voaheloka Taorian'ilay Fipoahana Tao Reyhanli
Ny 11 May, Reyhanlı [en] tanàna Tiorka kely any amin'ny sisintany manasaraka an'i Tiorkia sy Syria, no teo ambany fanafihan'ny mpampihorohoro. Io no fanafihana mpampihorohoro goavana indrindra [en] teo amin'ny tantaran'ilay firenena repoblikana 90 taona. Ireo mpisera ety anaty aterineto dia naneho hevitra mikasika ilay fipoahana, ny fandraràna iray napetraky ny governemanta amin'ireo media momba ilay zava-doza ary ny fikendrena ireo Siriana mpialokaloka naterak'izany
07/05/2013
Kamerona: Enoh Meyomesse, Bilaogera Mbola Any Am-ponja

Mpanoratra Kamerone sady mpibilaogy atao hoe Enoh Meyomesse no voafonja any Yaoundé, renivohitr'i Kamerona, nandritra ny 17 volana mahery. Voahendrikendrika ho nangalatra sy nivarotra volamena tsy ara-dalàna izy, nohelohin'ny tribonaly miaramilan'i Yaoundé higadra nandritra ny fito taona an-tranomaizina izy, taorian'ny dingana maro izay heverin'ireo fikambanana maro ho tsy ara-drariny. Maro no miahiahy fa Meyomesse, izay nahazo ny Oxfam Novib/PEN Award tamin'ny 2013 ary ankehitriny mpikambana am-boninahitra ao amin'ny Foibe Amerikana PEN , dia miatrika fitsarana ara-politika izay mikasa hanakombonana vava ny iray amin'ireo olona manampahaizana izay tena miroborobo fatratra any Kamerona.
02/05/2013
Venezoela : Mampiseho Harefon'ny Foto-kevitr'i Chavez Ny Valim-pifidianana
Ny valim-pifidianana filoham-pirenena natao ny alahady 14 aprily 2013 dia nahitana taratra sahady ny fanombohan'ny fihemoran'ny foto-kevitra Chavez. Ny elanelana izay tsy misy afa-tsy isan-jato roa sy ny fitarainana samihafa marobe mikasika ny tsy ara-dalàna (eo amin'ny tranga 3.200) nandritra ny asa no nitarika ny Governoram-panjakàn'i Miranda, Henrique Capriles Radonsky, tsy hanaiky ny vokatra [es] raha tsy misy fitsirihana sy famerenana ny fanisam-bato atao tànana
03/03/2013
Mila Politika Azo Tsapain-tànana Ny SIDA Ao Shina
Voatery nanafina ny mahazo azy mba hahazoana ny fandidiana ny homamiadan'ny havokavoka ny olona iray mitondra ny otrikaretina VIH tao Tianjin. Vantany vao nasehon'i Li Hu ankarihary ity raharaha ity, i Li Hu izay mpisolovava amin'ny VIH/SIDA, nandritry ny herinandro nisian'ny andro iraisam-pirenena ho an'ny VIH/SIDA, ary niteraka akony tena nanaitra tokoa tao Shina sy nahasarika ny sain'ireo Shinoa mpitantara vaovao.
24/02/2013
Arabia Saodita: Ny Hopitaly Mamindra VIH, Ny Minisitra Manome iPad
Zazavavy vao 13 taona monja i al-Hakami no tratran'ny VIH rehefa nampidirana rà tao amin'ny hopitaly iray ao Jizan, any atsimon'i Arabia Saodita. Niteraka savorovoro tany amin'ireo tranokalanà media sosialy ity raharaha ity rehefa nitsidika azy ka nanolotra azy iPad ho toy ny fanomezana, ny minisitry ny fahasalamana.
Saodiana Mpikatroka Mafàna Fo: “Maneho Ny Fomba Fisainany Sy Ny Tsy Fahampian'ny Porofo Eo Am-pelan-tànany Ny Fitsarana”
Notanterahana ny 18 Desambra 2012 tao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava tao Riyadh ny fotoam-pitsarana fahavalo tamin'ny fitsarana ampahibemaso voalohany tao Arabia Saodita ireo mpikatroka mafàna fo malaza ao amin'ny zon'olombelona, Mohammad Al-Qahtani sy Abdullah Al-Hamid
28/12/2012
Tranganà Fanolanana Vehivavy Tao Delhi Nahatezitra Olona Nanerana An'i India
Fanolanana vehivavy 23 taona tao anaty fiara fitateram-bahoaka tany Delhi no niteraka henatra sy fahafaham-baraka ho an'i India. Nahatonga fanontaniana maro teo anatrehan'ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ity zava-niseho ity tao amin'ny renivohitra Indiana ary nitsikeràn'ny fiaraha-monina ny resaka mamoa-fady toy ny "fitaovam-pananahana" sy ny fanolanana.
21/08/2012
Ireo Atleta Vehivavy Saodiana – Natao Resa-be Tao Amin'ny Twitter, Taorian'ny Lalao Olympika
Taorian'ny dingana niakarana tany amin'ny lalao Olympika, ireo vehivavy atleta Saodiana, sady voalohany teo amin'ny tantaran'ny fanatanjahan-tena Saodiana, i Sarah Attar sy Wojdan Shahrkhani dia nahazo vava ratsy tao amin'ny tontolon'ny Twitter Saodiana.
12/08/2012
Bahrain: Mibitsika Ireo Fepetra Tsizarizary Ao Amin'ny Fonjaben'i Jaw
Miara-mivondrona ao amin'ny aterineto ireo mpampiasa aterineto Bahraini mba hisarihana ny saina amin'ireo fepetra tsizarizary ao amin'ny fonjaben'i Jaw, izay ahitàna mpanao politika voafonja, ankoatra ireo hafa. Taorian'ny fanampenam-bava ny hetsi-panoherana tao Bahrain ny 14 Febroary 2011, dia olona anjatony no voasambotra, notsaraina sy naiditra am-ponja noho ny fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehana nanoherana ny governemanta.






























RSS ho an i Vololona





Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa